Rivo-doza Mahafaty, Fanampiana Tara Fahatongavana Nameno Ilay Tanana Rava Ao La Montaña Ireo

Camp of indigenous people displaced by storms. Photo from The Tlachinollan Human Rights Center used with permission.

Trano lay itobian'ireo mponina voatery nafindra monina tao La Montaña noho ilay rivo-doza. Sary avy amin'ny foibe Tlachinolla momba ny zon'olombelona. Nahazoana alalana ny fampiasàna azy .

Loza voajanahary roa lehibe, dia ilay rivo-doza Tropikaly Manuel sy ilay rivo-doza Ingrid, no indray namely an'i Meksiko tamin'iny volana lasa iny , izay namoizana ain'olona miisa 157 araky ny tatitra ofisialy farany voaray. Iray amin'ireo faritra tena voa mafy i La Montaña, tanàna iray ao Atsimon'i Guerrero, izay heverina fa isan'ny tanàna mahantra indrindra sy natao an-jorom-bàla.

Ny foiben'ny Mpiaro ny zon'olombelona Tlachinollan na ny Tlachinollan Human Rights Center, izay ao Montaña, dia nanoritsoritra ny zava-nisy tao anatin'ilay lahatsoratra iray fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny vohikalan'ilay gazety mpiseho isan'andro ao an-toerana El Sur [es] :

En la Montaña, esa región olvidada que conforman 19 municipios y más de 650 comunidades indígenas, el panorama es desolador. Cuando comenzaron las lluvias, nadie imaginaba la destrucción que dejarían a su paso. No hubo un solo aviso sobre lo que se avecinaba que permitiera tomar precauciones. Simplemente, la lluvia inició y se prolongó como si fuera interminable, con una furia devastadora nunca antes vista.

[…]

El conteo de los fallecimientos en la Montaña, que asciende ya a más de treinta personas, debe considerarse todavía preliminar pues el colapso de carreteras y caminos mantiene en la incomunicación a pueblos ubicados en los lugares más recónditos de Acatepec, Metlatónoc y Cochoapa.

Ao La Montaña, ilay faritra lavitra andriana izay ahitàna Kaominina 19 ary vondrom-piarahamonin'ireo teratany efa maherin'ny 650, dia toa manjavozavo ihany ny fara-vodilanitra. Rehefa iny nanomboka nirotsaka iny ny orana,tsy nisy nanam-po na dia iray aza ny faharavan-javatra mety ho avelany. Tsy nisy na dia fampandrenesana kely akory aza nahafahana nandray fepetra mialoha. Fa dia nirotsaka ary naharitra toy ireny tsy hitsahatra ireny intsony ny orana narahana rivotra mafy tsy mbola fahita hatramin'izay.

[…]

Tsy maintsy heverina mialoha fa mbola hitombo ny taham-pahafatesan'ny olona hita tao La Montaña, izay efa tafakatra 30, hatramin'ny nahatapahan'ny làlana sy ny làlan-kely izay mampifandray ireo kaominina mitoka-monina no sady tsy misy fitaovan-tserasera any amin'ny tanànan'i Acatepec, Metlatónoc ary Cochoapa.

 Nilaza ny  Governemanta [es] fa voakasik'iny loza voajanahary iny avokoa ny kaominina 19 ao La Montaña.

Niampanga ny fahaelan'ny fandraisan'andraikitry ny fanjakana ihany koa ilay lahatsoratra, izay lazain'izy ireo ho “mampiseho ny endrika mpanavakavaka ananan'ny Fanjakana Meksikana “:

Pero ninguna autoridad de alto nivel de los gobiernos federal y estatal llegó a la Montaña los primeros días del desastre. Con las autoridades volcadas en el traslado de turistas acapulqueños, la penuria de las comunidades indígenas de la Montaña fue, en los hechos, relegada a segundo plano.

Kanefa dia tsy nisy manampahefana ambony avy amin'ny fitondrana federaly sy ny fanjakana na dia iray akory aza tonga tao La Montaña nandritry ny andro voalohany nitrangan'ilay loza. Toa lasa tsy laharam-pahamehana ho an'ny fanjakana ny olan'ireo mponina ao La Montaña tamin'ny fandefasany ireo manam-pahefana hamindra ny mpizahatany rehetra tao Acapulco.

Camp of indigenous people displaced by storms. Photo from The Tlachinollan Human Rights Center used with permission.

Trano lay itobian'ireo mponina voatery nafindra monina tao La Montaña noho ilay rivo-doza. Sary avy amin'ny foibe Tlachinolla momba ny zon'olombelona. Nahazoana alalana ny fampiasàna azy

WOLA (Washington Office on Latin America),  izay nanome ny loka Human Rights Award ny taona 2009 ho an'ilay foiben'ny zon'olombelona Tlachinollan na The Tlachinollan Human Rights Center, dia nizara ihany koa ilay tatitry ny foibe :

Araka ny nambaran'ny Tlachinollan, maro tamin'ireo vondrompiarahamonin'ny indizena teratany ao amin'ny faritra no mitoka-monina noho ny fihotsahan'ny tany ; simba ireo lalana, lasan'ny rano avokoa ireo sakafo natao hivelomana ary tsy misy jiro sy fitaovan-tserasera izy ireo. Tsy ampy sakafo, rano, fanafody, ary solika ireo vondrom-piarahamonina ireo kanefa dia ela no sady tsy ampy akory ny fanampiana nataon'ny governemanta.

