Nahemotra Ny Fotoam-pitsarana An'i Fujimori Noho Ny Toe-pahasalamany

Nahemotra tamin'ny 28 Oktobra ny fotoam-pitsarana farany an'i Alberto Fujimori, rehefa hita fa toa reradreraka, misavoritaka, ary mitondra fitaovana fanaraha-maso tosidrà ny filoha teo aloha.

Nampanantsoina hijoro vavolombelona i Fujimori tamin'ny 17 Oktobra, mikasika ilay raharaha fividianana lahatsoratra fanadihadiana antserasera an'ireo fampahalalam-baovao sasany izay nampiasainy tamin'ny fampielezan-kevitra nahavoafidy azy indray nandritra ny fe-potoam-piasana faharoa, ary nampiasàny ny volam-panjakana. Fantatra fa toa fitsarana mikasika ny gazety “chicha (mpanafintohina)” ny fotoam-pitsarana.

Mangataka 8 taona an-tranomaizina ho an'i Fujimori [izy ireo] noho ny fanodikodinana vola 122 tapitrisa dolara [vola peroviana: 44 tapitrisa dolara amerikana] tamin'ny fividianana gazety mpanafintohina.

Nitatitra [es] izay zava-nitranga tao amin'ny fitsarana i Jacqueline Fowks, mpanao gazety ao amin'ny El País [est] mandra-piatoany: “Nandritra ny fakàna ambavany naharitra teo amin'ny 40 minitra teo, nanambara ny fitsarana fa miandry ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany mikasika ny fanangona-tsonia hanesorana ireo mpitsara telo izay tokony hitsara an'i Fujimori, nohenoiny ireo fehin-kevitra avy amin'i Castillo [William Paco]  (mpisolovava an'i Fujimori) tao amin'ny Fitsarana Tampony hitsara an'i Fujimori ny fitsarana, ary nandray ny fangatahan'ny mpampanoa lalàna hampitomboana ny onitry ny fahavoazana.” 

Maro ireo mpisera Twitter no tsy resy lahatra [es] mikasika ny toe-pahasalamn'ny filoha teo aloha ary nanjary lasa memes kivazivazy [es] izany:

Tena marina?–saingy raha handoko, hanoratra, misioka an-tserasera, ao tsara? Ho an'ny mpisolovava an'i Fujiromi: “mety ho safotra ny filoha.”

Nanjary malaza manerantany i #Fujimori rehefa avy niatrika fitsarana tahaka izao.

Ny sasany kosa nisioka am-paneesoesoana ny amin'izay sokajiany ho “fampisehoana”:

Ny mpandresy dia i …..RT @juanlvillegas#Fujimori Tena mpilalao horonantsarimihetsika avo lenta, omeo tehaka azafady.

Tena marina! RT. Nahazo ny loka Oscar mpilalao horonantsarimihetsika mendrika indrindra i Fujimori.

Ny hafa indray nanontany raha anisan'ny tetikady vaovao avy amin'ny mpisolovavan’ i Fujimori William Paco Castillo izany. 

Sambany naka mpisolovava i Fujimori. Mifanaraka tsara amin'ny «olona arovany» sy ny toetrany mpametsifetsy. Tetikady tsotra vaovao – jereo, vao niarina aho.

Ny sasany kosa nanararaotra nampahatsiahy antsika ny tantaran'i Fujimori momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona:

Tantara momba an'i #Fujimorihttp://t.co/ermKuucloC

Na dia izany aza, nisy ireo naneho ny ahiahiny mikasika ny fahasalaman'ny filoha teo aloha. However, there were those who showed concern about the former president's health:

Mahereza -ary aza adinoina mandrakizay fa ANDRIAMANITRA TSY MANADINO IREO MPIANANY MENDRIKA SY NY CHINO [ lehilahy Shinoa, anarambositr'i Fujimori]. TAZONY NY FINOANA

Ianareo rehetra nahatonga izao andro ratsy izao ho an'i Fujimori dia ZANAKA MPAMOSAVY.

Ireo mpanohitra mankahala sy manadino ny fotoana nisian'ny fiara nisy baomba. Fuji no nampitsahatra ireny habibiana ireny. Tsy mba mahay mankasitraka!

Fotoam-pitsarana faha-enina an'i Fujimori ity, ary mety hiatrika sazy 8 hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina izy raha fantatra fa meloka.

Tamin'ireo fotoam-pitsarana dimy teo aloha, voampanga ho nanao kolikoly, fanodinkodinana sy fakàna volam-panjakana ary fanararaota-pahefana izy. Tamin'ny fotoam-pitsarana iray, nahazo sazy 25 taona an-tranomaizina noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.