Afaka Atao Fonenana Ve Ao? Tsy Fisianà Sisintany & Mponina Anaty Aterneto

The Malecón, Havana, Cuba. Image by Flickr user Patxi64 (CC BY-NC-ND 3.0).

The Malecón, Havana, Kioba. Sary avy amin'i Patxi64, mpampiasa Flickr – CC BY-NC-ND 3.0).

Indray andro, nanadihady bilaogera iray avy ao Kioba aho, izy no namaritra ny aterineto ho toy ny toerana iray ahafahan'ny Kiobàna (ireo olom-bitsy ety anaty aterneto) miaina endrika iray amin'ny atao hoe maha-olom-pirenena izany — fiainana fandraisana anjara mavitrika, demokratika iray — izay tsy azon-dry zareo niainana tamin'ny tena fiainany andavan'andro. Hoy izy, “anaty aterneto izahay no mianatra izany hoe ho olom-pirenena izany.” Na dia niompana tamin'ny famèrana azy ireo tsy haneho hevitra malalaka ampahibe maso sy hanao adihevitra ao Kioba aza ny resany, noraisiko tamin'ny fomba midadasika ny fanehoan-keviny, no sady nosainiko ireo namako mafàna fo mpisera ety “anaty aterneto” izay mazàna no misora-tena ho olom-pirenena na mponin'ny “aterineto”

Koa satria niha nahazo vahana sy niha nahaliana olona ny hetsika anaty aterineto, maro amintsika no nahazo ilay fomba fiainana manao hoe ataovy- amin'ny- fombanao, fomba fandraisan'andraikitra amin'ny lafiny fiarahamonina izay mahazo vahana kokoa noho ny fifanarahana vonjy tavan'andro ambaran'ny firenena. Tsy hoe fotsiny niady mafy isika hametraka politika sasantsasany sy handrodanana ny hafa, fa tena efa ho an'ny fenitra iraisampirenena ho fampiharana sy fiarovana ny zo ety anaty aterneto. Ny firenena, ny tany, ary ny fiaviana dia mbola loha laharana hatrany ary tena manan-danja hatrany tokoa eo amin'ny sehatra maro, kanefa efa tsy dia voafaritra mazava tsara intsony na tsy voafehy toy ny teo aloha intsony.

Ireo lasitra roa ireo, ny tontolo nentim-paharazan'ireo firenena sy ilay tontolo vaovaon'ireo mpisera ety anaty aterineto manana sisintany afaka miovaova, dia nifandona henjana tamin'iny volana Jona iny, rehefa nabaribarin'ireo antontan-drakitra nitete avy ao amin'ny NSA fa manara-maso akaiky ny olona erak'izao tontolo izao ny governemanta Amerikana. Mora ny miteny hoe mety hitranga fona izany na ahoana na ahoana, fa kosa ny andàlana manokana mifehy ny fanaraha-maso tsy ara-drariny tsy manaraka ny lalàna ao ami'ny NSA dia mivantana avy hatrany any amin'ny fon'ity olana momba ny sisintany sy ny “maha-olom-pirenena ety anaty aterneto” ity.

Ankehitriny, fantatsika fa ny fomba fanaovan'ny NSA fitsikilovana dia mifototra amina fepetra antemantemaka “maha vahiny”. Mirona amin'ilay hevi-diso hoe matetika avy any ivelany hatrany ny mpampihorohoro, dia nanapa-kevitra ireo manampahefana hanara-maso betsaka ny fifandraisan'ireo vahiny fa tsy mametra ny fanadihadiany amin'ireo olona manana fifandraisana amin'ny fikambanana mpampihorohoro raha ny marina.

Raha vitan'ireo mpandalina ny manaporofo fa vahiny ny olona iray na “manana 51% ihany aza haha-vahiny azy,” fepetra iray mifotora amin'ny habetsahan'ny fifandraisany amin'ny olona ivelan'ny firenena, dia metyhotsikilovin-dry zareo io olona io, araka izay tiany. Etsy ankilan'izay, eo anatrehan'ny lalàna ao Etazonia, ny governemanta dia tsy voatery hiantoka fiarovana araka ny lalàm-panorenana Amerikana ho an'ny olona tsy monina ao Etazonia.

Mpahay lalàna maro avy ao Etazonia no nivondrona niaro ny zon'ireo mponina monina ao Etazonia talohan'io fampiharana io -antsasaky ny mponina tao Etazonia no noheverina fa vahiny raha arak'io fenitra io. Kanefa ny fepetra noraisin'ny NSA momba ny “maha vahiny” dia nanaporofo fa ety anaty aterneto, tsy azo atao ny manome tombony ny zo-nà vondrona iray (eto dia ny, “VAhoaka Amerikana” ) ho ambony noho ny an'ny hafa.

Ny vokatr'io politika io dia nanaporofo ihany koa ny maha-kilaodaoka ny sisintanintsika.
Raha avy aminà fanjakana iray ny tsrairay amintsika, farafaharatsiny, mifandray amin'ireo olona avy amin'ireo fanjakana firenena maro isika isan'andro amin'ny alalan'ny aterneto. Afaka miovaova ny sisintanintsika.

Amin'ny fiainana andavan'andro, miaiky izahay fa samy hafa ny zo sy lalàna ao amin'ny firenena tsirairay avy. Kanefa anaty aterneto, dia sarotra ihany ny hisaina izany satria mitondra mankaminà zava-misy afaka miovaova kokoa, na ny fenitra ara-sosialy ao, na ara-teknika. Raha tohizantsika ny fiarovana fotsiny ny zon'ireo olona sasantsasany, miainga amin'ny zom-pirenena na fepetra hafa tsy mitombina, dia ho very eto isika. Tokony tsy ho jerentsika ho tahàka ny petra-kevitra mahafinaritra fotsiny ny tsy fisianà sisintany omen'ny teknolojia antsika, fa ho jerena toy ny zava-misy azo ampiasaina. Raha ny marina dia sehatra iray azontsika hanandramana hiarovana ny zon'olombelona rehetra ny aterneto, tsy an-kanavaka.

Eo anatrehan'ireo fanamby ireo, ireo mpiaro ny zon'olombelona maneran-tany dia miasa hametrahana sy hiarovana ny zon'olom-belona manerana izao tontolo izao, hevitra fototra niaingan'ireo mpitarika avy ao Etazonia (tsy naminavina loatra ny mety hitranga) tamin'ny voalohany. Azo antoka fa tsy fotoana mety mihitsy izao hampiharana io hevitra fototra io. Manana fitaovana isika izay tsy tena iraisan'izao tontolo izao, fa kosa efa mihamanakaiky an'izay raha miohatra amin'izay efa nanantsika taloha. Tsy hoe fotsiny manome antsika ny fahafahana hihevitra an'izay firaisana izay ny Aterneto — fa manome hery antsika koa hanao zavatra mikasika azy io.

Ellery Roberts Biddle dia tompon'andraikitry ny fanoratàna ao amin'ny Global Voices Advocacy ary mpikambana maharitra tao amin'ny Vondrom-piarahamonina Global Voices. Monina ao San Francisco, toerana izay handaniany ny fotoanany hieritreretana sy hanoratana mikasika ny fahalalahana maneho hevitra sy fiainana manokan'ny tena aty anaty aterneto ary ny politikan'ny fampiasàna aterneto ao Kiobà. Mitoraka blaogy ao amin'ny half-wired izy. Araho ao amin'ny Twitter izy ellerybiddle.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.