Hetsipanoherana Goavana Manohitra Ny Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka Ao Thailand

From the Facebook page of medical students at Chulalongkorn University

Avy amin'ny pejy Facebook an'ny mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Chulalongkorn

Marobe ireo vondrona sy olon-tsotra ao Thailand no nidina an-dalambe naneho fanoherana an'ilay Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka miteraka resabe. Andro vitsivitsy taorian'ny nandanian'ny parlemanta ilay volavolan-dalàna tamin'ny 1 Novambra lasa teo, an'aliny ireo nanatevina laharana ilay hetsi-panoherana tao Bangkok mba haneho ny tsy fankatoavany ilay fepetra izay mety ho famotsoran-keloka faobe ho an'ireo politisiana sy mpitondra nanao hadisoana ara-politika hatramin'ny 2006.

Nitranga ny fanoherana ilay volavolan-dalàna taorian'ny nitaterana hoe mety hanome tombony an'ireo politisiana mpanao kolikoly sy mpanitsakitsaka zon'olombelona ny fanitsiana natao taminy. Indrindra indrindra fa ny antoko mpanohitra niteny hoe io volavolan-dalàna io dia ‘hamafa tanteraka’ ny heloka bevava nataon'i Thaksin Shinawatra, Praiminisitra teo aloha izay nandositra ny fireneny rehefa nohamafisin'ny fitsarana iray tao an-toerana fa meloka taminà fandrobàna.

Voaisotra taminà fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin. Ny anabavy keliny, Yingluck Shinawatra, no praiminisitr'i Thailand amin'izao fotoana izao. Araka ny filazan'ireo mpanakiana an'i Thaksin, hanome fahafahana hiverina ao an-tanindrazany an'ilay mpitondra teo aloha io volavolan-dalàna io ary haka indray ireo hareny nogiazan'ny governemanta.

Etsy ankilan'ireo antoko politika, andrimpanjakana isankarazany ihany koa no nanohitra ilay fepetra. Nisy ny fikarakarana hetsi-panoherana ho an'ny sekoly sy ireo toeram-pitsaboana tamin'ny roa andro farany. Ny tena voamarika, an'arivony ireo mpampianatra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Chulalongkorn, ireo mpandraharaha, mpianatra na mpianatra fahiny tao no nitandrozotra teny an-dalambe naneho ny fandàvan-dry zareo ilay volavolan-dalàna.

Hiatrika io volavolan-dalàna io ny antenimieran-doholona amin'ny herinandro hoavy.

Maneho ny tsy fitiavan'ny maro an'ilay fepetra ireo fanehoankevitra hita tao amin'ny Twitter  sy ny haben'ireo hetsi-panoherana tao Bangkok:

Sary farany tamin'ny hetsi-panoherana an'ilay famelan-keloka, tao amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia #Bangkok (Pic @ter_TRnews)pic.twitter.com/C6ENfxfkIJ

— Richard Barrow (@RichardBarrow) 4 Novambra 2013

Diabe firaisankina tao Chulalongkorn hanoherana ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka Thai. #ptcybertalk #redshirt @pouyingluck @thaksinlive pic.twitter.com/frGaSBC528
— issara r (@issarar) 6 Novambra 2013

Deraina rehefa mendrika. Efa am-bolana maro ny Antoko Demaokraty no nanohitra hatrany ilay Volavolan-dalàna famotsoran-keloka. ( Be no tsy mahalala ) Hetsi-panoherana atao am-pilaminana hatreto.

— เอม นภพัฒน์จักษ์ (@noppatjak) 6 Novambra 2013

 

@ Nganadeeleg Ity volavolan-dalàna ity tsy tokony hanarontsarona ny zava-misy hoe mametraka an-terisetra ny fomba fijeriny ny famotsoran-keloka 4 taona ny rafitra mpanao lalàna mpanao kolikoly

— JQ Public (@JQP6) November 6, 2013

 

Anjerimanontolon'i Chulalongkorn Manohitra ilay Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka Bangkok Thaïlande.

— S. Hirunyawanit (@Thaihundred)  5 Novambra 2013

Marobe ihany koa ireo mpampiasa Facebook sy Twitter no nampakatra sary ho fanoherana ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka:

Manohitra ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka 사면법안반대. pic.twitter.com/DhTsAyy8bb

— Angel deviL Anlee (@Anlee_Okcat) 6 Novambra 2013

.
Somyot Pruksakasemsuk manontany hoe nahoana ireo mpanitsakitsaka ny lalàna momba ny tsy fanajàna ny mpanjaka  (mandràra ny faniratsiràna mpanjaka) no tsy voakasik'ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka :

Amin'ny anaran'ny fampihavanana, na ilay lalàna ihany aza dia efa fihatsaram-belatsihy mivandravandra be. Hita miharihary, tsy ho ao anatin'izy io ireo izay voahenjika sy voaheloky ny Artikla 112 ao amin'ny Lalàna Famaizana heloka bevava, ny lalàna mikasika ny tsy fanajàna ny mpanjaka, na dia mivandravandra izao aza fa niharan'ny fanenjehana ara-politika koa izy ireny. Ireo mpifonja noho ny resaka tsy fanajàna ny mpanjaka dia voaheloka satria naneho ny fomba fijeriny ara-politika tao anatin'ny fotoana nampamaivay ny fifandirana ara-politika. Ny filazàna hoe natao ho an'ny ftoviana ilay volavolan-dalàna dia mifanohitra tanteraka amin'ny fotokevitry ny atao hoe fitoviana.

Mandritra izany, ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra dia manainga ny vahoaka tsy hamadika ilay volavolan-dalàna ho resaka ‘politika’ :

…marobe ireo vondrona no toa sahala amin'ny tsy vonona mihitsy hanaiky hamela heloka sady tafalentika anaty fotaky ny fahasamihafàna.

Tsy tiako ho hita ny famadihana ilay volavolan-dalàna ho lasa resaka politika hikendrana ny hanaisorana ny governemanta voafidim-bahoaka ary hamiliana làlana indray ny demaokrasia.

Anaovana dika vilana ilay volavolan-dalàna mba hisian'ny tsy fahatakarana tahaka ny resaka olan'ny hetra.

Ny tanjona fototry ny governemanta dia ny ho tonga any amin'ny fampihavanana. Na eo aza ny tsy fitoviana misy, tian'ny governemanta mba hiato handinika kely ny ankolafy rehetra hahafahana mampitsahatra ny fitaran'ny fisamantsamahana tsy ho lasa lavitra.

.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.