Arabia Saodita: Nosamborina Ilay Mpanoratra Nanohana Ireo Vehivavy Mpitondra Fiara

Tariq Al Mubarak - a Saudi writer in jail for supporting women in his country to drive. Photo credit: Eman Al Najfan @Saudiwoman

Tariq Al Mubarak – mpanoratra Saodiana any am-ponja satria nanohana ireo vehivavy mpitondra fiara tao amin'ny fireneny. Sary: Eman Al Najfan @Saudiwoman

Nosamborina ilay mpanao gazety Saodiana sady mpampianatra ambaratonga faharoa, Tariq Al Mubarak – satria nanohana ny hetsika ho famelàna ireo vehivavy hitondra fiara ao amin'ny fitondram-panjaka.

Nanoratra ireo mpikatroka tamin'ny 26 oktobra mba hanohitra ny fandraràna familiana fiara ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandrisihana azy ireo hitondra fiara. 

Araka ny tatitra, napetraka manerana ny arabe ao amin'ny firenena ireo polisy mpanao fisavàna mba hanara-maso fa lehilahy avokoa ireo mpitondra fiara. Nandritra ny fotoana maharitra, nahazo tsiny tamin'ny fiarahamonina sy ny media sosialy ny fandraràna ny vehivavy hamily fiara ao Arabia Saodita. Taorian'ny 26 Oktobra sy ny fanagadrana ireo vehivavy mbola nanandrana nitondra fiara, niharihary kokoa ny fanapahan-kevitry ny governemanta amin'ny fandraràna. 

Niantso ny famotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra an'i Al Mubarak ny Reporters sans frontières, fantatra fa voatàna ao amin'ny Birao Fanaovana Famotorona Heloka Bevava i Mubarak nanomboka tamin'ny 27 Oktobra, noho ny lahatsorany izay mitsikera ny fandraràna ny vehivavy hitondra fiara ao amin'ny firenena.

Tao amin'ny Twitter, nahangona fanohanana ny teny ifankafantarana #أطلقوا_طارق_المبارك [ar], izay midika hoe “Avotsory i Tariq Al Mubarak”.

Bilaogera Saodiana Tamador Al Yami nangataka ireo mpamaky mba hanasonia fitakiana antserasera ho famotsorana azy:

Notànana ilay mpanao gazety sady mpampianatra satria nanohana ny #women2drive (vehivavy mitondra fiara)

Hoy izy nanampy [ar]:

Tsy nandika lalàna izy. Tsy nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny fitsaran'ny governora na nangataka tombotsoa manokana. Naneho ny heviny momba ny olana ara-tsosialy fotsiny izy. Mbola mety azo fantarina ve izay zava-nitranga?

Ebtisam nilaza hoe:

Avotsory i Tariq Al Mubarak satria nitaky ny zonay izy ary voasambotra noho izany. Anjarany indray ny manao fitakiana ho azy.

Dr Waleed AlMajed nanamarika hoe:

Avotsory i Tariq Al Mubarak izay nosamborina noho ny olana izay nolazain'ny governemanta fa ara-tsosialy fa tsy ara-politika.

Madeha Al Ajroush nanontany hoe:

Midika ve ny fitànana an'i Tariq fa tsy afaka hiroso kokoa amin'ny fomba fihevitra ny olona

Abo 3asam namehy hoe:

Tahaka ny havokavoka ny fonja ao amin'ity firenena ity: Manafonja ny Rivotra madio izy ireo ary mamoaka gazy karbonika mampidi-doza.

Araka ny tatitra momba ny Fahalalahan-gazety avy amin'ny RSF, laharana faha-163 amin'ireo firenena 179 i Arabia Saodita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.