Ny Fandisoan'ny Guardian Ny Fironan'ny Japoney Amin'ny Firaisana Ara-nofo

女子会 at kasahara

Tsy irery i Japana amin'ny “Fahatahorana ny fanambadiana sy ny fifandraisana akaiky ao anatin'ny fiainana maoderina,” hoy ny “The Guardian”. “Tsy ahitam-pivoarana ihany koa ny teknolojia dizitaly. Nefa ny zavatra tsy vitan'ireo kaomity Japoney marobe takarina rehefa mitebiteby manoloana ny hakelin'ny fananan'ny tanora taranaka dia ny hoe, noho ny tsy fijerena ny lavitra avy amin'ny mpitondra, matetika dia mitombina tsara mihitsy ny fanapahan-kevitra hijanona ho tokan-tena.” (Sary: 女子会 any kasahara, avy amin'ny mpampiasa Flickr sakaki0214. CC BY-NC-ND 2.0)

Ny 20 Oktobra 2013, nipoitra tao amin'ny gazetin'i Angletera “The Guardian” ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Nahoana ny tanora any Japana no nijanona tsy hanao firaisana ara-nofo intsony?”  ary vetivety dia niparitaka, ka nozaraina maherin'ny 70.000 tao amin'ny Facebook. Tsy ela dia navondron'ny gazetiboky TIME, ny Washington Post ary ny Slate io lahatsoratra io, raha tsinjaraina dia mitondra ireo lohateny manaitra hoe Mampidi-doza ny Toekarena Iraisam-pirenena ny tsy fisian'ny Filàna Ara-nofo ao Japana, Ny tsy Fanaovana Firaisana no Fironana Vaovao Malaza indrindra ao Japana amin'ny Sehatry ny Ara-Nofo ary Nanadino ny Firaisana Ara-nofo ny Tanora ao Japana.

Natomboka tamin'ny fahatsiarovana mahatsikaiky mikasika an'i Ai Aoyama io lahatsoratra io, mpanjakazaka ara-nofo iray lasa mpanolotsaina ara-nofo, ary mamakivaky ilay trangan-javatra tsy fahita miparitaka eraky ny firenena antsoina hoe “aretin'ny mananotena” eny anivon'ny tanoran'i Japana. Saika miankina be amin'ireo voalazan'i Aoyama avokoa izany, izay mazava ho azy fa iray amin'ireo mpanome vaovao fototra an'ilay mpanoratra, miaraka amin'ireo tafatafa tamin'ny tanora Japoney lahy sy vavy sy ireo antontanisa voaangona avy amin'ireo fitsapan-kevi-bahoaka ary ireo fanadihadiana.

Manazava ireo fironana sasany somary mahamenatra ao Japana io lahatsoratra io, tahaka ny fitontonganan'ny taham-pahaterahana ao anatin'ny firenena, ary tsara ny nandraisan'ireo mpampiasa ilay sehatra fanisana ao anaty aterineto “2ch” izany, izay nanamafy fa izy ireo ihany koa dia tsy manao firaisana ara-nofo.

Saingy ireo hafa kosa, izay nanahy ny sehatra misy io fotokevitra io, ny fanaovana bango tokana sy ireo fehin-kevitra notsoahana avy ao, dia nihevitra fa nandiso ny endrika sy diso nitady hanaitra loatra ny fahasarotan'ny fiarahamonina Japoney io lahatsoratra io.

Dika avy aminà lahatsoratra nosoratan'ny mpanoratra Abigail Haworth ihany io lahatsoratry ny Guardian io, izay nivoaka tamin'ny dika anaty aterineto an'ilay gazetiboky firesahana lamaody “Marie Claire” ny Jolay 2013 teo ambany lohateny tsy dia manaitra kokoa : “Tsy Misy Firaisana Ara-nofo ao amin'ny Tanàna”. Talohan'ny nanononan'ny “The Stream” an'ny Al-Jazeera, toa tsy dia nahaliana olona firy izany lahatsoratra izany, izay “nozaraina” in-10 fotsiny tao amin'ny Facebook.

Tanatinà andianà bitsika navoaka ny 24 Oktobra, nanonona miaraka ireo lahatsoratry ny Marie Claire sy ny Guardian i Tomomi Yamaguchi, manam-pahazaina mpikaroka momba ny zanakolombelona sady mpanandratra ny vehivavy, ka nilaza fa nisy mpanao gazety nifandray taminy nandritra ny lohataona lasa teo ary nangataka tafatafa an-telefona. Niresaka nandritra ny 30 minitra izy ireo. “Tantara ho an'ny Marie Claire no nahazoako ilay izy,” hoy i Yamaguchi, izay nanazava fa nisy mpanadihady ny votoatin-kevitra havoaka ao anatin'io gazetiboky io nanome tohiny azy tamin'ny Jona, ary afaka namerina nandinika ireo teny havoaka anatin'io lahatsoratra io izy.

“Neveriko fa izay no izy,” hoy ihany i Yamaguchi. Ny 20 Oktobra anefa, nanomboka naharay mailaka avy amin'ireo mpikambana anatin'ny fanaovan-gazety izy momba ny lahatsoratra iray tao amin'ny Guardian. “Tamin'ny voalohany dia neveriko fa famerenana famoahana ilay lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Marie Claire izany. Nefa taorian'ny namakiako izany dia nahita aho fa tsy izay tena nolazaiko no voalaza tao anatin'ilay izy.”

