Nodimandry Ilay Zaza Nipoiran'ny ‘Babylution’ Tao Bosnia

The day after baby Belmina's death, activists placed a black sheeth with Belmina's picture over a new monument in front of the Parliament building in Sarajevo; image courtesy of #JMBG za sve ("#JMBG for All"), used with permission.

Andro iray taorian'ny nahafatesan'ilay zaza antsoina hoe Belmina, nametraka lamba mainty teo amin'ilay tsangambato vaovao naorina teo anoloan'ny tranoben'ny Parlemanta tao Sarajevo ireo mafàna fo maro. Sary natolotr'i  #JMBG za sve (“#JMBG ho an'ny rehetra”), nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Nantsoin'izy ireo hoe Anjely sady mahery fo izy. Belmina Ibrišević, zaza fito volana, ilay zaza nanombohana ny hetsika #JMBG protests tao Bosnia ny fotoam-pialantsasatra 2013 teo, nodimandry tao amin'ny hopitaly iray tao Alemàna ny Talata 15 Oktobra 2013.

Taorian'ny fitsaboana naharitra natao azy tao Alemàna, toerana izay namindràna an'i Belmina rehefa ela ny ela ka azony ihany ny Pasipaorony, dia nanapa-kevitra ny ray aman-dreniny sy ny dokoterany fa hanao filazàna ho amin'ny fanohanana azy. Tsy vita ao Bosnia ny fitsaboana ilain'i Belmina noho ny aretina mahazo azy, izay tokony nokarakaraina raha vao teraka izy, kanefa tsy nety nahazo ny Pasipaorony mihitsy izy nandritry ny herinandro maro, noho ny tsy nahavitàn'ny Governemanta namoaka lalàna vaovao mikasika ny laharam-pamantarana tokana ho an'ny olom-pirenena tsirairay (JMBG, izay midika ho laharana tokana isaky ny tompony na “Unique Master Citizen Number”) taorian'ny tsy nampanan-kery intsony ilay lalàna taloha lany andro tamin'ny Febroary 2013.

Ny volana Jona, araky ny notaterin'ny Global Voices, an'arivony ireo nanao Diabe teo anoloan'ny tranoben'ny Parlemanta tao Sarajevo, nitaky ny hanomezana laharana tokana ho an'ireo zaza rehetra teraka taorian'ny volana Febroary 2013, indrindra ireo mila misidina ho any ivelany hanaraka fitsaboana, hahafahan'izy ireo mikarakara ny antotan-taratasy rehetra ilainy handehanany any ivelany sy hahazo ny fikarakarana rehetra ilaina amin'ny fitsaboana. “Babylution” no niantsoana ilay hetsika izay natao ho an'i Belmina.

Na dia voalohany nambara ny 18 Jolay aza fa nandany lalàna mikasika ny laharana tokana ny Parlemanta tao Bosnia-Herzegovina nandritra ilay fivoriana tsy ara-potoana notanterahan'izy ireo, dia fantatra fa nisy tamin'ireo Parlemantera no nitsipaka ny fampandaniana feno ilay lalàna. Ny Al Jazeera Balkans dia nitatitra [ba] ny 23 Jolay fa i Halid Genjac , izay avy amin'ny Antoko Hetsika Demokratika (SDA) dia “nitaky fiarovana ny tombotsoa ambonin'ny firenena “, tamin'ny fitanisàna ny lesoka maro tamin'ny fizotry ny fampanekena ireo lalàna vaovao aroso ho fidiana :

Sporni predmeti sada se upućuju Ustavnom sudu BiH, koji će po hitnom postupku ispitati da li ima nepravilnosti u postupku i da li je povređen interes Bošnjaka.[…]

Ukoliko Sud zaključi suprotno, dovoljno je glasanje vladajuće većine u oba doma Parlamenta da zakoni prođu.

Sljedeća sjednica Ustavnog suda zakazana je za 30. septembar i nije jasno da li će ovo pitanje biti stavljeno na dnevni red.

Ankehitriny, nalefa any amin'ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ao Bosnia-Herzegovina ilay raharaha mampametra-panontaniana, izay hanadihady raha toa ka nisy tsy fanarahan-dalàna tao na koa voahosihosy ny tombotsoan'ny vahoaka ao Bosnia. […]

Raha hitsipaka an'izany ny Fitsarana, ny fifidianan'ny maro an'isa avy amin'ny tranobe roan'ny Parlemanta (loholona sy solombavambahoaka) dia ho ampy handaniana lalàna.

Voafaritra ho tamin'ny 30 Septambra ny fivoriana manaraka hataon'ny fitsarana, kanefa tsy fantatra mazava raha ho isan'ny ho voaresaka ao io na tsia.

Niaraka tamin'izay, nampanantsoin'ny polisy hatao famotorana [ba] ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsika #JMBG ny faramparan'ny volana Jolay.

 Rakotra [en][ba] fanakianana ny Governemanta ao Bosnia ireo tambajotra sosialy ary ao ihany koa ny teny fampiononana avy amin'ny faritra rehetra noho ny fahafatesan'ilay zaza. Maro, tamin’ ireo mpampiasa Twitter toa an'i Arnesa izay avy ao Bosnia, no nilaza fotsiny ny fahafatesanà zaza iray hafa, sady nanome toky fa hahatsiaro hatrany an'i Belmina:

Nodimandry i Belmina kely izay antom-pisian'ilay hetsi-panoherana #JMBG tao Bosnia. 🙁 vaovao mampalahelo tokoa, mandria am-piadanana

— Arnesa (@_arnesa_) 16 Oktobra 2013

Ilay pejy Facebook natao ho an'ireo mpanohana ilay hetsika #JMBG izay mbola mandeha hatrany hatramin'izao [ba] dia nanambara tany ampiandohan'ny herinandro tany fa noraisina ny fanapahan-kevitra hamaràna sy hampiato tanteraka ny antso ho vonjy aina ho an'ilay zaza antsoina hoe Belmina. Nolazaina tao amin'ilay pejy ihany koa fa tsy manana ny ho enti-manana amin'ny fampodiana ny vatana mangatsiakan'i Belmina any Sarajevo ny ray aman-dreniny ka mangataka fanampiana mitentina eo amin'ny 2 500 euros (manodidina ny 3 500 dollara Amerikana eo ho eo).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.