Andron-ny fihetsehampo mifamahofaho ny 5 Novambra andron-ny “Melbourne Cup”. Ny fandresen'ilay nandrandrain'ny maro “Fiorente” dia fandresena goavana ho an'ilay mpanazatra, Gai Waterhouse. Izy no tonga ho vehivavy voalohany nanazatra ny mpandresy tamin'ny hazakazaka izay mampiato firenena iray manontolo. Tsy isalasalàna fa mampiato ihany koa ny tanàna niaviany izay misy andro tsy hiasàna ka hitondra olona hatramin'ny 110.000 hanaraka azy.
Kanefa, nosembanin'ny fahafatesan'i Verema, iray tamin'ireo mpihazakazaka izay tsy maintsy najedaka nony avy eo, izany fandresena miezinezina izany. Verema dia an'i Aga Khan IV, iray amin'ireo patiraon'ny mpanan-karena indrindra amin'ny resaka fanatanjahantena.
Twitter dia nifangaroanà…
Fankalazàna:
Fabe Keily, filoha tele-jeneralin'ny “Women In Management Australia” ‘Ny Takian'Ireo Vehivavy Miasa’.
GAI WATERHOUSE is Australia's FIRST FEMALE Trainer to WIN the Melbourne Cup: Just goes to show that you can WIN… http://t.co/zsCn7YM131
— Fabe Keily (@fabekeily) November 5, 2013
GAI WATERHOUSE no VEHIVAVY mpanazatra voalohany teto Aostralia nandresy tamin'ny Melbourne Cup : Nasehony tsotra izao fa afaka ny HANDRESY ianao … http://t.co/zsCn7YM131
— Fabe Keily (@fabekeily) 5 Novambra 2013 .
Tsikitsiky kely :
I must resist urge to ‘shop that MT @7NewsSydney: The moment Gai Waterhouse realised Fiorente won 2013 #MelbourneCup pic.twitter.com/AkVtIGARx3
— Solly (@Sollygc) November 5, 2013
Tsy maintsy nifehy tena aho tsy hikiakiaka tao am-pivarotana fa hoe MT @7NewsSydney: Ny fotoana nahafantaran'i Gai Waterhouse ny nandresen'i Fiorente tamin'ny #MelbourneCup 2013 pic.twitter.com/AkVtIGARx3
— Solly (@Sollygc) 5 Novambra 2013
Narahan'ny vaovao ratsy tamin'ny nanaovana “euthanisie” ilay soavaly.
Oh Verema. RIP you beautiful girl. RT“@DanGinnane: How could you not choke up, at least a little #melbournecup pic.twitter.com/X5wM2szq07”
— Rita Panahi (@RitaPanahi) November 5, 2013
Oh Verema. Mandria am-piadanana ianao ry soavaly mahafinaritra. RT ” @ DanGinnane : Ahoana moa no tsy ho tohina ianao, na dia ho kely monja aza #melbournecup pic.twitter.com/X5wM2szq07”
— Rita Panahi (@RitaPanahi) 5 Novambra 2013
Notapohana hatezerana kely :
Horses were beaten today, and one was put down. But #MelbourneCup is not the only day this happens. It's just the one people dress up for.
— ABCnewsIntern (@ABCnewsIntern) November 5, 2013
Voavely ireo soavaly androany, ary ny iray kosa novonoina. Saingy tsy amin'ny andron'ny #MelbourneCup ihany anefa izany no mitranga. Misy ny olona miankanjo fotsiny hanatrika izany
— ABCnewsIntern (@ABCnewsIntern) 5 Novambra 2013
Verema has been put down after snapping a cannon bone. Worth re-reading our piece: The cruelty of the #MelbourneCup http://t.co/kYq9SPSsFx
— Jessica Reed (@GuardianJessica) November 5, 2013
Rehefa nisy taolana tapaka tao aminy, dia novonoina i Verema. Mendrika hiverenana vakiana ny ampahan-dahatsoratray : Ny habibian'ny #MelbourneCup http://t.co/kYq9SPSsFx
— Jessica Reed (@GuardianJessica) 5 Novambra 2013
Hope everybody had fun dressing up, gambling and vomiting. Verema was necessary collateral damage, right? #MelbourneCup
— Jes (@mugleyjes) November 5, 2013
Antenaiko fa ny tsirairay no ho faly tamin'ny fitafy, filokàna ary ny fandoavana. Loza nilaina nidona tamin'ny andaniny sy ny ankilany i Verema, sa tsy izany? #MelbourneCup
— Jes (@mugleyjes) 5 Novambra 2013
Miaraka aminà sangy ratsy vitsivitsy:
I love the smell of glue in the afternoon. #MelbourneCup
— Skarburn (@EnjoyMedway) November 5, 2013
Tiako ny fofonà lakaoly rehefa tolakandro #MelbourneCup
— Skarburn (@EnjoyMedway) 5 Novambra 2013
Anaty sary iray tamin'ny aterineto, navaozina tao anatin'ny ora roa nisian'ny hazakazaka ny fampidirana iray ao amin'ny Wikipedia momba an'i Aga Khan :
Hazakazak'ireo soavaly tsy mivangaro razana
…Ny 5 Novambra 2013, tapaka tongotra havanana [90] i Verema- iray amin'ireo soavalin'i Aga Khan – ary dia novonoina tao amin'ny Melbourne Cup, Aostralia.