SARIPIKA: Voatoraka Entona Mandatsa-dranomaso Ireo Shia Mpisaona Tany Bahrain

Voatoraky ny entona mandatsa-dranomaso tany Bahrain ireo Shia mpisaona raha nankalaza ny fanombohan’ny volana silamo Muharram, araka ny voalazan’ireo mahery fo, izay manondro ny fitondrana Bahraini ho nanafika ny fahalalahana ara-pivavahana tao amin’ity fanjakana Arabo feno fitaintainana ity.

Manoratra [ar] i Maryam Al Khawajah, mahery fo mikasika ireo Zon’Olombelona Bahraini, hoe:

Ao anaty fandikàna ny fahalalahana ara-pinoana dia manafika ireo Shiites eo ampanatanterahana ny fotoam-pivavahana ao an-tananàn’i Maameer ny fitondrana.

Ny volan’ny Muharram dia volana fisaonana ho an’ireo Shia mpino Silamo. Ny andro faha-10 amin’ny Muharram, na Ashoora no hankalàzana ny nahafatesan’ny olo-masina Imam Hussain bin Ali, zafikelin’ny mpaminany Muhammed tamin’ny Adin'ny Karbala nitranga tamin’ny taona 680 tany Iràka. Mampiavaka ny fankalazana ny filaharam-be mamakivaky ireo tanàn-dehibe sy ireo tanàna kely, ary koa ireo vakiteny atao any am-piangonana ho an’ireo mpino Shiite. Efa taon-jato maro no nanatanterahana ireo fombafomba ireo, ary ampitaina amin’ny andian-taranaka manaraka mifandimby.

Quite Bahrain-I dia mizara saripika iray hafa avy amin’iny “tranga” iny ihany, ary milaza fa:

Ary nanana hafa koa i Ahmed Ali:

Al Wefaq Society, antoko mpanohitra lehibe indrindra, dia mandefa saripika iray hafa:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.