SARIPIKA: Avy Any Amin'ny “Outer Space” Mankany Amin'ny “Cyberspace”, Tako-masoandro Amin'ny Ampahany Ho an’ Nizeria.

Nahita maso ny tako-masoandro tamin'ny ampahany ireo Nizeriana tamin'ny Alahady 3 Novambra. Araka ny voalazan'i Ikenna Okonkwo – siantifika iray manam-pahaizana amin'ny zeolozia, bilaogera sady mpampianatra amin'ny oniversite. 

Raha ny marina dia tako-masoandro fantatra amin'ny hoe “mandray roa” ilay izy. Mitranga ny tako-masoandro mandray roa rehefa hita amin'ny endriny Feno sy Tsy Feno izy. Mitranga ny tako-masoandro feno rehefa manankona tanteraka ny Masoandro ny aloky ny Volana, mahatonga ny sisin'ny masoandro ho hita taratra. Milahatra mifanitsy tsara ny Masoandro sy ny Volana amin'ny tako-masoandro tsy feno, saingy hita ho kelikely kokoa ny endriky ny Volana mitaha amin'ny an'ny masoandro. Noho izany, miseho ho toy ny peratra manjelanjelatra ny Masoandro, na zavatra boribory, izay manodidina ny kibolabola maintin'ny Volana. Mazàna, ny làlan'ny fahafenoana izay hitrangan'ny tako-masoandro feno dia tena làlana tery izay maharitra 2 minitra any ho any ny fitambarany manontolo. Any amin'ny toerana midadasika kokoa, mahita tako-masoandro tsy feno ireo mpijery.

Mazava ho azy fa nahatonga ireo Nizeriana haneho hevitra tao amin'ny aterineto io tranga io. Maro ireo faly satria vavolombelona nahita maso ny tako-masoandro iray hafa tao anatin'ny fito taona izy ireo, tahaka izay hita ao anatin'ity bitsik'i Owolabi Caleb (@owocaleb) ity:  

Yea, #eclipse tako-masoandro tany Lagos Nigeria Oaooo, faharoa izay, 1 tamin'ny 2006 ary 2013, antsasa-bolana manjelatra pic.twitter.com/v0s4YCcTWh

— owolabi caleb (@owocaleb) 3 Novambra 2013

Elijah Balogun (@EarlEternal), olona iray liana amin'ny media, nanokana ny bitska faha 1.000 avy aminy mba hahatsiarovana ilay trangan-javatra:

Ataoko ho fahtsiarovana ny tranga tsy manan-tsahala iray ny bitsiko faha 1.000. #eclipse tako-masoandro tsy feno tany Nigeria sy ny manodidina.

  — ELIJAH balogun (@EarlEternal) 3 Novambra 2013

Nizara ireo sarin'ilay tako-masoandro hita avy tany an-tranon'izy ireo ny maro tamin'ny mpampiasa ny Twitter. Ikenna (@Failedrift), ohatra, nizara ity sary ity tao amin'ny Tweeter-ny: 

mahery vaika ny famirapiratana na dia hita avy ao anatin'ny tavy fakàna rano aza… pic.twitter.com/PLHl0hKiEN

 — Ikenna (@FailedRift) 3 Novambra 2013

Victor Olurnfemi (@mavol), mpanome endrika dizitaly, nanao ihany koa:  

#Eclipse tako-masoandro araka ny voalaza fa nahitàna azy avy any amin'ny toerana maro tao #Nigeria Warri: pic.twitter.com/SGL3O4nPu Lagos:… http://t.co/6nn3yMY9dV

— Victor Olorunfemi (@mavol) 3 Novambra 2013

Nananihany ireo bitsika sasany. Nanamarika ny Nizeriana iray, mpanoratra, Ayodele Olofintuade (@aeolofintuade) hoe: 

Ho voninahitra ho an'ity fetibe vaovaontsika ity izay antsoina hoe tako-masoandro, hanatanteraka fetin'ny tako-masoandro aho, iray hatao any amin'ny fihodinan-dàlana, mokola,Ibadan [renivohitry ny firenena Oyo an'i Nizeria]. Tongava, tongava daholo.

 — ayodele olofintuade (@aeolofintuade) 3 Novambra 2013

Nokwai (@chuksikeji), mpandraharaha iray, nanoratra hoe:  

Raha sitrakareo, tongava daholo izay nahita ilay #SolarEklipsa hisoratra anarana maimaim-poana eto. Hisy fikarakarana fanomezana sertifikà ho fanamarihana izany.

— Nokwai (@chuksikeji) 3 Novambra 2013

Lee_alifa, mpianatra iray (@dlordna), nieritreritra fa: 

Any amin'ny toerana iray tao Nizeria, olona iray mpivarotra raokandro no nidehaka hoe dia mirehareha niteny hoe “Tezitra ireo andriamanitra”..ary ny te hino azy ny sasany..oga na #Eklipsa oo [….. ary te hino azy ho ireo tsy misy saina sasany… , mpampianatra, eklipsa io!].

— lee_alifa (@dlordna) 3 Novambra 2013

Ity no nobitsihan'i Timmy (@lil_timmzy):   

Any amin'ny toerana iray tao #Nizeria, misy tovovavy iray misaraka amin'ny sipany satria tsy nanome azy fanomezana ho an'ny #Eklipsa

— Timmy (@lil_timmzy) 3 Novambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.