Ejipta: Sehon'i Bassem Youssef Voaràra Taorian'ny Fanenjehana Araka ny Lalàna

Herinandro monja taorian'ny nandefasana ny fizarana voalohany amin'ny vanim-potoana fahatelon'ilay fandaharany malaza “Al Bernameg” [Ny Fandaharan'asa], nesorina tsy nalefa intsony ny fandaharan'ily Ejiptiana mpanao sariitatra, Bassem Youssef. Minitra vitsy talohan'ny tokony handefasana ny fizarana faharoa omaly halina no noraisina ny fanapahan-kevitra, niteraka hatezerana teny anivon'ireo mpisera amin'ny aterineto.

Nofoanana ny fandefasana ny fandaharan'i Bassem androany alina noho ny hatezeran'ny olona tamin'ilay teo aloha sy noho izy io tsy manaja ny soatoavina tari-dàlan'ny CBC #Egypt

Noraisina tamin'ny tsy finoana, esoeso ary fanakianana henjana momba ilay heverina ho sivana avy amin'ny tafika io vaovao io, ary notsarain'ny sasany ho fanivànan-tena.

Rehefa mitranga ny sivana, dia tonga amin'ny fikarohanan fitaovana handinganana azy ny olona. Mizara vahaolana iray ilay Ejiptiana bilaogera, Alaa Abd El Fattah [ar]:

“Bassem, tiako mba ho hita amin'ny Youtube ilay fizaràna”

Raha ny marina, nitombo laza i Youssef taorian'ny nanombohany ny fandaharany tao anaty aterineto, ary nandefasana ireo fizarana samihafa tao amin'ny YouTube.

Abd El Fattah manampy hoe :

“Nanamboatra manokana ny fandraisana zanabolana tato amiko mihitsy aho, ho amin'io [seho io] fotsiny”

Mostafa Hussein , bilaogera, manamarika hoe :

“Bassem no antony nahazakanay ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina”

Napetraka tao Ejipta ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina hatramin'ny nanonganan'ny Firahalahiana Silamo ny filoha Mohammed Morsi tany ampiandohan'ny Jolay.

Tezitra mafy i Sarah Carr :

Tsy fantatr'ilay tavan-tsoavaly ireo angaha fa misy ny Youtube?

Ary nanomboka ihany koa ny fanentanana iray ao amin'ny Twitter mamely ny CBC, ilay fantsona nampiantrano an'ilay seho, resahana be eo ambanin'ny hoe #Delete_cbc.
Ny mivandravandra iantefàn'ny ahiahy ho ao ambadiky ny fanafoanana ilay fandaharana dia ny tafika, ary ny lohany, ny Jeneraly Abdelfattah Al Sissi, izay naniry ny handraràna ilay seho noho ireo fanehoan-kevitra mivaivay tamin'ny herinandro lasa mikasika ny fitondràna sy ny “mpomba azy”.

Hala Gamal mibitsika hoe :

Araka izany, mihantsy ny Amerikana ianareo sady matahotra ihany an'i Bassem? Tena mivadik'ondana!

Ny hafa indray mampifandray ilay fantsom-pahitalavitra amin'ny AL Sissi:

“Efa ela be no nitenenanay an'io: CCBC io” – tsilalaonteny amin'ny  CC sy Al Sissi”

Namoaka fanambaràna iray ny ao amin'ny fitantanana ilay fantsom-pahitalavitra mikasika ny antony nampiatoan-dry zareo ilay fandaharana. Nilaza ny CBC fa taitra ny tao amin'ny fitantanana tamin'iny alina iny nahita votoaty “manitsakitsaka ny zavatra nifanarahana tany aloha.”

Nanomboka niely ny honohono mikasika ny mety hivoahan'ilay fizaràna faharoa, na tsia, ao amin'ny YouTube.

Kaonty sandoka iray “Al Bernameg” no nilaza fa mety ho hita atsy ho atsy ao io fizaràna io ary nangataka ny mba hizaràna betaka ilay bitsika.

Saingy mety hisy fiantraikany izany :

“Norahonan'ny CBC ho henjehana araka ny lalàna i Bassem Youssef raha toa ka misy fannitsakitsahana ny fifanarahana natao ho amin'ny fandefasana azy io ka hanapa-kevitra ny hampakatra ilay fizaràna ho ao amin'ny YouTube”

Niteny ireo olona nanatrika ilay seho tamin'ny Alarobia (tsy mivantana izy io) fa tsy nisy famelezana nikendrena ny tafika na ny Al Sissi tao anatiny. Nitodika tany amin'ny CBC sy ny fitantanany ilay olana nateraky ny fizaràna voalohany ny sangy ratsy.

