“Avelao Ny Rosiana Ihany No Hamafa Ny Arabeny “: Mieritreritra Ny Momba Ny Herisetra Ara-Poko Ireo Vitsy An'Isa

Migrants detained at a raid on a Moscow market. Authorities have been cracking down in what some see as an appeal to Russian nationalism. YouTube screenshot.

Mpifindra monina voasambotry ny bemidina tao an-tsenan'i Mosko. Manampatra fahefana tamin'izay adikan'ny sasany ho antso ho amin'ny fitiavan-tanindrazana Rosiana ireo manam-pahefana. Dika sary avy amin'ny YouTube .

Fanakorontanana fiainam-bahoaka, korontana ary fandravàna trano fitehirizam-bokatra tao amin'ny distrikan'i Biryulyovo any Mosko, taorian'ny famonoana an'i Egor Shcherbakov, 25 taona, izay heverina ho teo an-tànan'ny teratany Azerbaijana iray, no nanery an'i Rosia hiatrika indray ny “olana momba ny zom-pireneny.”

 Ampiasan'ny tia tanindrazana ” mankasitraka ny fiovàna – progresista” toa an-dry Alexey Navalny [ru] sy Egor Holmogorov [ru], mpanohitra an'i Kremlin, ilay korontana ho vimiaina mba hitakiana ny fametrahana rafitra hentitra amin'ny fanomezàn-dàlana ho an'ireo firenena any Kaokazy Atsimo sy Azia Afovoany. Ireo mpitoraka bilaogy mpomba an'i Kremlin toa an-dry Stanislav Apetyan [ru], kosa etsy andanin'izany, dia milaza ireo herisetra ho raharaham-pivavahana sy tsy fahombiazan'ny mpitandro filaminana. Ny hany feo tsy re tamin'ny resaky ny daholobe dia ny an'ireo “olona tsy manana endrika slave” — voambolana malalaka hilazana ireo foko Rosiana vitsy an'isa an-tapitrisa, sady avy any amin'ny Firaisana Sovietika taloha no avy any amin'ny toerana mitoka-monina any Kaokazy Avaratra. Ireo vahoaka ireo angamba no tena mila betsaka ny resaka fandrosoana, ary miteny amin'ny alalan'ny aterineto ny sasany amin'izy ireo.

Ohatra, nanontany tena ny antony tsy ipoiran'ny olana ara-tsosialy tahàka izany avy amin'ireo mpifindra monina avy any Kaokazy sy Azia Afovoany nankany Okraina sy any amin'ny fanjakana Balta i lon43, Azerbaijana iray mpitoraka bilaogy monina any Baku. Ny antony dia niniana narehitra ilay savoritaka mba hiarovana ireo tombontsoa midadasika samihafa anatiny sy ivelany : famaritana indray ny dindon'ny tontolon'ny heloka ao Mosko  sy fanerena ireo mafy loha tamin'ireo fanjakana Sovietika taloha hiditra ao amin'ny Hetra iombonana miaraka amin'i Rosia.

Nitsikera tena kokoa ireo Azerbaijana sasany. I Tair aliev, mpandidy mpanova endrika , 53 taona, izay niala tany Baku ho any Mosko fony izy sivy taona dia nanoratra ny momba ny fahasahiranan'ireo sasany mpiray tanindrazana aminy hizatra ny fiainana any Rosia ary nanamafy fa efa an-taona maro no efa sarotra io toe-draharaha io raha tsy teo ny toetran'ny Rosiana mahay ” mandray, mandefitra sy tsy miraika” . Ao aminà lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “ Iza no manakana antsika tsy hiaina ara-dalàna ?” [ru], no anamarihan'i Tair Aliev ny fahitany an'i Baku tamin'ny fahazazàny ho tanàna manankarena kolontsaina sy olona samy hafa fihaviana nefa noravan'ireo Azerbaijana izay nifaneraserany tamin'ny fotoana naharava ny Firaisana Sovietika:

Они плохо воспитаны, плохо говорят по русски, многие неопрятны и имеют вид дикарей. Поэтому ещё тогда, в середине 90-х, я стал опасаться, что по национальному признаку буду ассоциироваться с ними

Ratsy taiza ireny, tsy miteny Rosiana tsara, maro amin'izy ireny no tsy mankaiza akory sady toy ny olon-dia. Izany no antony, na dia efa tamin'ny tapaky ny taona 90 aza, nanomboka natahorako ny fampifangaroana ahy amin-dry zareo noho ny tany fihaviako.

