Tambajotra Fanaraha-Maso Ny Fandotoan-dRivotra Ao Shina: Kely Loatra, Tara Loatra?

Lahatsoratra ao anaty fanadihadiana manokana sokajy Olan'ny Fandotoana Ao Shina.

Screen grab from Youku, smog engulfed north China during the October National holiday

Ahitana ny zavon-tsetroka mitelina ny ao avaratr'i Shina mandritra ny fetim-pirenena volana oktobra eto amin'ity pikantsary nalaina avy amin'ny Youku ity.

Niteraka fanakatonana lalambe migodàna mihoatra ny 30 sy seranam-piaramanidina maromaro ihany ao Beijing sy ny faritra manodidina azy ny zavon-tsetroka tao Shina Avaratra nandritra ny fito andro fankalazana ny fetim-pirenena .

Ho famaliana ny fitarainana sy ny lonilonim-bahoaka, dia nampiditra indray ny drafitr'asa maharitra dimy taona antsoina hoe Programam-panaraha-maso ny Fandotoan-dRivotra, izay nolazaina tamin'ny fiandohan'ny volana septambra teo, ny fitondrana Shinoa hanaraha-maso ny kalitaon'ny rivotra. Saingy tsy mahandry intsony ny mpiserasera manoloana ny toe-draharaha: Maninona no tsy tonga dia vahana ny olana fa mbola hanara-maso indray ?

Nilaza ny Foibe Shinoa Mpanara-Maso sy Misoroka ny Aretina fa ho tafatsangana ao anatin'ny telo ka hatramin'ny dimy taona ny tambajotram-panaraha-maso manerana ny firenena. Hiandraikitra ny fifandraisana misy eo amin'ny fandotoan-drivotra sy ny fahasalaman'ny olona ilay rafitra, The system will be charged with establishing correlations between air pollution and people's heath, ary ny andiany voalohany hametrahana ny toera-panaraha-maso dia apetraka any amin'ny faritany tena mizaka ny zavon-tsetroka indrindra, miisa 43 ny isan'izy rehetra, amin'ity taona ity.

Mbola tsy resy lahatra amin'ilay rafitra fanaraha-maso ny olona. Hanlei Qiu Baoyang, izay monina ao Beijing, nanontany tao amin'ny famahanam-bilaogy bitika malaza Shinoa Sina Weibo raha hamaha ny olan'ny rivotra fohina tokoa ny tambajotra fanaraha-maso. [Efa voafafa ny hafatra]

3-5年只是建立一个监测的。是不是还得10年去控制?对中国只能说呵呵了

Mila telo ka hatramin'ny dimy taona isika hametrahana ny [rafitra] fanaraha-maso fotsiny. Mila folo taona hafa ve isika hanaraha-maso ny [fandotoana]? Shina ô, tsy manan-kevitra aho

Tsy matoky ihany koa i “Shenyang Jixiangzi” monina ao Shenyang any avaratra atsinanan'i Shina. Nanoratra izy [hafatra efa voafafa]:

真不可思议啊,检测的数值明明都已经爆表了,却还说要等5年建立一个检测网络。请问有关部门是不是还需要10年后才考虑建立一个管理机制、15年后考虑建立一个考核机制,20年后考虑建立一个监管考核机制……,到最后都没有惩罚机制的考虑。

Tsy mampino, na dia efa mihoatra ny fetra aza ny tahan'ny [fandotoan-drivotra], dia mbola mila dimy taona ry zareo hananganana tambajotram-panarahamaso. Afa-manontany ny sampan-draharaha miandraikitra izany ve aho, mbola mila folo taona ve ianareo rafi-pitantanana,  15 taona hananganana rafi-panombanana, 20 taona hananganana rafi-panarahamaso….., any amin'ny farany any, tsy misy ny resaka hananganana rafi-panasaziana

Ningonongonona i “YiZhi Xianren”, talen'ny varotra iray avy any Chengdu any atsimon'i Shina:

我国今年雾霾影响人口约6亿。自杀行为,原由在哪儿?谁该为此负责??能不能及时刹车,根本治理??

