Mihira Ny Filoha Any Azia Afovoany Ary Misy Koa Ny Hira Manohitra Filoha

Tian'ireo filoha ao Afovoan'i Azia taorian'ny vanim-Potoana Sovietika ny ijerena azy ireo ho mpitarika lehibe sy mahery. Toa manambany ny mponina ao aminy amin'ny alalan'ny sarintava an-tapitrisany sy mampianatra azy ireo avy any amin'ny efijerin'ny fahitalavitra sy ny gazety. Ny sasany amin'izy ireo moa dia tafatoetra mandrakizay amin'ny alalan'ireny tsangambato sy sarivongana ireny. Nefa koa indraindray ireny “ray” sy “mpitarika” ny fireneny ireny te-hampahatsiahy amin'ny mponiny ihany koa ny lafiny maha-olombelona azy ireo. Mihira sy mandihy izy ireo.

Tajikistan

Tany Tajikistan, nalaza haingana dia haingana ny lahatsary ahitana ny filoham-pirenena Emomali Rahmon mandihy amin'ny mariazin'ny zananilahy tamin'ny Mey 2013. Raha misy ny mpiserasera sasantsasany nitsikera ny mpitarika azy ireo tamin'ny fahafaliany amin'ny mariazy, ny hafa nieritreritra fa mampiseho ny mahaizy azy ny lahatsary “tena olona, tahaka ny rehetra”.

Sombiny iray amin'ny lahatsary mampiady hevitra no mampiseho an'i Rahmon mihira miaraka amin'ny mpihira Tajik malaza iray. Mihira amin'ny teny Tajik izy ireo, mankalaza ny hatsaran'ny firenen-dry zareo, raha mandihy amin'ilay hira kosa ny manampahefana ambony maro:

Olona iray manoratra [tj] toy izao miresaka ilay lahatsary :

зур месарояд неки. хаккатан зур. агар президент намебуд, ситораи эстрада мешуд, дар туйхо баромад мекард.

Mahay mihira izy. Tena mahay. Raha tsy nanao filoha izy dia mety ho mpihira malaza sy mpihira amin'ny mariazy.

Kazakhstan

Tsy mihira fotsiny ny “mpitarika ny firenena” Kazakhstan Nursultan Nazarbayev, fa mitendry zava-maneno ihany koa.

Hita ho tia ny fomba fihiran'i Nazarbayev tokoa ireo mpiserasera naneho hevitra momba izany. Teo ambanin'ny lahatsary i Farida Salmenova no naneho hevitra [ru]:

Ya priyatno udıvlena!!! ne znala, 4to on tak klassno poyet!!!

Tena gaga aho!!! Tsy nahafantatra aho hoe mahay mihira tahaka izany izy!!!

Uzbekistan

Tsy mirona amin'ny fihirana imasom-bahoaka kosa i Islam Katimov, mpitarika an'i Uzbekistan teo aloha. Fa mandihy kosa:

Fa tsy nambabo fo ny mpiseraseran'ny firenena ilay fandihiny raha mitsikera mafy izany ny fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsary nivoaka. Nanoratra [ru], ohatra, i Kate Malayev :

Urod. Vsyu stranu iskalechil. Narod v nishete sidit a on plyashet.

Maharikoriko. Nataony nitakoko ny firenena manontolo. Ary mandihy ao anatin'ny fahantran'ny olona izy.

Rehefa tsy nihira imasom-bahoaka i Karimov, dia ny olona tsy mitovy hevitra amin'ny fitondrany ny firenena no mihira mamely azy. Misy hira amin'ny teny anglisy iray nivoaka tao amin'ny YouTube mandrisika ny “mpanjakan'ny mpanjakan'ny  tanin'ny vohavohan-dandihazo” hiala amin'ny asany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.