Manomboka Mitokona Tsy Hihinan-kanina Ny Renin'ilay Mpitoraka Bilaogy Mifonja

Hossein Ronaghi Maleki and his mother Zoleykha

Samy manao fitokonana tsy hisakafo daholo i Hossein Ronaghi Maleki sy ny reniny Zoleykha. Sary nalaina tao amin'ny pejy fanentanana Facebook.

Reny tsy manam-panantenana i Zoleykha Mousavi. Renin'ny Iraniana iray mpitoraka bilaogy voafonja izy, dia i Hossein Ronaghi Maleki, izay nitokona tsy hisakafo efa ho roa herinandro izay. Nanomboka nanao ny fitokonany tsy hihinan-kanina ihany koa i Rtoa Mousavi tamin'ny Talata 20 Aogositra 2013 mba “hihainoana ny feony”.

Manefa sazy 15 taona i Hossein Ronaghi Malki. Nisy ny fanentanana teo amin'ny Facebook mba hanohanana azy.

Toy izao ny zavatra voalohany novakianay teo amin'ny pejy fanentanana:”Tandindonin-doza ny ain'i Hossein, mila manohana azy isika amin'izao fotoana izao ary tsy hilaza azy ho olo-malaza amin'ny andro handevenana azy.”

Lahatsoratra vao haingana teo amin'ny Facebook no nahalalanay fa nanomboka nanao fitokonana tsy hisakafo ny renin'i Hossein “satria tsy raharahin'ny manampahefana mihitsy ny fitokonana tsy misakafo ataon'ny zanany sy ny toe-draharaha.”

Io lahatsoratra io ihany no mandrisika ireo mafana fo tsy hangina amin'ity toe-draharaha ity.

Maro no manahy amin'ny fiharatsian'ny toe-pahasalamany satria i Hosein taloha efa narary voa sy nanana olana teo amin'ny vava, ary tena mijaly mafy izy amin'izao. Nanoratra taratasy izy mikasika ny fomba fampijialiana azy ataon'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fitsikilovana/Fanangonam-baovao  izay manery azy ny hiaiky heloka eo anatrehan'ny mpanenjika azy, saingy voatazona foana anefa ny taratasy.

Tsy misy valifaty

Namahana horonan-tsary i Hossein talohan'ny niverenany tany am-ponja taorian'ny fakan'aina fohy, izay milaza fa raha tiantsika ny hanova ny toe-draharaha eto amin'ny firenena, dia tokony tena mandeha amin'ny lavitra indrindra tratrantsika isika… Tokony miroso lavitra mifampitantana isika, tsy misy valifaty. Tokony hanangana am-pisainana sy fahamoram-po isika satria tokony ho afaka amin'ny fanavakavahana i Iran. Afaka mitondra fiantraikany eto amin'i Iran isika tsirairay avy ary samy tompon'andraikitra daholo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.