Fanampin'izay, nanao antso avo ho an'ny fanjakana Meksikana ny WOLA mba handray andraikitra ary  “hamaly avy hatrany amin'ny fomba mirindra sy ao anatin'ny mangarahara ny fangatahan'ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ny faritr'i La Montaña ao Meksika .”

Paris Martínez dia nitatitra tao amin'ilay vohikala Animal Político [es] ny amin'ireo mponina ao Moyotepec sy La Lucerna, vondrom-piarahamonina roa ao La Montaña, ny 25 Septambra :

Según los cálculos de sus autoridades tradicionales, en estos dos campamentos permanecen más de 3 mil personas, que han dado por perdidas sus viviendas y sus cosechas, ya sea por haberse derrumbado o por estar a punto de hacerlo. Y como Moyotepec y La Lucerna, los habitantes de al menos media centena más de localidades indígenas de La Montaña, permanecen en campamentos y refugios a los que la asistencia oficial apenas ha salpicado.

Araky ny kajy nataon'ny olobe tò teny teo an-tanàna, efa maherin'ny 3 000 ny olona ao amin'ireo toby roa  ireo, izay very trano sy very vokatra, na noho ny firodanana nahazo azy na mitady hirodana izany. Ary toy ny ao Moyotepec ary La Lucerna, mponina avy amin'ny vondrom-piarahamonina 50 farafahakeliny ao La Montaña no mbola monina anaty toby ary mila tsy ho antonona intsony ny trano fialofana nomen'ny fanjakana ho fanampiana ireo tra-boina.

Nizara lahatsary roa avy amin'ireo toby i Martínez .

Tao amin'ilay tatitra avy aminy no nanazavan'i Martínez fa nanomboka ny 22 Septambra ireo mponina tao Moyotepec no efa niandry ny fanampiana nandritry ny valo andro. Nijoro vavolombelona izy fa ora vitsy taorian'ny namoahan'ireo mpanao gazety ny fitarainan'ireo olona tra-doza ireo, indreny fa tonga tao Moyotepec ny kamiao Miaramila sy ny dokotera avy amin'ny Ministeran'ny fahasalamana niaraka tamin'ny bodofotsy, fitaovana fanadiovan-drano ary sakafo isan-karazany. Kanefa nolazainy koa fa maika loatra ireo manam-pahefana ka nandalovany fotsiny tsy nomeny fanampiana ny toby tao La Lucerna.

Tamin'ny faran'ny lahatsorany, nitatitra i Martínez fa tonga tao amin'ilay faritra ny sekreteran'ny Fampandrosoana ara-tsosialy, Rosario Robles, andro iray taorian'ilay fanampiana natao an-kamehana. Nilaza i Robles fa “manerana ny fanjakan'i Guerrero” ry zareo ary ny lazaina ho tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra momba ireo vondrom-piarahamonina indizena dia noho ny olana teo amin'ny lafiny fandrakofam-baovaon'ny serasera, fa tsy teo amin'ny asan'izy ireo akory.

Tsy ireo mpisera anaty aterineto ihany no nanameloka ny tsy firaharahiana nataon'ny governemanta, araky ny nitateran'i Nina Lakhani azy tao amin'ny Al Jazeera : “Gazety maro ao an-toerana no nanomboka nitatitra fa tsy norarahian'ny manam-pahefana isan-tokony loatra ny paikady famonjena tao Guerrero satria variana loatra tamin'ny fetibe izy ireo.”

Tao aminà mailaka nalefa ho an'ny Global Voices tamin'ity herinandro ity, ny Tlachinollan Human Rights Center dia nilaza fa mampiasa ny tambajotra sosialy toy ny Facebook ireo tanora ao amin'ny faritra mba hifampilazàna vaovao sy handaminana ny fitsinjaràna ireo fanampiana isaky ny vondrom-piarahamoniny avy. 

Nitatitra ihany koa ny Tlachinollan fa araky ny voalazan'ny governora ao Guerrero, Ángel Aguirre Rivero, dia maherin'ny 13 000 ireo mponina tao La Montaña no nafindra monina ary mbola misy trano lay 49 hatramin'izao hialofan'ireo mponina izay voa mafy tamin'ny rotsa-korana ny tranon'izy ireo. Fanampin'izay, vondrom-piarahamonina 31 no mila averina amin'ny nisy azy ary 215 – iray ampahatelon'ireo vondrom-piarahamonina ao La Montaña – no mitoka-monina sy tsy misy fitaovana hifandraisana nanombaka ny 14 Septambra.

Tlachinollan koa dia nitatitra ny ezaka amin'izao fotoana izao ataon'izy ireo tamin'ny fanampiana ireo mponina tany amin'ireo vondrom-piarahamonina tra-doza :

Ao Tlachinollan, lasa mpanao vonjitaitra avokoa izahay rehetra, manao hetsika maro isan-karazany, manomboka amin'ny fanangonana fanampiana ho an'ny olona hatramin'ny fanaterana any amin'ireo vondrom-piarahamonina sy ny fandraisana an-tsoratra ny fandehan'ny fitsinjaràna ny fanampian'ny fanjakana any amin'ireo vondrom-piarahamonina, hatramin'ny fanokafana onjam-peo niarahana tamin'ny manam-pahefana federaly mba hampahatsiahivana azy ireo fa laharam-pahamehana io faritra io amin'ny maha efa isan'ny faritra iray mahantra indrindra azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.