Nofoanana Ny Fitsidihana Ireo Gadra Saodiana, Nosamborina Ireo Fianakaviana

On October 16th sit-in via yasser939393

Sit-in tamin'ny 16 Oktobra, yasser939393

Nandritra ny fetin'ny Eid al-Adha [15 Oktobra], nomena alalana hotsidihan'ireo fianakaviany ireo gadra Saodiana sasany. Maro ireo fitsidihana nofoanana tamin'ny fety tamin'ity taona ity, ka niteraka fahatezerana marobe teo amin'ireo fianakavian'ny gadra.

Iray amin'ireo olana mafampàna indrindra mikasika ny zon'Olombelona ny olana momba ny fanagadrana tsy amin'ny antony ao amin'ny fitondram-panjaka. Nanambara ny loharanom-baovao  tsy miankina momba ny zon'olombelona fa olona 30.000 no nogadraina tsy amin'ny antony [ar], ka maro tamin'izany ireo nosamborina taorian'ny “ady amin'ny fampihorohoroana” faobe tamin'ny 9/11. Nosamborina tsy nisy taratasy (didy fampisamborana) ireo gadra ireo ary tsy nahazo naka mpisolovava sy tsy niakatra fitsarana.

Iray amin'ireo fianakaviana, Yasser al-Ayaf, nisioka momba ny olona nihaona taminy:

Andro Eid tokony hitsidihako ny raiko androany. Nilaza i al-Jouir [Talen'ny fonja] fa niova ny raiko Abdullah ka niverina tsy afaka nitsidika izahay …

Tamin'ny volana Aogositra, nahazo didy famotsorona avy amin'ny mpitsara ny rain'i Yasser, izay nigadra nandritra ny fito taona ary tsy mbola nandalo fitsarana, saingy tsy notanterahin”ny minisiteran'ny Atitany izany didy famotsorana izany:

Misaotra Andriamanitra. Nivoaka minitra vitsy lasa ny didy famotsorana ny raiko.

Maha al-Dhuhayan, vadin'i Abdullah al-Ayaf nisioka hoe:

Lasa ny Eid kanefa tsy mba nahazo antso avy amin'ny vadiko aho. Tokony hitsidika azy izahay androany, kanefa rehefa niandry efa ela be izahay, dia nolazaina avy eo fa tsy mahazo mitsidika!

Raha tsy navela hitsidika ireo fianakaviana, nanapa-kevitra hanao sit-in fohy izy ireo ny andro faharoan'ny Eid, ny 16 Oktobra. Nohodidinin'ny mpitandro ny filaminana izy ireo ary tsy nahazo valin-teny: 

Efa adiny enina izay, mbola tsy misy olona mamaly ny fitakiana! Nahoana ianareo no nilaza taminay fa mahazo mitsidika izahay?

Amin'iray amin'ireo horonantsary nampiakarina avy ao amin'ny sit-in, ankizy iray miventso [ar] hoe: “Maniry ny hamotsorana ny gadra ny vahoaka!”

Tamin'ny 7 ora hariva, ora ao an-toerana, nanapa-kevitra ny hody izy ireo:

Nody avokoa ireo mpandray anjara tamin'ny sit-in tao al-Terfeya [fonja]. Nisy tamin'izy ireo no nijanona tao nandritra ny adiny 8 mba hihaona amin'ireo havany, saingy ny hamafin'ny fon'ireo polisy no hany mba hitan'izy ireo.

Ny ampitso, 17 Oktobra, tapa-kevitra hiverina hangataka fitsidihana hafa izy ireo. Nolazaina izy ireo mba handeha any amin'ny Biraon'ny Governora. Maha al-Dhuhayan nisioka hoe:

Efa roa andro misesy izao no nanaovanay sit-in mba hitaky antso an-tarobia na fitsidihana, saingy tsy nahitam-bokany. Amin'izao fotoana izao, handeha hamonjy ny biraon'ny governora izahay. Hamonjy anay anie Andriamanitra .

Reema al-Jourish, izay manana vady nogadraina tsy amin'ny antony ihany koa, nisioka hoe:

 Nosamborina avokoa ireo tovolahy rehetra ary nanjavona ireo vehivavy. Tsy fantatray izay misy ireo vehivavy. Niezaka niantso azy ireo ny fianakaviany saingy tsy nahitam-bokany.

Nilaza ny vaovao fa ankizy 15 no nosamborina:

Mbola notanana ireo ankizy dimy ambinifolo (avy ao al-Harbi, al-Ayaf sy fianakavian'i al-Duhayan) raha teny an-dalana hitsidika ny rain'izy ireo ao amin'ny fonjan'i al-Terfeya.

Nisy ihany koa ireo gadra sasany tsy nahazo fitsidihana Eid hatrany am-boalohany, tahaka ilay mpikatroka ny zon'olombelona Houd al-Aqel, izay nosamborina tamin'ny volana Martsa:

  Nolavin”ny tompon'andraikitra mitantana ny fonjan'i al-Hayer taminay ny fitsidihana an'i Houd na dia teo aza ireo antsonay sy fitakianay tsy an-kiato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.