Mahatsiaro Ny Fahiranon'ny Fakana Takalon'aina Tamin'ny Nord-Ost Ny Rosiana, 11 Taona Taty Aoriana

The Nord-Ost play banner outside the Dubrovka Theater, during the October 23-26, 2002, hostage crisis. YouTube screenshot.

Ny afisin'ny tantara tsangana Nord-Ost teo ivelan'ny efitrano fanaovana teatira Dubrovka, nandritra ny krizin'ny fakana takalon'aina  23-26 Oktobra 2002. Pikantsary tamin'ny YouTube.

Tsy vahiny amin'ny fampihorohoroana ny Rosiana, fa misy hatrany zavatra hafahafa isaky ny mandalo ny tsingerintaona nisian'ny fanafihan'ny mpampihorohoro ratsy indrindra teo amin'ny firenena. Vao tamin'ny volana lasa teo izao ny Moskovita no nahatsiaro indray ny 11 taona nitsingerenan'ny nanaovana fahirano an'i Nord-Ost tao an-tanàna misy ny Teatira (teatra) Dubrovka, krizin'ny fakana takalon'aina naharitra telo andro, ary nifarana tamin'ny alalan'ny fanotofan'ny vondro-tafika manokana kasingan'etona notazonina ho tsiambaratelo natao tsy hampihetsika ny mpanafika. Indrisy moa, —ary maro no mihevitra fa tsy azo avela hiala maina izany—fa niteraka fahafatesan'olona 130 tamin'ireo [saika] hijery tantara tsangana izany.

Ny mpanao gazety Sergei Parkhomenko namoaka am-bilaogy indray [ru], ao amin'ny Ekho Moskvy, ny lahatsoratra efa nivoaka tao amin'ny LiveJournal tamin'ny 2007, izay efa nanoratany tamin'ny tsingerintaona fahadimy ny Nord-Ost, ka nitarainany ny tsy nanaovan'ny governemanta famotorana mitarika ho amin'ny fanasaziana izay tompon'andraikitra nandritra iny krizin'ny fakana takalon'aina iny. Nampahatsiarovan'i Parkhomenko manokana mihitsy fa tsy niala teo amin'ny fahitalavitra ny Rosiana tamin'iny fotoanan'ny fakana takalon'aina iny, niandry fatratra ny isian'ny vaovao tsara:

Сидим мы, сидим, ждем, ждем… Восемь утра уже… По телевидению пошли эти съемки, которые потом весь день крутили.

Mipetraka isika ary mipetraka, miandry ary miandry… efa amin'ny valo ora maraina… Ao amin'ny TV miverimberina mandritra ny andro hatrany ireny sombin-dahatsary ireny.

11 taona taty aoriana, mbola maro hatrany ireo mangidy vava sy tsy mahalala marina izay tena fandehan-draharaha tao amin'ny Teatira (teatra) Dubrovka. Ny sasany mahita azy ity ho tsy fahombiazana tanteraka eo amin'ny politikan'ny governemanta Rosiana momba an'i Chechnya, raha manana eritreritra tantaran-tsikombakomba nataon'ny fitondrana ho fanaratsiana ny fanoherana mitam-piadiana Chechen kosa ny hafa tamin'ity toe-javatra ity. Mbola misy ihany koa ny hafa mijery ny fanafihana ny Nord-Ost attack ho porofo fa tsy mikaonty loatra izany ain'olombelona izany rehefa sehatry ny fakana takalon'aina sy krizy tahaka ireny.

Heniky ny eritreritra isan-karazany momba ny tsingerinandrom-pahatsiarovana ny fanafihana ny Nord-ost ny RuNet, na dia mirona kokoa ho amin'ny fikaroham-baliny aza ny bilaogera fa tsy any amin'ny marimaritra iraisana mivaingana kokoa.

Namoaka [ru] eritreritra tafiditra tsara momba ny tsingerinandrom-pahatsiarovana indrindra ao amin'ny LiveJournal i Garry Kasparov, tamin'ny fitondrana ny lohateny hoe, “Ho an'iza no maneno ny lakolosim-paty”: 

Гибель собственных граждан никогда не считалась в нашем Отечестве серьезным преступлением, за которое стоило бы наказывать провинившихся начальников. Но, тайно наградив организаторов штурма на Дубровке, путинский режим пошел еще дальше, выдав бессрочную индульгенцию на выполнение любых преступных приказов.

