Hisorohana Ny Fahapoizinana Amin'ny Merkiora, Firenena 92 Nanasoania Ny Fifanarahana “Minamata”

50 taona mahery taty aorian'ireo mponina tao Minamata, nararin'ny valan'aretina vokatry ny fahapoizinana avy amin'ny merkiora tamin'ny alàlan'ny sakafo an-dranomasina taon-toerana nalotoan'ny rano feno pozina tafahoatra, firenena 92 no nanao sonia ny fifanarahan'ny Firenena Mikambana natao hisorohana ny tsy hitrangan'ny loza mahatsiravina toy izany indray.

Ny Fifanarahana “Minamata” momba ny Merkiora, fitaovana iray iraisam-pirenena mamepetra mikasika ny merkiora dia nolaniana tao Minamata, Japana, nandritra ny fivorana natao ny 7  ka hatramin'ny 11 Oktobra 2013 teo.

Nomena ny anaran'ny Tanànan'i Minamata io fifanarahana io, toerana izay nangirifirin'ny fahapoizinana avy amin'ny merkiora hatramin'ny 1950 ny mponina tao aminy. Manazava ny momba ny tantaran'ireo tratry ny aretin'i Minamata ao anatin'ny dika natao ho an'ny aterineton'ilay gazety “Environmental Health Perspectives” i Rebecca Kessler, mpanao gazety momba ny siansa sy ny tontolo iainana : 

Tamin'ny volana Jolay 1956, tany amin'ny tanàna iray fonenan'ny mpanjono akaikin'ny tanànan'i Minamata ao amin'ny Ranomasina Shiranui any Japana, no nahaterahan'ny zazavavy kely iray antsoina hoe Shinobu Sakamoto. Tsikaritr'ireo ray aman-dreniny mialoha fa nisy zavatra tsy nety. Nony 3 volana, raha afaka manatraka ny lohany ireo zaza salama, i Sakamoto kosa tsy afaka. Niadana ny fitombony ary tara vao nanomboka nandady. Nony 3 taona, niraraka ivy be izy ary mbola tsy nahay nandeha foana. Nalefan'ny ray aman-dreniny hipetraka any amin'ny toeram-pitsaboana iray tao an-toerana izy, tao no nanarahany fitsaboana manokana nandritra ny efatra taona mba hianarany mandeha, hampiasa ny tanany, ary hanatsarana ireo fihetsika fototra tena ilaina. Hatrany am-boalohany dia efa niara-nanaiky ny valin'ny fitiliana ireo dokotera maro momba ny tsy fahafahan'ny atidoha mihetsika.

Kanefa, nisy ny fambara nampiseho fa zavatra mbola goavana kokoa no mahazo an'i Sakamoto. Taona vitsy taorian'ny nahaterahany, nanomboka nipoitra teo amin'ny Vavaranon'i Minamata ny fatinà trondro sy hazandrano hafa. Niala tamin'ireo voron-dranomasina ny fahafahan'izy ireo hanidina. Nanomboka niha-maty ireo saka, ny ankabeazany noho ny fihinjikinjirana izay nantsoin'ny mponina hoe “aretina mampandihy”. Avy eo, roa volana talohan'ny nahaterahan'i Sakamoto, voalaza fa nisy valan'aretina tsy fantatra niteraka aretin-tsaina nitranga teo amin'ireo fianakaviana mpanjono. Ny zoky vavin'i Sakamoto, i Mayumi, sy ireo mpifanolo-bodirindrina maro amin'ny fianakaviana dia nahitàna ilay aretina hafahafa avokoa, izay voatondro ho avy amin'ireo hazan-dranomasina voaloto. Tamin'ny taona 1957, nomen'ireo siantifika anarana hoe “aretin'i Minamata” ilay aretina. 

Izay zazavavy izay, Shinobu Sakamoto ankehitriny no mpitarika ny Vondron'ireo Tratry ny Aretin'i Minamata. Ivelan'ny fivoriambe diplomatika ho an'ny Fifanarahana “Minamata”, dia nivondrona sy nifanakalo hevitra ihany koa ireo ONG maneran-tany sy ireo vondron'olo-tsotra ary nifampizara vaovao. Ny “International POPs Elimination Network” (IPEN) dia niara-nikarakara fihaonana an-tampony iray tamin'ireo Olon-tsotra Miady amin'ny Fandotoana ara-Tsimika (CACP) ny 8 Oktobra 2013 ary nanolotra ny Fanambaran'i Minamata momba ireo Metaly Manapoizina niaraka tamin'ny Shinobu.

International Minamata Symposium

Shinobu Sakamato mpitarika ny Vondron'ireo Tratry ny Aretin'i Minamata,  mitazona ny fanambaràna natolotry ny International POPs Elimination Network (IPEN) Sary nalain'i Minori OKUDA.  

Joe DiGangi mpanolotsaina ara-tekinika sy siantifika ao amin'ny IPEN dia nanambara

Mifandray manokana amin'i Minamata ilay Fifanarahana Merkiora satria mangataka manokana an'ireo governemanta maneran-tany izy io mba hianatra sy hampihatra ireo lesona azo avy amin'ny loza nahazo an'i Minamata mba hisorohana ny fahapoizinana avy amin'ny merkiora amin'ny ho avy. Indrisy, mbola tsy voavaha ilay loza mahatsiravina niaingàna. 

Miaraka amin'ny anarana Minamata dia misy andraikitra manokana iray – ary irika iray hihetsehana mba tsy ho loza ihany no hosoritan'ilay anarana hoe Minamata, fa mba ho lasa modely amin'ny famahàna ireo trangan-javatra ratsy maneran-tany noho ny fahapoizinana faobe avy amin'ny merkiora. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.