Tena atsimo sy avaratra raha ny fomba fijerin'i Aliev an'ireo Rosiana vitsy an'isa. Nomarihan'i  Nazim Kalcha, Khirgize monina ao Mosko ny fanesoana [ru] mandrakariva atao amin'ireo teratany avy ao Azia Afovoany matetika atao lasibatra ho setrin'ny famonoana Rosiana nataon'ny Kaokaziana Tatsimo sy Tavaratra. Nosoratan'i Kalcha ao amin'ny Fergana News, vavahadim-baovao an-tseraseran'i Azia Afovoany, fa taratry ny hoavy fotsiny ihany ny tsy fahaiza-miainan'ny Rosiana : 

Раздраженному, обманутому и обозленному народу нужен четкий и конкретный враг, с резкими контурами, чтобы выделялся, контрастировал с основной массой. Может, нос побольше, или глаза поуже, для верности еще, чтобы по-русски ни бельмеса, а если и бельмеса, то самую малость.

Mila fahavalo mivaingana sady voatondro mazava tsara, voafaritra mazava tsara, izay hita fa tena mifanohitra amin'ny sarambabem-bahoaka ny olona kizintina, voafetsy ary tezitra. Angamba mety ho lehibe kokoa ny orona, na kely kokoa ny maso, ary fanampin'izany dia olona tsy miteny Rosiana, ary na dia mahay aza dia kely fotsiny ihany.

Nanaovana adihevitra lava [ru] ireo korontana tany Biryulyovo, tao amin'ny faritra natokana ho an'ny fanehoankevitra tao  amin'ny tranonkalam-baovao mahaleotenan'ny Uzbek, UZNews.net, izay hanehoan'ny maro ny hatezerana momba ny zavatra atao amin'ireo mpifindra monina any Rosia.  Mpampiasa iray, i “hank,” nanoratra tamin'ny fandikana tsirairay ny soratra Rosiana, no nanakiana ny tsy fahombiazan'ny Firaisana Sovietika amin'ny fampiharana ny politikan'ny fahazahoana zom-pirenena, izay nanaovany fampitahàna manjavozavo tamin'i Etazonia :

Posmotrite na Ameriku – kakie tam nacionalnosti?? pravilno – vse amerikanci. tak oni reshali razom vse nacionalnie voprosi.Uchites! A v SSSR vsyu dorogu -70 let mi imeli russkiy nacionalniy imperializm.

Jereo i Etazonia- inona daholo ny zom-pirenena ananan'ireo ?? Marina izany- Amerikana daholo ry zareo. Tahaka izany ny namahan-dry zareo indray mandeha monja ny olana momba ny zom-pirenena. Ianaro izany ! Fa any URSS nandritra izay 70 taona izay dia niharan'ny imperialisman'ny foko Rosiana isika. 

 Olona hafa indray, izay mitondra ny anarana hoe  “Non-Russian” (Tsy Rosiana), no namadika tamim-panesona ilay volavolan-drafitra fanomezana fahazoan-dàlana : 

Был бы я главой Средней Азии, с Россией отменил бы без визовый режим. Раз народ без работы, пусть лучше едут в ту же Турцию или Корею (там сотни тысяч узбеков трудятся мирно и спокойно, на порядок лучше России и никто никого не гонит не то что бы убивать). Пусть Россияне сами свои улицы подметают, посмотрим смогут ли ваши алкоголики нормально работать.

Raha izaho no tompon'andraikitra any Azia Afovoany dia foanako ny fahazoan-dàlana malalaka iarahana amin'i Rosia. Tsara kokoa ny fari-piainan'ny tsy an'asa any Korea sy any Tiorkia ( misy Ozbeks an'hetsiny miasa am-pilaminana, sy miaina tsara lavitra noho ny any Rosia, ary tsy misy manenjika na mamono azy ireo) Avelao ny Rosiana ihany no hamafa ny arabeny, avelao ho hita eo raha afaka hiasa tsara ireo mpimamonareo.

"Let them sweep their own streets", despite populist nationalism, Russia is heavily dependent on migrant labor.

“Avelao ny rosiana ihany no hamafa ny arabeny ” – na dia eo aza ny fitiavan-tanindrazana, dia miankin-doha hatrany amin'ireo mpifindra monina i Rosia. Sary CC2.0 Cea

Raha tsy horesahana ny fihetseham-po tahaka izany, miankina tanteraka amin'i Rosia i Azia afovoany sy i Kaokazy amin'ny resaka asa sy ny fandefasam-bola. Saika ny antsasaky ny PIB-n'ny Tajikistana no miantehitra amin'ny fandefasam-bola avy any Rosia. Mifanindran-dàlana amin'izany koa, miankina amin'ireo mpiasa mpifindra monina ny toekarena Rosiana. Raha toa ka mbola mifamatotra ny toe-karena sy ny tantara eo amin'ny Rosiana, ny Uzbeks, ny Tajiks, ny Dagestanis ary ny Azerbaijana, ny tsy fanaovan'ny governemanta hetsika manoloana ny fitomboan'ny fitiavan-tanindrazana nasionalista dia midika fa mbola hitohy hiha-rava hatrany ny fifandraisan'ireo foko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.