Arzantina Sy Ny Teknolojia Vaovao Fanaraha-maso : Manara-maso Ny Fihetsikao Rehetra

SIBIOS avy amin'ny ADC ao amin'ny Vimeo.

Ny teknolojia dizitaly, miaraka amin'ireo vatsy avy aminà ekipan'olona, dia manome fahafahana ho an'ny fametrahana rafitra iraisam-pirenena mandroso izay manome toky ny maha-izy azy ny olona tsirairay ka tsy mety ovaina. Ankehitriny dia ianao no ianao.

Any Arzantina, tsy ela dia hanome alalana ireo mpitondra hamantatra ireo olom-pirenena avy amin'ny ADN, ny mombamomba ny masony, ary ny fomba fandehany, ny rakitry ny governemanta mihazona ireo sary sy ny lavotondron'ny olom-pireneny. Manazava ny SIBIOS, ilay Rafitra Federaly ho an'ny Famantarana Biometrika, ny lahatsary fanandràtana (etsy ambony) nataon'ny governemanta, ary aely amin'ireo LCD lehibe any amin'ireo toby fanaraha-maso sisintany voafantina. Vao haingana izay dia naverina navoaka niaraka amin'ny dikateny Anglisy izany.

Miainga avy amin'ireo antsipiriany teknika sy ireo filazana filôzofika mampiahiahy ka mankany amin'ireo filazana mivandravandra momba ny zavatra vitan'ny teknolojia ilay lahatsary. Miaraka amin'ireo firesahana ara-pahitana mampahatsiahy amin-tahotra ny taona 1984 an'i Michael Radford, raha ny tena izy dia topimaso iray goavana ho an'ny fahazarana ara-politika sy ny olana mikasika ny zon'olombelona io lahatsary io. Etsy andaniny, ny trangan'i Arzantina dia mampiseho ny fahafahan'ireo politika mandroso lavitry ny tsikera rehefa aseho ho fanavaozana ny teknolojia ampiharina amin'ny mahazatra izy ireo. Eny tokoa, mametraka ny rafitra nasionaly firaketana ID amin'ny sehatra vaovao fotsiny io rakitra vaovao io. Nefa etsy ankilany kosa, manazava ny tsy fisian'ny zo fototra hanana tsiambaratelo anatin'ny faritr'ity politika ity ilay lahatsary.

Mila miova izany.

Mety ho dingana voalohany amin'izany zotra izany ny famoahan'i Snowden fampahalalana an-tsokosoko. Namokatra hatezerana eo anivon'ireo mpitondra fanjakana ao Amerika Latina izy ireo, namerina ireo tolotra fanomezana fialokalofana, teny marary ao amin'ny Filankevi-Pilaminana ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny Fivoriambe ary mivoady ny hihetsika “mba hananganana ireo fepetra hisorohana ny fampiasàna ny tontolon'ny aterineto ho fitaovam-piadiana, amin'ny alalan'ny fitsikilovana, ny fanembatsembanana sy ireo fanafihana ny rafitra sy ny fotodrafitrasan'ny kaonty hafa.” Saingy mbola mampiahiahy fatratra ny fampiharana ny tsiambaratelo sy ny fanaraha-maso ao Amerika Latina.

Ankoatra ny rafitra fihazonana ny rakitra biometrika ao Arzantina, iharan'ny tsy fahampiana maharitra amin'ny fanaraha-maso ireo masoivoho mpanome fampahalalana ihany koa ilay firenena. Indraindray, misy miditra an-tsokosoko ireo kaontin'ny mpiasam-panjakana, mpanao politika ary mpanao gazety ka mipoaka ny fanafintohinana. Ireo fanararaotana ireo dia vokatry ny Lalàna Fanangonana Fampahalalana (Fitsikilovana) izay tsy mandeha tsotra izao ireo zotra fanaraha-mason'ny parlemantera.

