Mitady Eid Ao Anaty Ady Eritreritra Momba Ny Seha-Javakanton'i Eid ao Syria

Mizara ny fomba fijeriny momba ny Eid Al Adha, mandà ny hankalaza fety raha mbola maro ny iharam-boina sy mitsoa-ponenana noho ny korontana mitohy any aminy ireo manan-talenta sy feo isan-karazany ao  Syria.

Etsy ankilany ny fikarohan'ny mpahay mozika Wael Alkak amin'ny hira nentin-drazana Syriana ao amin'ny raki-kirany farany, nampitondrainy ny lohateny hoe “Hiran'ny Eid,” izay naka aingam-panahy tamin'ny sangan'asan'i Tammam Azzam mitondra ny lohateny hoe “Bon Voyage”.

Manana tononkira miverimberina mivoatra tsikelikely eny am-pandehanana ilay hira. Tahatahaka izao ny dikanteniny:

No one can withstand anyone,
because everyone is sad.
No one can withstand anyone,
because everyone has lost (x2).

No one is left to withstand anyone,
considering everyone has lost.
No one is left to withstand anyone,
considering everyone has runaway.

Tsy misy olona mahazaka na iza na iza,
fa ory avokoa ny rehetra.
Tsy misy olona mahazaka na iza na iza,
fa samy very daholo ny rehetra (x2).

Tsy misy tavela hizaka na iza na iza,
raha very daholo ny rehetra.
Tsy misy tavela hizaka na iza na iza,
raha samy mandositra ny rehetra.

Tahaka ny mitaratra ny tsy firaharahiana ankapobeny amin'ny Eid ny tononkira, sy ny mety ho tsy faharetan'ny olona ao Syria [intsony]. Na izany aza manaraka ny fahakiviana ankapobeny efa asehon'ny Artista Syriana ny hiran'i Alkak. Indreto ambany ireto ny ohatra vitsy:

 

Done by Maher A. Husn. It reads, "We do not want your Eid."

Nataon'i Maher A. Husn. mivaky hoe, “Tsy mila ny Eid-nareo izahay.”

 

Nataon'i Wajdi Saleh, mitondra ny lohateny hoe, “Tsy mila Eid raha maritiora ny zanakay,” manondro ireo ankizy maritiora ao Ghouta.

 

Rising artist Sedki Al Imam approaches Eid with jest

Artista miaka-danja Sedki Al Imam mijery am-pihomehezana ny Eid

 

Caricature by Husam al-Saadi shows Bashar Assad butchering Syria's map as though it were an Eid sacrifice.

Sariitatr'i Husam al-Saadi mampiseho an'i Bashar Assad mitetitetika ny sarintanin'i Syria tahaka ny fanatitra amin'ny Eid.

 

Suzan Yaseen paints "The Martyr and the Eid Dress."

Hosodokon'i Suzan Yaseen “Ny Maritiora sy ny Akanjon'ny Eid.”

 

Mohannad Hamawi manolotra fanomezana feno ra voafono.

Ny artista hafa indray mijery ny lafiny famonjena ny mahaolona ao amin'ny ady ka mitodika any amin'ny mpitsoa-ponenana:

 

Hani Abbas sketches a Ferris wheel with refugee tents

Hani Abbas mametraka sary manezy miresaka ny tranolain'ny mpitsoa-ponenana

Tsy misy dikany ny seha-javakanton'i Syria raha tsy misy ny fandraisana anjara avy amin'ny vahoaka ao Kafranbel. Misioka ny afisiny farany ny mpisera Twitter Racan:

Eidim-pifaliana avy eto Syria

Na izany aza, misy ny hafatra tafiditra ao anatin'ireo sangan'asa ireo izay azo raisina hoe : Manakenda izay sisa tavela ao amin'ny firenena ny zava-tsarotra sedrain'i Syria ka mila famonjena izy. Manazava ny zavamisy mampihoron-koditra iainan'ny mponina ao Syria ny mpanoratra fanta-daza Amal Hanano, fa ny hena, ohatra, dia efa lafovidy ka tsy taka-bidin'ny maro intsony.

Maro ny olona eto #Syria no tsy hamono ondry atao fanatitry ny Eid amin'ity taona ity. Lasa sakafo nofinofin'ny olona an'arivoarivony ny hena

Amin'ny alalan'ny bika, miangavy ny olona hanao fanomezana amin'ny fanatitry ny Eid ho an'i Syria ny Ekipa Multimedian'ny Revolisiona Syriana:

 

Done by the Syrian Revolution Multimedia Team, who are urging people to send their Eid sacrifice to Syria. The sheep says, "Send me to Syria they need me more there."

Nataon'ny ekipa multimedian'ny Revolisiona Syriana, izay mandrisika ny olona handefa ny fanatitry ny Eid any Syria. Mieritreritra ilay ondry hoe, “Alefaso any Syria aho fa ry zareo any no mila ahy bebe kokoa.”

Na dia ireo any am-pielezana aza dia mahatsapa ny maharary amin'i Syria, ka sarotra ho azy ireo ny hankalaza, tahaka an'i Omar Kuptan:

Tsy afa-mividy akanjo ho amin'ny Eid na hahatsapa zavatra mifandraika amin'ny Eid raha zara fa velona ny firenenao.

Ny hafa matahotra ny halaviran-tany:

Eid hafa lavitry ny tanindrazana

Na dia eo aza ireo fijery matroka sy mahita ny zavamisy ireo dia misy kosa ny feo mirary soa ho an'i Syria ao anaty sarintsoratra sy sary marevaka, tahaka ny miteny hoe ho lasa izany rehetra izany:

 

By Abdo Meknas

Avy amin'i Abdo Meknas

Ary handalo, tsy maintsyl.


An'ny tompony tsirairay avy ny Copyright an'ireo mpaka sary ampiasaina amin'ity lahatsoratra ity, nampiasaina eto miaraka amin'ny filazana ny anaran'ny tompony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.