Mitaintaina i Madagasikara Raha Miatrika ny Fifidianana

Tonga ihany ny andro fifidianana eto Madagasikara. Tamin'ity taona ity fotsiny, in-telo nahemotra ny datim-pifidianana, hatramin'ilay fanonganam-Panjakana tamin'ny 2009 nahatonga ny firenena hahilika eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Manana famintinana feno mikasika ireo tranga niseho nandritra ireo efa-taona farany izay nitarika izao toe-draharaha hisian'ny fifidianana tsy dia tonga lafatra izao ny BBC:     

Ny Komisiona Misahana ny Fifidiananam-Pirenena Tsy Miankina ho an'ny Tetezamita (CENI-T) – fikambanana iray tsy miankina misahana ny fifidianana vatsian'ny Firenena Mikambana – no hanatanteraka ireo fifidianana.Tsy misy daty matotra voatondro hilazana ireo valiny, saingy raha tsy misy mpifaninana mahazo vato maherin'ny 50% amin'ireo latsa-bato natao, hisy ny fihodinana faharoa izay hotanterahina ny 20 Desambra, miaraka amin'ireo fifidianana solombavambahoaka.

Milaza ny Cenit fa 7.697.382 no isan'ireo mpifidy voasoratra ary 20 115 no isan'ireo birao fandatsaham-bato manerana an'i Madagasikara, firenena iray mitovy habe amin'i Frantsa saingy ahitana mponina miparitaka be.

Nanomboka ny maraina teo, efa nilahatra be ireo mpifidy mba handeha handrotsa-bato sy hifidy izay ho Filoha, amin'ireo kandidà miisa 33, tranga mbola tsy fahita.

Anivon'ireo izay maika hifidy i Citoyenne Malgache.

Donc dès 6h30, j’étais présente sur les lieux de vote. Il y avait déjà du monde, et c’était calme. Des responsables m’ont gentiment orienté vers le bureau où je pouvais vérifier si mon nom figurait sur la liste. Des centaines de cartes y attendaient que leur propriétaire vienne les réclamer. Une responsable parcourt le listing des 4 bureaux de vote pour chercher mon nom.  Elle me demande si je veux faire le miala nenina et appelle un autre responsable qui reconsulte consciencieusement les 4 listes avant de me demander si j’avais reçu la carte bleue. Une dame au regard inquisiteur me pose la question : Avez-vous voté lors du referendum ? La réponse est non.

Bref, on me dit de venir m’inscrire au bureau du Fokontany dès lundi pour pouvoir voter au 2ème tour. Mais il n’est pas encore sûr que j’aurai encore envie de voter à ce moment là.

Allons-enfants de la patrie, le jour de vote est arrivé. Mais ce n’est pas encore aujourd’hui que j’aurai le droit de m’exprimer. Pour moi, aujourd’hui n’aura été qu’un bâillon de plus. Et aussi un pont de plus que je vais pour une fois apprécier.

Tamin'ny 6ora 30 mn maraina aho no efa tany amin'ny toeram-pifidianana. Efa feno olona teo, ary nangingina ny toe-draharaha. Nanoro ahy tamim-pahatsorana ny birao izay hahafahako manamarina ny anarako ireo tompon'andraikitra amin'izany. Kara-pifidianana anjatony no efa niandry ny tompony tao mba haka azy. Nanesy nijery ireo lisitra tamin'ireo biraom-pifidianana efatra hikaroka ny anarako ilay vehivavy tompon'andraikitra. Nanontany ahy izy raha te-hiala nenina farany aho ka niantso olon-kafa, izay namerina nikaroka ampahamatorana tsara indray ny anarako anatin'ireo lisitra efatra, mialohan'ny nanontaniany ahy raha naharay ilay karatra manga aho. Nisy Ramatoa iray nandinika ahy tamin'endrika feno fanontaniana ary nametraka izao fanontaniana manaraka izao tamiko: Efa nifidy ve ianao tamin'ny fitsapankevibahoaka? Tsia no valiny.

Fehiny, nilaza tamiko izy ireo fa afaka tonga sy misoratra anarana any amin'ny biraom-pokontany aho manomboka ny alatsinainy izao, amin'izay aho afaka mifidy amin'ny fihodinana faharoa. Nefa tsy haiko aho na te-hifidy na tsia amin'io fotoana io.

Andao ry zanaky ny firenena, tonga ity ny andro fifidianana! Saingy tsy mbola androany no fotoana ahazoako zo haneho ny hevitro. Amiko, fanentsenam-bava hafa ohatra ny mahazatra androany. Sady mbola tetezana iray fanampiny izay tokony hankafiziko indray.

Teny ankianja, nibitsika mikasika ireo tsy ara-dalàna ireo mpifidy.

Maika: Araka ny voalazan'ny kandidà Rajemison, teo amin'ny pejy facebook ofisialiny, nisy fizaram-bola tany Ambohibao hanentanana ny olona hifidy an'i Hery, kandidà #3

Sary? RT @Zahavato: Tany Mahanoro, nanohy ny fampielezan-keviny ny Kandidà #3 (Hery): nametaka ny sariny. Loharano: Ireo Mpandinika Mahitsy Fijery #mdg2013

— Emilie Filou (@EmilieFilou) 25 Oktobra 2013

Mibitsika mikasika ny sarina biletà tokana i Tahina:

Ny biletà tokana. Kely noho izay niheverako azy. #madagascar #mdg2013 http://t.co/UO4eosPXqa

— Tahina (@r1lita) 25 Oktobra 2013

Ao amin'ny HuffingtonPost, miahiahy noho izay mety ho vokatra i Jason Pack, mpikaroka iray mikasika ny Tantaran'i Afrika ao amin'ny Anjerimanontolon'i Kambrija sady Filohan'ny Libya-Analysis.com.

Natao hisafidy izay hitondra azy ireo hamakivaky ireo fotoana misavoritaka ny Malagasy. Koa satria lehibe kokoa noho ny sarintsarim-pifidianana ity safidy ity, tsy maintsy manao ny safidiny koa ny Vondrona Iraisam-pirenena. Hanapi-maso manoloana ireo fanodikondinana ny fifidianana sy “ireo tsy ara-dalàna” izay manjakazaka ve izy ireo raha midera tena anatin'ny tontolo diplomatika noho ny  famerenany an'i Madagasikara eo amin'ny zotran'ny demôkrasia? Sa handefa hafatra izy ireo fa ireo fitondrana izay tafiakatra eo amin'ny fitondrana tamin'ny fandikàna ireo lalànan'ny demôkrasia dia tsy hahazo ny fanampiana sy fankatoavana ara-diplomatika?

Indrisy, azo heverina fa mbola ho saron'ny sary itatra indray ny zava-misy marina eto Madagasikara.

Farany, tanatinà bitsika mahatsikaiky iray, manontany tena i Faly Kizitina hoe hatraiza ny hamafin'ny asa ataon'ireo mpanara-maso mikasika ny fifidianana avy amin'ny SADC (misy 300 ireo mpanara-maso avy amin'ny SADC miparitaka manerana an'i Madagasikara). 

Mpanara-mason'ny fifidianana iray avy amin'ny #SADC miasa mafy anatin'ny iray amin'ireo biraom-pifidianana lehibe indrindra #mdg2013 #LOL pic.twitter.com/5nzMUkQerN

— Faly Kizitina (@kizitina) 25 Oktobra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.