Niteraka Alahelo, Fahatezerana Ary Tahotra Ny Fahafatesan'ilay Lehiben'ny Talibana Pakistaney

Namoy ny ainy noho ny drôna Amerikana (fiaramanidina kely mpandaroka baomba baikoan-davitra) tao Avaratr'i Waziristan i Hakimullah Mehsud, lehiben'ny Talibana Pakistaney, araka ny filazan'ny sampam-pitsikilovana pakistaney sy ireo komandy mpikatroka ao amin'ny (Faritra ara-poko eo ambanin'ny fitantanana federaly) Faritra Ara-Poko Federaly (FATA). Fantatra fa namoy ny ainy tamin'ity daroka drôna ity ihany koa ny saofera sy mpiambina an'i Mehsud.

Nitranga ny vono-olona andro mialoha ny fandefasan'ny governemanta pakistaney ireo ekipa hanatontosa dinika ho amin'ny filaminana miaraka amin'ny antokon'i  Mehsud, Tehrik-e-Taliban Pakistan (TTP) sy herinandro monja taorian'ny fihaonan'ny praiminisitra pakistaney Nawaz Sharif tamin'ny Filoha Amerikana Barack Obama tao amin'ny Trano Fotsy sy nilazany ny fanoherany ankitsirano ny daroka drôna.

Nisioka ny valintenin'i Imran Khan momba ny vaovao i Naz Bloch mpitondratenin'ny Pakistan Tehkrik-i-Insaf na PTI an'i Imran Khan, antoko politika nanohitra hatrany ny fifampiresahana miaraka amin'ny talibana sy nanao fanentanana manohitra ny daroka drôna Amerikana :

Nahoana no tsy avelan'i Etazonia hatomboka ny fametrahana filaminana? nosimbain'ny drôna ny fifampiresahana ary nampikatso ny fametrahana filaminana indray.

Nangataka tamin'ny governemanta ny lehiben'ny PTI, Imran Khan mba hanakatona avy hatrany ny famatsiana ny Otan izay manavatsava ny firenena ho any Afghanistan. Ny PTI no antokon'ny fitondrana ao amin'ny faritany Khyber Pakhtunkhwa, ao Pakistana, izay miray sisintany amin'ireo faritra ara-poko ary anisan'ny voakasika mafy tamin'ny herisetran'ny talibana tao Pakistana.

Zahid Hussain, mpanao gazety pakistaney sy mpanoratra ny (rambon'ny maingoka): Gaga tamin'ny fahitana ny fihetsik'i Imran Khan ireo mpikatroka islamista mitombo isa tsy an-kiato ao Pakistana:

Tsy mbola nahita an'i Imran Khan tezitra mafy sy diso fanantenana aho raha namono ireo olona tsy manan-tsiny ny TTP ary miresaka momba ny fahafatesan'i Hakimullah izy ankehitriny.

Hoy izy nanampy:

Saika nitomany i IK raha nitafa tamin'ireo mpanao gazety ary niresaka momba ny fahafatesan'i Mehsud. Mba hampatsiahivana azy fotsiny fa namono depiote PTI telo ny TTP.

Bilaogera sy lehiben'ny media sosialin'ny PTI, Dr. Awab Alvi nisioka hoe: 

Faly fa maty i #Mehsud androany ka hampitsahatra ny fampihorohoroana na fisongadinan'ireo mpitarika vaovao hameno ny banga ve izany - TSIA hiteraka mpitarika mpikatroka hatrany izany

Supporters of Jamat-ud-Dawa chant slogans during a protest demonstration against the U.S. drone attacks outside the Hyderabad Press Club. Hyderabad, Pakistan. Image by Rajput Yasir. Copyright Demotix (1/11/2013)

Mpanohana an'i Jamat-ud-Dawa miventso teny filamatra nandritra ny hetsi-panoherana ny daroka drôna Amerikana teo ivelan'ny Ivotoeran-gazety Hyderabad, Pakistana. Sary avy amin'i Rajput Yasir. Copyright Demotix (1/11/2013)

Zarlasht Faisal, (@ZarlashtFaisal), mpamoron-tsary sy mpanohana ny PTI, manontany ny hoavin'ny ady:

Koa aorian'ny fahafatesan'i Mehsud…mifarana ve ny ady ankehitriny? Mpandresy ve isika ankehitriny? Hitsahatra ve ny herisetra? Tsy hisy mpitarika TTP intsony ve?

Usama Khilji, mpikatroka Pakistaney matahotra valifaty avy amin'ny Talibana:

Tokony mivonona hiaro ny olom-pirenena amin'ny valifaty mety ho ataon'ny talibana noho ny fahafatesan'i Hakimullah ireo mpitandro ny filaminanana manerana an'i Pakistana

Beena Sarwar, bilaogera sady mpikatroka ny zon'olombelona nanontany momba ny andraikitry ny TTP.

Tsara ny mandray fitsipi-pitondratena milamina manohitra ny #drones raha sivily tsy manan-tsiny no lasibatr'izy ireo – iza no lasibatry ny #Fasadis TTP [anarsista]

Mpisolovava Pakistaney malaza sady mpikatroka momba ny lalàna Athar Minallah nilaza hoe:

Nilaza am-pireharehana i Hekeemullah Mehsud fa namono Pakistaney tsy manan-tsiny. Tsy mbola namono Amerikana mihitsy. Nolazain'ny vahoaka ho Shaheed. Fihatsarambelatsihy

Nilaza i Omar Quraishi lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety amin'ny teny anglisy mpivoaka isan'andro, Express Tribune fa tsy sakana amin'ny fifampiresahana ho amin'ny filaminana ny drôna.

Fanamarihana ho an'ireo mpanindrahindra: tsy nanimba fifampiresahana ho amin'ny filaminanana mihitsy ny drôna, tsy mbola – zavamisy izany

Lehiben'ny Antokom-bahoaka ao Pakistan na PPP, Bilawal Bhutto Zardari nisioka hoe:

Raha misy ny Talibana tsara sy Talibana ratsy, afaka hilaza ve isika fa misy ny drôna tsara sy drôna ratsy? #Manontanyfotsiny

Misy ireo sioka sasany mampihomehy sy vazivazy amin'ny teny “ourdou” izay mivezivezy ao amin'ny Twitter momba ny famonoana an'i Hakimullah Mehsud:

Afaka tsy nitondra burqa i Hakilmullah Mehsud, tsy hilalao ludo [lalao pakistaney] intsony izy miaraka amin'i Hoors [virijiny]. Lal Masjid wali tante Aziz

Hakimullah with Hoors in heaven

Hakimullah miaraka amin'ny Hoors any an-danitra

condolence étiquettes

Mari-tsoratra fampiononana

Obituary and condolence etiquette: This is a request to those coming for condolence,  the wives of Hakimullah Mehsud – Madam Imrana Khanum and Munawar Begum – are in Iddah [mourning in solitude]. That is why, condolences will be received by his other women, Eliya and Ansaran from Murree [city]. Because these two were not his wives, they were just his sleeping partners.

Mari-tsoratra misy ny anaran'ny maty sy fampiononana: Fangatahana ho an'ireo izay tonga mitady fampiononana izy ity, ao anatin'ny Iddah [fisaonana irery] ireo vadin'i Hakimullah Mehsud – Madama Imrana Khanum sy Munawar Begum. Izany indrindra no anton'ny fampiononana izay horaisin'ireo vehivaviny hafa , Eliya sy Ansaran avy any an-tanànan'i Murree. Satria tsy vadiny ireo vehivavy roa ireo, vehivavy mpiara-matory aminy fotsiny ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.