За прошедшие 10 лет в отсутствие организованного отпора общества режим мягкого авторитаризма постепенно обретал зловещие черты фашистской диктатуры. Сейчас у мало-мальски думающих людей уже не остается сомнений в том, что только энергичными солидарными действиями мы можем не допустить развития самого мрачного сценария, несущего смертельную угрозу как для всей страны, так и для каждого из нас.

Поэтому не спрашивай, по ком звонит колокол…

Tsy noheverina velively ho heloka tena bevava ny fahafatesan'olompirenena eto an-tanindrazantsika, izay mety mitaky ny fanasaziana ireo olona meloka amin'izany. Saingy, tamin'ny fanomezana valisoa mangingina ireo polisy nanomana ny fanafihana, dia lasa lavitra ny fitondrana Putin, tamin'ny fametrahana ho tsimatimanota izay rehetra manatontosa baikom-pamonoan'olona.

Tao anatin'ny folo taona farany, noho ny tsy fisian'ny fikambanana mahajoro manohitra eo amin'ny fiarahamonina, nirona tsimoramora nankany amin'ny endriky ny jadona fasista ilay fahefam-pitondrana mahadidy mahatapaka teo. Ankehitriny na ny dondrona aza tsy mametraka fisalasalana intsony fa ny hetsika mahery vaika sy mirindra ihany no afa-misoroka ny fivoaran-draharaha hiharatsiratsy kokoa, izay mety hampidi-doza mahafaty na ny firenena manontolo na ny tsirairay amintsika.

Koa aza manontany hoa ho an'iza no haneno ny lakolosim-paty…

Nisioka ny mpanao politika hafa avy amin'ny fanoherana, Mikhail Kasyanov: 

Nord Ost – Dubrovka, ny fanafihana, ny olona niharam-boina. Kivy aho. Sarobidy kokoa ho an'i Putin ny [mety ho] fivoahan'ny tsiambaratelon'ny raikipohin'ny etona noho ny ain'olom-pirenen'ny Federasiona Rosiana 130.

Nanoratra tao amin'ny Ekho Moskvy momba ny lalàna sy ny zon'olombelona tafiditra ao amin'ny voinan'ny Nord-Ost [trano fanaovana teatira (teatra) Doubrovka] ny mpisolovava sady mpikatroka Karinna Moskalenko, ary nampiany fa tokony hiadian-kevitra eo anoloan'ny lapan'ny Fitsarana Eoropeana momba ny Zon'olombelona (ECHR) ity raharaha ity:

Это нарушение должно быть незамедлительно восполнено, – власти должны быть призваны к немедленному возбуждению уголовного дела и проведению расследования, что прямо вытекает из решения Европейского Суда.

Tokony honerana avy hatrany ny fahavoazana, [ary] sokafana avy hatrany ny raharahan-keloka bevava sy ny famotorana ireo manampahefana, vantany vao tapaka ny didy avy amin'ny Fitsarana Eoropeana.

Namoaka [ru] andrana ao amin'ny Livejournal momba ny eritreritra sy ny fanontaniana momba ny androm-pahatsiarovana ny Nord-Ost i Natalia Pelevina, Rosiana-Britanika mpanoratra tantara foronina, mpikatroka politika, ary bilaogera:

То есть могло быть так, что информация о готовящемся теракте поступила и была использована в своих целях?… Зрители и артисты не шли на мюзикл ” Норд Ост” умирать…

Voarain'[Ny manampahefana Rosiana] ve ny fampahafantarana momba ny fanafihan'ny mpampihorohoro ary nampiasaina araka izay mahamety azy? Tsy ho faty no nandehanan'ny artista sy ny mpanatrika ny “Nord-Ost” ho ao

Nananihany ihany koa i Pelevina tao amin'ny Twitter: Pelevina also quipped on Twitter:

Nasehon'i ord-Ost tamintsika fa, ato amin'ity firenena ity, tsy miteraka isika, fa vola mora ihany. #NordOst

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.