Tanatin'ireo andro nanaraka ny famoahana azy tao anaty aterineto, nalain'ireo mpampiasa Twitter mipetraka ao Japana sy ireo Japoney io lahatsoratry ny Guardian io, izay nanontany tena mikasika ny fandraisan'ilay mpanoratra ny angona, ny fahatakarany ny fiarahamonina Japoney sy ny fahatakarany ny fenitra ara-kolontsainany.

Brian Ashcraft, mpamorona ilay bilaogy filalaovana sy fialàna voly Kotaku.com, dia nanoratra lahatsoratra mamahavaha ny sasany amin'ireo tsikera anatin'ilay lahatsoratra.

“Mahagaga ny sasany amin'ilay angona! Tena diso ny fandraisana ireo sasany,” hoy i Ashcraft. “Milaza [io lahatsoratra io] fa “ny fanadihadiana iray hafa dia nahitàna fa ampahatelon'ny olona latsaky ny 30 taona no mbola tsy niaraka taman'olona mihitsy.” Ka…ny roa ampahatelony izany dia efa nanao raha izany? Tamin'ny nijereko farany, samy hafa ny dikan'ny “fiarahana aman'olona” sy ny “fiarahana indray alina” na koa ny “fanaovana firaisana ara-nofo” tsotra izao. Ary araka io fanadihadiana io ihany, mpifankatia iray anatin'ny folo no mifanambady aorian'ny maha-bevohoka an-drazazavavy. Nefa angaha moa tsy hoe tsy manao firaisana ara-nofo ny tanora Japoney?” 

“@guardian #fail,” (Tsy nanjary ny @guardian) hoy ny bitsik'ilay “Amerikana, Japoney” @eidoinoue. Nanamarika izy fa fanadihadiana iray tanatin'io lahatsoratra io no nitatitra fa 90 % “mampitolagaga” amin'ireo vehivavy tanora Japoney no mino fa tsara kokoa ny “mijanona ho tokan-tena”, raha mitatitra kosa ny tena izy fa manodidina ny 90%-n'ireo vehivavy namaly no nilaza fa nikasa ny hanambady izy ireo. “Lazao fa manambony tena aho,” hoy izy taminà mpampiasa Twitter iray hafa, “fa mihevitra aho fa olona tokony mahatakatra ny teny Japoney sy mampiasa loharano tsy nadika no hitatitra momba an'i Japana.”

Nanohitra  ny fisian'ilay “ohapitenenana ntaolo Japoney” hita anatin'io lahatsoratra io i @eidoinoue, izay milaza fa (“Fasan'ny vehivavy ny Fanambadiana”), ary nitsikera ireo singa maro hafa hita anatin'io lahatsoratra io, isan'izany ny fianteheran'ilay mpanoratra mafy amin'ny fijoroana vavolombelon'ilay “mpanolotsaina ara-nofo” Ai Aoyama

Nahatsapa i @hunyoki fa nafangaron'ilay mpanoratra ireo olana : “mifandray ny ‘fanambadiana’, ny ‘firaisana ara-nofo’, sy ny ‘fitontonganan'ny taham-pahaterahana’, saingy olana tena samy hafa tsy maintsy vahana misaraka izy ireo.”

Namafisin'i Tomomi Yamaguchi izany fihetseham-po izany, izay nitoraka bitsika milaza fa toa “vahotra ny Guardian amin'izay olana tiany horakofana: ny tsy fahampian'ny firaisana ara-nofo, na ny fanambadiana, na ny fitontonganan'ny taham-pahaterahana.” Ny ahiahin'i Yamaguchi hafa dia ny fifantohan'ilay mpanoratra tamin'ireo faritry ny tanàn-dehibe, fa tsy vitany ny nanadihady “io olana io tany amin'ny faritra ambanivohitra izay ahitana fiantraikany goavana tokoa ny fihenan'ny isan'ny zaza.”

Nihevitra i @Ucaty fa mety nandray anjara tanatin'izany ny fanadihadiana mitanila hanontaniana mikasika ny metimety amin'ny fiarahamonina: “Mihevitra aho fa vitsy noho ny tena isan'ny zavatra halalininy na koa ny haavon'ny fitiavany firaisana ara-nofo no ambaran'ireo tanora Japoney. Tahaka ny fahazarantsika milaza amin'ny mpiara-mianatra amintsika mialoha ny fanombohan'ny fanadinana hoe, “Tena tsy nianatra na inona na inona mihitsy aho omaly alina”.”

“ô ry gazety Anglisy a, tsy afaka manoratra lahatsoratra mihitsy ve ianareo raha tsy misy ny teny hoe “firaisana ara-nofo” sy “rongony” e?” hoy ny bitsik'i @mogura, malama vava, izay sady miresaka ny lazan'ny fitiavan'ny media Anglisy miresaka momba ny firaisana ara-nofo sy ny fampiasany ny endrika ambany indrindra hisarihana ny maro (linkbait).

Ny mpikaroka ny teôria tsy dia mahazatra, Akiko Shimizu, kosa anefa, nihevitra fa mety ho fihetseham-po diso tafahoatra ny resabe momba io lahatsoratra io:  “…ity filaza ity—”Eny, manao firaisana ara-nofo izy ireo”—dia ilaina mba hahamarim-pototra ny rakitra. Nefa manomboka hita ho fiarovana mahitsy avy amin'ny firaisana ara-nofo mihitsy izany. Fa tena mila miaro tokoa aloha ve ny firaisana ara-nofo?”

Keiko Tanaka dia mpankafy ny media sosialy liana amin'ny firotsahana amin'ny dizitaly, ny onjam-peo ary ny kolontsainan'ny tanora. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.