Fironana Tampoka Amin'ny Fampianarana Tohana any Singapore

Singapore students of Nan Hua High School. Photo from Wikipedia.

Mpianatry ny Lisea Nan Hua ao Singapore. Sary nalaina tao amin'ny Wikipedia

Mpianatra maherin'ny 90 isan-jato amin'ny kilasy ambaratonga voalohany any Singapore no nisoratra anarana amin'ireo fampianarana tohana na amin'ireo fampianarana fanamafisan-desona. Isan-taona, mandany vola hatramin'ny 680 tapitrisa dolara Amerikana ireo ray amandreny any Singapore amin'ny fandefasana ireo zanany any amin'ireo ivon-toeram-pampianarana fanampiny aorian'ny fianarana any an-tsekoly. Na teo aza ny fanambaràn'ny governemanta izay milaza fa tsy ilaina ireny fampianarana tohana ireny, manohy manoratra ireo zanany amin'ireo kilasy andoavam-bola izay nihamaro be nandritra ireo taona vitsy lasa ireo ray amandreny. 

Manazava ny fomba nanombohan'io fironana tampoka hankany amin'ny fampianarana tohana tao Singapore io i Sky:

Ny fampianarana tohana dia azo heverina ho toy ny fitaovana fitarihan-dàlana natokana ho an'ireo mpianatra tena mahantra ka manana ray aman-dreny tsy afaka mandany vola hanakaramàna ireo mpampianatra hanohana amin'ireo zavatra tokony efa natao tany am-pianarana. Rehefa mandeha eny ny fotoana, koa satria mitombo ny vola miditra isan-tokantrano, afaka mamoaka vola handoavana ireo mpampianatra manokana handoavam-bola ireo ny ankamaroan'ny olona. Ary ankehitriny, nivoatra ho lasa orinasa manodina vola antapitrisa dolara maro izy io ka raha toa tsy manana fampianarana tohana ny zanakao, dia tafiditra anatin'ny vitsy an'isa tsy fahita firy ianao.

Amin'ny maha-ray amandreny azy, milaza i Amie fa ilaina indraindray ny ‘maka mpiantoka ivelany’ mba hanampy eo amin'ny fanabeazana ireo ankizy: 

Ankehitriny, manana ny anjara adiko aho ny amin'ny handefasako na tsia ireo zanako hanaraka fampianarana tohana. Mino aho fa tsy afaka hiala amin'ny andro tahaka izany isika raha ilaina izany. Tsy mitovy ny fahafahana mandray sy ny filàn'ny ankizy tsirairay. Tsy maintsy manaraka ny onjany fotsiny isika ary manampy azy ireo eny an-dalana. Tsy mitovy amin'ny halalin'ny havizanana taloha intsony halalin'ny havizanana eo amin'ny fanabeazana ankehitriny sady antenain'ireo mpanabe an-tsekoly fa handray anjara anatin'ny fizotran'ny fianaran'ireo zanany ireo ray amandreny. Raha toa isika ray amandreny ka tsy afaka ny hanampy azy ireo mba hamokatra tsara kokoa, tsy maintsy manarama mpiantoka isika mba hanampy azy ireo.

Mino i June fa tsy ratsy ho an'ny ankizy ny fampianarana tohana saingy mety hitondra amin'ny ‘fanànana toe-tsaina miankin-doha’ izany:

Tato ho ato, miatrika hakizintinana sy havizanana ara-tsaina be loatra ireo mpianatra. Mihazakazaka etsy sy eroa hanenjika ny zavatra manaraka eo amin'ny fandaharam-potoanany, fotoana kely no mba hahafahany manonofinofy…

Manonofy andro iray aho izay tsy hananan'ny “fampianarana tohana” sy “ny fanangonan-karena” toerana raikitra intsony eo amin'ny fiainana andavanandron'ny ankizy mpianatra iray.

Tsy milaza koa aho fa ratsy ny fampianarana tohana. Manana ny toerany ao anaty fiaraha-monina izy, mba hahafahana mamaly ireo tena filàn'ny ankizy samy hafa izay manana ady samy hafa eo amin'ny lafiny fanabeazana. Saingy ny fisainana jamba mihevitra fa “raha-tsy-ataoko-itsy-dia-ho-resy-ny-zanako” dia mety hitarika ny zanakao hiankin-doha lava mandritra ny ampahany lehibe amin'ny fotoana hihalehibeazany na mety handritra ny fahalehibeazany mihitsy aza.

Tsy tokony terena hanatrika fampianarana tohana ireo mpianatra efa manao ny tsara, hoy i @mummybean:

Azoko tkarna ny filàna fampianarana tohana mba hahazoana fanampiana misimisy kokoa any amin'ireo taranja ahitaàn'ny mpianatra lesoka mba hahazoany fitarihan-dàlana ambony kokoa,  saingy fampianarana tohana ho an'ireo mpianatra izay efa manana vokatra tsara? Amiko, mampiseho ny famolavolan'ireo mpianatra karazana toe-tsaina miankin-doha izany, izay hahatsapan'izy ireo fa mila tohana izy mba hamokarana tsara nefa raha ny tena izy, tokony afaka tsara hanao izany ny tenany. Ankoatry ny fandanindaniam-poana ny fananana, heveriko fa tsy mety ho an'ny fahasalamana izany.

Araka ny voalazan'i Hri Kumar, miroborobo io orinasan'ny fampianarana tohana io noho ny fanohizan'ireo ray aman-dreny ny finoany ny fandairan’ireo tohana ireo.

Hitady vahaolana any an-kafa ireo ray amandreny mino fa mila fifantohana manokana ny zanany na inona na inona antony. Ilàna fanomanana sy fanazaran-tena ny fanadinana rehetra. Hiezaka ny hahazo tombontsoa hatrany ny ray aman-dreny sy ireo mpianatra, ary raha inoan-dry zareo fa hanampy azy ireo ny fampianarana tohana, dia hataony izany.

Misy ireo tatitra izay mitsikera hoe tsy manampy ireo tohana ireo. Mety ho marina izany, saingy ny marina dia tsy mandrimandry saina isika rehetra, ary hahatsapa-tena ho tompon'antoka raha tsapantsika ho tsy nanao izay rehetra tratry ny herintsika isika ho fanampiana ny zanatsika.

Nanadihady ray amandreny vitsivitsy manan-janaka misoratra anatin'ireo ivon-toeram-panohanana i Petunia Lee:

Manao izay tratry ny heriny izy ireo hiasàna anatin'ny rafitra, mandany maherin'ny 500 dolara  ka hatramin'ny 1200 dolara isam-bolana amin'ny saram-pianarana ho an'ny zaza IRAY monja. TSY MISY na iray aza amin'izy ireo mino fa Tsara ny sekoly Tsirairay. Tsy misy mino izy ireo, na iray aza, hoe tsy ilaina ny tohana satria hitan'izy ireo ny fidangan'ny isa azon'ny zanany TAORIAN'NY nanomezany tohana lafo dia lafo ho an'ireo zanany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.