Asaina Mandrakitra Ho Lahatsary Ny ‘Fiainany Anaty Andro Iray’ Ny Italiana

Manasa ny Italiana (sy ireo olona rehetra monina ao Italia) ilay Italiana tale mpanatontosa sarimihetsika fanta-daza, Gabriele Salvatores mba hamokatra lahatsary fohy mikasika ny fiainan'izy ireo andavanandro izay hatambatra sy hasongadina miaraka anatinà lahatsary lavabe homena lohateny hoe “Italia ao anatin'ny Andro Iray” [it] havoaka amin'ny faran'ny taona 2014. Ireo lahatsary dia azo atolotra hatramin'ny 17 Novambra.

Salvatores dia nanaraka ny ohatra nomen'ilay tetikasa tsy misy hafa amin'io, nahitàm-pahombiazana tamin'ny 2010 nantsoina hoe “Fiainana anaty Andro Iray” novokarin'i Ridley Scott teo ambany fitarihan'i Kevin Macdonald.

Ity ny lahatsary fanolorana ofisialy ho an'ny “Italia ao anatin'ny Andro Iray” :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.