Nahatratra olona manakaiky ny 600 tapitrisa ny zavon-tsetroka amin'ny firenentsika. [Mitovy amin'ny] famonoan-tena. Inona ny antony ao ambadika? Iza no tokony hotazonina ho tompon'andraikitra?? Azontsika atsahatra ve ary esorina hatramin'ny fakany??

Efa nanaporofo ny fiantraikany ratsy ateraky ny fandotoan-drivotra ny fanadihadiana maro. Nisy fanadihadiana navoakan'ny Akademiam-Pirenena momba ny Siansa nanondro fa nihena dimy taona sy tapany ny taham-pahavelomana ho an'ny olona monina any avaratr'i Shina. Araka ny nolazain'i Xu Donggun, tompon'andraikitra iray ao amin'ny Foibe Shinoa Mpanara-Maso sy Misoroka ny Aretina, fa nahahenika faritany 17 ao Shina ny zavon-tsetroka tamin'ity taona ity sy mponina 600 tapitrisa – manakaiky ny atsasaky ny mponina.

Ho fiatrehana izany toe-draharaha izany, nanambara ny Filakevi-Panjakana tamin'ny Jona fa hametraka fepetra iadiana amin'ny fandotoana, ka ao anatin'izany ny fanatsarana ny soliky ny fiara, fampihenana ny sokajin'orinasa mpandoto, ary ny fitodihana tsikelikely mankany amin'ny loharanon'angovo azo havaozina. Nohamafisina tao amin'ny “Fandaharan'Asam-Panarahamaso Ny Fandotoan-dRivotra” 2013 ka hatramin'ny 2017 navoakan'ny Filakevi-Panjakana Septambra 2013 izany. Fandaharana izay hitentina 1,7 arivo miliara yuan (tokotokony ho 278 miliara dolara US), mametraka [zh] fanamby hanao izay hampihena hatramin'ny 25% ny PM2.5, eo amin'ny manodidina an'i Beijing sy ny manodidina azy hatramin'ny 2017.

Raha iverenana ny tamin'ny volanajanoary tamin'ity taona ity, nanambara tao amin'ny Twitter ny Masoivohon'i Etazonia tao Beijing fa ny haavo PM2.5 dia efa “ambonin'ny fetra”, izany hoe mihoatra ny 500. Araka ny sampandraharahan'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana, tokony tsy hanao lahasa ivelan'ny trano ny olona eo amin'ny haavo anelanelan'ny 301 sy ny 500. Nisy mpanangom-baovaon'ny New York Times nampitaha io taha tafahoatra ny 500 io amin'ny toera-piandrasana ao amin'ny seranam-piaramanidina natokana ho an'ny mpifoka sigara.

Maro ny mpiserasera miresaka am-panesoesoana ny fikorontanan-dia nateraky ny zavon-tsetroka nandritra ny fetim-pirenena teo. Yaochen, mpiantsehatra Shinoa Tanibe izay arahina mpisera Weibo 50 tapitrisa, nanoratra tamin-drabiraby :

国庆长假期间,北京车辆稀少,市内道路畅通,呛人雾霾依旧。”主要污染源是机动车” 的谣言不攻自破,机动车终于得以沉冤昭雪…

Nandritra ny fetim-pirenena, vitsy ny fiara nivezivezy tao amin'ny lalan'i Beijing, misosa tsara ny fifamoivoizana tao an-tanàna fa mbola nanempotra ihany ny zavon-tsetroka. Tsy mitombina noho izany ny tsaho fa “ny fiarakodia no tena mpandoto”, nomena ny toerana sahaza azy indray fiara rehefa nampangaina tamin'ny tsy rariny

Mazava ankehitriny fa misy ifandraisany amin'ny fitomboan'ny harinkarena anatiny ny fandotoana, hoy ny fanamarihan'ilay mponina ao Shanghai antsoina hoe Chai Xiaowei:

雾霾成常态后下的中国,汽车消费的不可阻挡,环保、医药、新能源行业趋势向好,提升行业估值。

Manokatra lalambe migodàna any amin'ny fanjifana fiara i Shina, izay ny zavon-tsetroka no toetr'andro mahazatra azy, ary nahazo hoavy mamirapiratra ny orinasa tahaka ny fiarovana ny tontolo iainana, fanafody, angovo vaovao, hitombo lanja hatrany ireo orinasa ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.