Adihevitra momba ny Fanavakavaham-bolonkoditra Nanjo Ny Mpanampy Vavy Telo Nandritry ny Halloween Tany Lebanona

The Instagram photograph of three Lebanese women dressed up as black maids. Blogger Joey Ayoub calls out racism

Sarin'ny Instagram mampiseho ireo ramatoa Libanona telo miankanjo toy ny mainty hoditra mpiasa antrano. Manondro ny fanavakavaham-bolon-koditra ny mpanao Bilaogy Joey Ayoub.

Mandritra ny Halloween dia miankanjo samihafa ny olona. Tohina tamin'ireo mpanao fety ny mpanao bilaogy Libanona Joey Ayoub, raha nanapa-kevitra ny hiakanjo tahaka ireo mainty hoditra mpiasa antrano izy ireo. Nanameloka ny fanavakavaham-bolonkoditra i Ayoub tao amin'ny lahatsorany iray tao anaty bilaogy Hummus for Thought nilaza hoe:

Vehivavy Libanona telo tena tsara bika no nieritreritra fa akanjo mety tsara ho an'ny Halloween io. Inona tokoa moa ny olana? Nahoana no tsy hiakanjo tahaka ireo mainty hoditra mpiasa antrano ? Tsy hoe tsy ho azo atao fialam-boly akory ny fiankajoana tahaka ireo andevon'ny Libanona. ‘Heik heik’ [Na izany na tsy izany] efa latsaka ambanin'ny olombelona izy ireo, nahoana no tsy mba hihomehy farafaha-ratsiny?

Miezaka manamarina izao fitondran-tena izao ilay mpanao bilaogy:

Miezaka manakatra ny mety ho nandalo tao an-tsainy fotsiny aho, saingy ohatran'ny tsy nahita azo ekena mihitsy.

[…]Manambany, mahamenatra sady mahonena. Ny vaovao tsara dia tsy ireo Filipiana no kendrena mivantana eto. Saingy mino aho fa nanana manjamaso mainty ry zareo ka tsy maintsy nampiasaina izany, ka ireo Etiopiana sy Sri Lanke no tratra. Tsy fantatro hoe teratany inona no nokendrena teto, fa na izany aza dia mampiasa ny “Sirlankyyeh” (ara-baki-teny: vehivavy Sri Lanke) ireto mpanavakava-bolonkoditra ireto ho an'ireo mpiasa vehivavy mpifindra monina rehetra – Tsia, tsy mananihany aho.

Mba ho fitandremana dia manampy Ayoub:

Ankehitriny, fantatro fa tsy maintsy misy olona iray amin'ireo mpamaky fara-faharatsiny mahafantatra ireo vehivavy telo ireo. Tsy tiako ho fantatra ny anaran'izy ireo. Tsy raharahiako mihintsy. Ampahafantaro azy fotsiny fa efa miparitaka izao ny endriny. 

Tao amina tsikera tao amin'ilay lahatsoratra, nanoratra i Nathalie Derderian hoe:

Henatra izany! Tsy ampy fotsiny ny hoe miasa tsy ankijanona ireo olona ireo nefa mikarama vary masaka, tsy ampy ny hoe mavitry ny fianakaviany izy. Saingy izao kosa mahonena!! mahamenatra! !! hoe tsy mba miantra azy mihitsy tovovavy telo ireo! Mba olombelona koa anie ry zareo e!  

Manampy koa i Tamam Tawk:

Tsara ho fantatrao fa ny fampiasàna manjamaso mainty na ny fanaovana tarehy maintsy dia tafiditra anatin'ny fanavakavaham-bolonkoditra. Izany dia efa nanomboka tamin'ny fotoana nanaovan'ireo fotsy hoditra tarehy mainty ka nanao esoeso… tena manavakavaka sady manafintohina. Ity kosa dia fanavakavahana avo roa heny. Maharikoriko ahy ireo olona ireo.

Ary mamarana i Bassem Deaibess hoe:

FANAVAKAVAHANA izany raha toa ka heverinao AMIN'NY ANKAPOBENY fa matetika ny mpiasa antrano dia Mainty hoditra.

Fa manana hevitra hafa kosa i nicocohayek. Manazava izy fa:

Tsy hitako loatra hoe aiza no tena olana, sady tsy manohana velively ny fanavakavaham-bolonkoditra velively aho indrindra aty amin'ny firenentsika, saingy tsy misy idiran'izany kosa izao zavatra nataon-dry zareo izao! Ahoana raha toa ka misy olona miakanjo tahaka an'i Michael Jordan na Barack Obama? Mbola ho izany ihany ve ny eritreritrao? Velona tahaka ahy sy ianao ihany izy ireo; saingy ny iray dia hita miharihary be loatra any Libanona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.