Ejypta: Herisetran'ny Polisy Mamelona Indray Ny Tahotry ny Fiverenan'ny Fitondrana Teo Aloha

A screen grab from RASSD's exclusive video showing a man being tortured at a police station in Egypt

Pikantsary avy tamin'ny lahatsary manokana an'ny RASSD mampiseho lehilahy ampijaliana ao amin'ny tobin'ny polisy ao Ejypta

Niverina tao Ejypta indray ny herisetran'ny polisy, taorian'ny fipoiran'ilay lahatsary tafaporitsaka mampiseho lehilahy iray nalàna baraka sy nampijalian'ireo polisy manampahefana.  Ny tambajotram-baovao RASSD no namoaka ny lahatsary, mampatsiahy ny Ejipsiana mikasika ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Hosni Moubarak, voahongana tamin'ny fiandohan'ny revolisiona.

Tsy nanome ny daty nitrangan'ny fihoaram-pahefana ny lahatsary navoaka tamin'ny 2 Novambra 2013, tao amin'ny RASSD niaraka tamin'ny fivoahany tao amin'ny pejy YouTube.
Ao anaty trano tahaka ny tobin'ny polisy, tazana voavelin'ny karavasy ilay lehilahy ary nitsotra fa Sawsan (anaram-bavy) no tena anarany – ary te ho l***na izy. Noterena hamerina izany fehezanteny izany hatrany hatrany ity lehilahy ity. (Tandremo: mahery vaika ny teny)

Tao amin'ny Twitter, RASSD nilaza hoe:

Lahatsary hafa tafaporitsaka azon'ny RASSD, izay mampiseho ny fomba feno herisetra sy feno habibiana ny fanonganam-panjakana [governemanta] ao anatin'ny tobin'ny polisy ao Qurqas, ao amin'ny governoràn'i Minya.

Na dia mbola manjaka eny an-dalambe Ejipsiana aza ny herisetran'ny polisy, niteraka fahatezerana, rikoriko ary fahadisoam-panantenana teo amin'ireo mpiserasera ity lahatsary vaovao ity.

Farah Saafan nilaza hoe:

Ny fanantenako dia indray andro hany, hiangona amin'ny toerana iray ny mpiasan'ny minisiteran'ny Atitany rehetra … ary hisy fahagagana hiseho avy eo: hivava ny tany ary hitelina azy rehetra!

Bilaogera Mostafa Hussein mahita fifandraisana eo amin'ny fanohanana tsy misy fepetra ny polisy sy ny tafika ataon'ny ampahan'ny vahoaka Ejipsiana sy ity karazan-kerisetra ity:

Ny olana eo amin'ny polisy sy ny vahoaka dia raha vao mahare izany ny polisy, dia manao izao karazana habibiana hitantsika amin'ny lahatsary izao

Amr Abdel Halim nanampy hoe:

Tena mampihoron-koditra, ilay lahatsary tafaporitsaka izay mampiseho polisy manamboninahitra iray mampijaly sy manala baraka olom-pirenena ejipsiana. Toa mbola ny kely indrindra amin'ny fampijaliana isan'andro sy mahazatra ataon'ny mpifehy ao amin'ny minisiteran'ny Atitany izany.

Tao amin'ny Facebook, mpamaky iray naneho hevitra hoe:

هل تعتقدوا ان ده بيحصل في اقسام اي دولة متحضرة في العالم حتي لو المتهم قاتل قتيل ممكن يهينوا كرامته لفظيا وبالضرب والاهانة بالشكل ده؟؟؟ وبتسموا الانقلاب ثورة ههههه هي فعلا ثورة بس ثورة مضادة لارادة الشعب المصري يعني ثورة العسكر عالشعب

Mihevitra ve ianao fa miseho eny amin'ireo tobin'ny polisy any amin'ireo firenena voarindra ara-piarahamonina izao? Na dia voaheloka ho mpamono olona aza izy, mety halain'izy baraka am-bava fotsiny izy saingy ho karavasiany ve na hampijaliany tahaka izao? Ary avy eo antsoin'izy ireo ho revolisiona ny fanonganam-panjakana haha. Tena revolisiona – saingy manohitra-revolisiona mitsipaka ny fanirian'ny vahoaka ejipsiana. Revolisionan'ny tafika mamely ny vahoaka izany.

Fatima Said nanampy hoe:

Maro ireo olo-tsotra tsy manan-tsiny niharan'ny fampijalian'ny mpitandro ny filaminana tao Ejipta. Mahita maso ny fiverenan'ny toetran'ny polisin'ny Mubarak izahay

Nandritra ny taona maro, lahatsary marobe misy herisetran'ny polisy sy fanambarana no nipoitra tamin'ny aterineto. Ny tena malaza dia ilay fampijaliana mahatsiravina nahafaty an'i Khaled Said, lehilahy 28 taona avy ao Alexandria, izay voalaza fa novonoin'ny polisy. Nahatonga fahatezerana sy fihetsiketsehana ny sary misy ny vatany efa potika tanteraka, izay nivoaka tao amin'ny aterineto, ary anisan'ny nitarika ny fihonganan'i Moubarak fito volana taty aoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.