Tsy noraharahian'ny Media Ireo Mpamboly Sy Sembana Nibodo Ny Gara Fiaran-dalamby Tao Mumbai

Niteraka fitohanana naharitra efatra ora nandritra ny ora fivezivezena ny firaisankina tsy nampoizina ivondronan'ireo mpamboly sy olona sembana raha nibahana ny zotran-dalamby ao atsimon'i Mumbai nandritra ny fihetsiketsehana izy ireo, saingy tsy mba notantarain'ireo fampahalalam-baovao sy ny fampitam-baovaon'ny fiaraha-monina mihitsy izany

Nitatitra i Vidyut at Aam Janata fa olona sembana an-jatony manerana ny firenena sy mpamboly avy amin'ireo faritra maina sy tratran'ny tondra-drano no nibahana ny fiantsonan'ny fiara an-dalamby Vidarbha Mumbai Chhatrapati Shivaji Terminus (CST) ao Mumbai tamin'ny Alarobia 2 Oktobra 2013.

The Asian Age nitatitra hoe:

The protest has been named Dera Andolan, which means all the protesters will camp themselves in the city till the government gives a time limit for fulfilling their demands.

Nomena anarana Dera Andolan ny hetsika, izay midika fa hanangana lasy ao an-tanàna ny mpanao fihetsiketsehana rehetra raha tsy manome fe-potoana hamaliana ny fitakian'izy ireo ny governemanta.

Zara raha notaterin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny zavanisy, ary tsy nohadihadiana akory ny anton'ny fihetsiketsehana, angamba noho ny tsy fisian'ny hery politika eo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana? Saingy nanambara vahaolana hivoahana amin'izao fihetsiketsehana izao i Vidyut:

I have no idea what the farmers were protesting, but God knows they have plenty to protest about when it comes to their conditions in Maharashtra.

The deaf-dumb people seem to be demanding for Indian Sign Language to be formally included in curriculums and recognized as an Indian language as per this photo.

Tsy mana-kevitra ny amin'izay antony nanaovan'ireo mpamboly fihetsiketsehana aho, saingy fantatr'Andriamanitra fa manana ny rariny nanaovany fihetsiketsehana izy ireo raha ny fari-piainany ao Maharashtra no resahina.

 Fantatra koa fa toa nitaky ny hampidirana amin'ny fomba ofisialy ny Fiteny ara-marika (Langue des signes) Indiana ao amin'ny fandaharan'asa ireo olona moana-marenina ary ekena  ho fiteny Indiana izany araka ny hita amin'ity sary ity.

Na dia izany aza, nitatitra ny The Mid-Day fa nampanantena fanampiana ara-bola sy fampiakarana solo-karama hoan'ireo olona sembana ara-batana sy ireo sahirana dia sahirana ny governemanta. Saingy manoloana ny firoboroboany tanatin'ny fito volana, nanao fihetsiketsehana ny vahoaka.

Notohizan'i Vidyut hoe:

Strangely our newspapers are not interested in what could have got farmers and disabled people to travel overnight to occupy space in a train station. The one journalist who did click a photo and comment wondered if they had purchased tickets. Then wondered at the speed by which they “took over” the station. A few thousand people taking over the largest station in the city is a bit extreme considering that a single train carries several times that number easily.

Hafahafa fa toa mba tsy liana ny amin'izay nahatonga ireo mpamboly sy olona sembana mivezivezy amin'ny alina mba hibodo toerana ao amin'ny tobin'ny fiaran-dalamby ny gazety eto amintsika. Nanontany kosa ilay mpanao gazety hany tokana naka sary sy naneho hevitra raha nividy tapakila izy ireo. Ary nanontany ny fomba “nibahanan'izy ireo” ny toby fiantsonana. Somary tafahoatra ny nataon'ireo olona an'arivony nibahana ny toby midadasika indrindra ao an-tanàndehibe satria afaka mitatitra mora foana izany isa izany ny fiaran-dalamby tokana

Mpanao gazety Rajendra Aklekar (@rajtoday) nisioka ny zava-niseho:

Mpamboly an-jatony/sembana no nitangorona tao amin'ny toby fiantsonan'ny fiara an-dalamby ao Mumbai mba hanao fanerena amina fitakiana. Tsy manana tapakila avokoa izy rehetra?

SARY–Nanajanona fiaran-dalamby ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny toby fiantsonan'ny fiaran-dalamby ao Mumbai CST. Misaotra SushantMore

Nitatitra ny The Times of India fa notsenaina tamin-kery ireo mpanao fihetsiketsehana ary miatrika fitsarana izy ireo ankehitriny:

The Times of India reported that the protesters were met with force and now face prosecution:

A day after a mob of 2,000 farmers and physically challenged people laid siege to CST, security agencies registered criminal cases against them and are scrutinizing footage from CCTV cameras to identify the accused. The RPF has booked the protestors under the Indian Railway Act for trespass, obstructing the running of trains, obstructing railway employees in their duties, drunkenness or nuisance and endangering safety of commuters. The GRP has also booked the protestors for unlawful assembly and wrongful restraint.

Andro iray taorian'ny fibodoana ny CST nataon'ireo andian'olona 2000 ahitana mpamboly 2000 sy sembana ara-batana, milaza ny sampana misahana ny fiarovana fa nisy ny fandika-dalàna nataon'izy ireo taminy ary mandinika ny sary azo avy amin'ny fakàntsary fanaraha-maso hamantarana izay voampanga izy ireo amin'izao fotoana. Notorian'ny RPF tamin'ny alalan'ny Lalàna momba ny lalamby Indiana ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fitsofohana an-keriny, fanelingelenana ny fifamoivozana an-dalamby, fanakatsakanana ireo mpiasan'ny lalamby amin'ny asany, fimamoana na fanimbana ny tontolo iainana ary mampidi-doza ireo olona mampiasa ny lalàna. Notorian'ny GRP noho ny famoriam-bahoaka tsy ara-dalàna sy fitondra-tena tsy ara-drariny ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana

Efa mahazatra ny fihetsiketsehana, saingy tsy dia toy izany kosa ny fanasaziana ireo mpanao fihetsiketsehana milamina. Seho mampalahelo ny fihetsik'ireo polisy satria mora sazian'ny lalàna ireo izay tsy dia manana hery politika.

Hajian-tsary avy amin'i Rajendra B Aklekar (@rajtoday)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.