Any Brezila, nandritra ny fihetsiketsehana iray volana vitsy lasa izay, nametraka ekipa voatokana hanara-maso ireo hetsika anatin'ireo tambajotra sosialy ny masoivohom-pitsikilovana, tafiditra anatin'izany ny rindrambaiko Whatsapp fampiasa amin'ny finday (tsy tena tambajotra sosialy).

Ary any Kôlombia, tsy hoe tratra nitsikilo ny fifandraisan'ireo mpanao gazety ihany ny Departamento Administrativo de Seguridad (DAS) fa koa nandrahona azy ireo. Namolavola taridàlana mihitsy aza izy ireo mikasika io hetsika io.

Ohatra vitsy monja amin'ireo karazana olana mety ho hitan'ny tsirairay ao Amerika Latina ireo, rehefa tsy miraharaha ny hatezerana nasehon'ireo mpitondra ara-politika anatin'ireo sehatra fiadian-kevitra eran-tany. Araka izany dia lehibe ireo fanamby eo amin'ny fananganana politika mafy orina momba ny zo mahakasika ny olan'ny tsiambarantelo. miatrika filàna maika hiady amin'ireo fampiharana politika tranainy lasa mampidi-doza isika. Ary mba hisian'izany, tsy maintsy miditra anatin'ny adihevitra politika ny fijerena matanjaka ny tsiambaratelo.

Kanefa maro ireo sedra misy eo anoloana. Voalohany, ny fanovàna ireo fomban-drazana ara-tsosialy dia mandrafy ny fahatakaran'ny rehetra ny fisarahan'ny mahakasika ny vahoaka sy ny tena manokana. Ankehitriny dia zaraina ao anatin'ireo tambajotra sosialy ny zavatra noraisina ho tsiambaratelo taloha. Ahoana no hiantefan'izany zava-misy izany eo amin'ny fomba fijery ny tsiambaratelo any amin'ireo olom-pirenena izay efa marefo dia marefo ny firotsahany anatin'ity zo fototra ity? Faharoa, ny tantara manohitra izany izay matetika natao hanakantsakana ireo tohankevitra mikasika ny tsiambaratelo dia mifandray amin'ny fiadiana amin'ny heloka bevava, izay –araka ireo fitsapan-kevi-bahoaka– dia iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo olom-pirenena ao Amerika Latina. Ahoana no ahafahantsika mamadika ny tsiambaratelo ho tohankevitra afaka mifanandrin-doha amin'ireo fahazarana sy politika izay –na dia toa tsy mahomby aza– dia hita ho dingana mivaingana amin'ny ady atao amin'ny fiakaran'ireo tahan'ny heloka bevava? Farany, raisina ho tombatombana fotsiny ihany ireo risika mifandray amin'ireo fahazarana sasany mampidi-doza be indrindra: satria tokoa, samy miaina anatinà rafitra demôkratika avokoa isika ary maro amin'ireo olom-pirenena no tsy nahatsapa ny tena fiantraikan'ireo politika manitsakitsaka ny tsiambaratelo.

Raha atao bango tokana, manana ny fahefana ambony ireo governemanta izay atolotry ny fahazarana sy ny tahotra. Amin'ny alalan'ny hafanàm-po mifototra amin'ny fikarohana feno fitandremana, izay afaka manala ny sarona misy eo amin'ny tena fahazaran'ireo fanjakana ihany no hahafahana manova izany. Raha mizotra mankany amin'izay tanjona izay isika, mila lasa ampahany mitombo anjara toerana eo amin'ny adihevitr ny vahoaka ny olan'ny tsiambaratelo. Ny fanaovana izany dia mitaky hevitra vaovao, tantara vaovao mba hiatrehantsika ny tohankevitry ny fitoniana/filaminana sy ny fanoloran-tena lehibe amin'ny hevitra fototra milaza fa ny fahalalahana dia mitaky ny mahatsiambaratelo tanteraka ireo resatsika.

Ramiro Álvarez Ugarte dia solombavambahoaka zokiolona ao amin'ny Asociación por los Derechos Civiles (Fikambanana ho an'Ireo Zon'olom-pirenena) any Buenos Aires, Arzantina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.