Ireo olona nanatrika ny fandraketana an-tsary ny sehon'i #bassemyousef tamin'ny Alar. samy nilaza fa tsy nisy mihitsy fitanisàna ny Sisi na kely aza, hanihany momba ny fanambaràn'ny CBC & media hafa mikasika ny seho teo aloha no nataon'ilay fizaràna faharoa

1- Vao avy niresaka taminà namana nanatrika ny fandraketana an-tsary ny fizaràna farany nataon'i Bassem Youssef aho, nolazainy fa zara raha nisy ny fitenenana ny Sisi na ny governemanta, media&CBC kaondrana

Ny sasany nanipika fa averina lalavina hatrany hatrany ilay lalaon'ny andro fahiny.

Mba tsy hitanilàna, tsy nalefa ihany koa ny fizaràna faharoa tamin'ny Bassem Youssef fony fitondran'i Morsi

Ao amin'nyFacebook, Hannah Aboualghar manoratra hoe:

الأسبوع الجاى تلاقوا باسم طالع عادى بعد ما ستعمل فيلم ان السيسى تدخل و منع وقف البرنامج،ما هو الفيلم ده شوفناه قبل كده مع ابراهيم عيسى ايام مبارك، عموما أليوتيوب موجود و القناوات اللى بتبث من الخارج موجوده و محدش حيعرف يسكت حد. تسلم الايادى اللى قفلت برنامج ساخر خوفا من قوة الكلمة

“Amin'ny herinandro ambony dia hahita an'i Bassem Youssef hiverina hiseho fahitalavitra indray isika, tahaka ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga aorian'ny ahitantsika hoe nirotsaka an-tsehatra nampiato ilay sivana ny Al Sissi. Sarimihetsika efa hitantsika tany aloha izany. Efa hitantsika izany tamin'i Ibrahim Issa nandritra ny fitondran'i Mubarak. Fa izao koa e, eo ny YouTube ho toy ny fantsom-pahitalavitra iraisampirenena ary tsy misy na iza na iza hahavita hampangiana antsika. Hotahiana anie ireo tànana izay nanakatona fandaharana iray fanaovana vazivazy satria natahoran-dry zareo ny teny!”

Nafampana ny adihevitra momba ny fahalalahan'ny media, sy ny hoe hatraiza no afaka hisy fiantraikany amin'ny fisiany efa marefo ao Ejipta izany.

Amin'ny fo tsy miolankolaka, raha nanafosafo kely an'i Haifa Wehbe i Basem tao amin'ilay fandaharany iny alina iny tsy ho tonga amin'izao firesahana be momba azy izao. Mila manaraka fampianarana anaty fotoana fohy mikasika ny fitantanana ny CBC.

Ny adina tena izy mikasika ny fahalalahana ao #Egypt amin'ny raharaha Bassem Youssef dia tsy ny fahafantarana hoe raha voaroaka tany amin'ny iray izy, fa ny hoe hisy hafa handray azy hiasa.

… ary raha ny marina, ireo fantsom-pahitalavitra hafa toy ny Al Nahar, dia naneho firaisankina tamin'ny CBC.

Toy  ny tsy taitra i Naguib Sawiris, Ejiptiana mpanapitr'isa sady mpampiasa an'i Bassem Youssef fahiny tao amin'ny ONTV :

“Inona no tena mavesa-danja kokoa? ny fitsarana an'i Morsi, fizaràna iray voarara tamin'ny sehon'i Bassem Youssef, sa ny fomba ho entintsika manorina indray an'i Ejipta? Ahoana no fomba hataontsika hamongorana ny fahantrana sy ho lasa matanjaka, mahavita tena ary firenena manana haja?

Raha tsy misy fanantenana andrasana amin'ireo media ao an-toerana, angamba mba hihetsika kosa ny avy amin'ny iraisampirenena .

“Raha toa ny fitondràna ao aminao tsy ampy hery handraisana vazivazy, dia tsy mbola manana fitondràna ianao raha ny marina”

Miandry izay ho ambaran'i Jon Stewart izao

Ny esoeso ao anatin'izany rehetra izany : ny fanivànana hadrohadro sy sangisangy ao anatinà firenena iray izay nanorina ny lazany teo ambonin'ny tendro mifilofilon'ny fahatsapany ny atao hoe hanihany. Doaa Al Adl, mpanao sariitatra, dia mizara ity sariitatra ity momba ilay fanivànana ny sehon'i Youssef :

Ban Laughter.. a cartoon by Egyptian Doaa Al Adl in solidarity with Youssef

Voaràra ny mihomehy.. sariitatra iray avy amin'ilay Ejiptiana, Doaa Al Adl, ho firaisana hina amin'i Youssef

Bassem Youssef “tsy nanampo” hoe ho atao sariitatra ihomehezana koa izy atsy ambadika atsy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.