Manao Diabe An-jatony Kilometatra Ireo Mpanohitra Hamonjena Ireo Sundarbans Amin'ny Tobin'herinaratra Ahodin'ny Arintany

Nanao diabe maherin'ny 400 km nandritra ny dimy andro ireo mafana fo ao Bangladesh, niala tao Dhaka renivohitra nankany Rampal akaikin’ireo Sundarbans, ilay alanà honko lehibe indrindra eran-tany, ho fanoherana ny fametrahana tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany any an-toerana izay mety handrahona ny fahasamihafan'ny zava-miaina ao anatin'io ala io.

Io diabe lavitra io, izay nanomboka ny 28 Septambra 2013, dia nokarakarain'ny Kaomity Nasionalin'ny Fiarovana ny Solitany, Entona, ireo Loharano Mineraly, Angovo ary Ireo Seranana.

Hatsangana any amin'ny faritr'i Rampal any amin'ny distrika atsimon'i Bagerhat (jereo ny tatitry ny Global Voices) io tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany io, izay 14 km fotsiny miala amin'ireo Sundarbans, izay toerana isan'ireo Lovan'Izao Tontolo Izao arovan'ny UNESCO. Efa nanomboka ny asa tany sy ny fampivoarana ny tany ho an'io tetikasa io araka ireo tatitry ny vaovao.

Maro ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana no nanohitra izany hatramin'ny voalohany. Naneho ny ahiahiny ihany koa ny Foiben'ny Lovan'izao Tontolo Izao sahanin'ny UNESCO momba ny fiantraikan'io tetikasa io eo amin'ny tontolo iainana. Nefa namoaka fanambarana ny governemanta ny 26 Septambra ho setrin'ireo ahiahy ireo fa raha 14 km miala an'ireo Sundarbans io tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany kasaina hatsangana io, 72 km miala amin'ny toerana notondroin'ny UNESCO ho Lovan'izao Tontolo izao kosa izany, izay raisina ho “halavirana azo antoka”.

Teo alohaloha kely dia nambara fa hatao ny 22 Oktobra 2013 ny fanombohana ny fananganana io toby io. Ny 28 Septambra, ny andro farany nanaovana ilay Diabe lavitr'ezaka, namoaka fe-potoana hatramin'ny 11 Oktobra 2013 ireo mafana fo hanajanonan'ny governemanta ny fananganana io tobin'herinaratra io raha tsy izany dia hanohy ny hetsi-panoherany an'ilay fananganana izy ireo ny ampitson'io. Nefa hatreto, ny Praiminisitr'i Bangladesh Sheikh Hasina sy ny Praiminisitr'i Inde Manmohan Singh izay mifandray amin'ny alalan'ny antso an-tsary dia voalahatra hametraka ny vato fehizoron'io tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany io ny 5 Oktobra 2013 ho ampahany amin'ny lanonana fanombohana ofisialy ny fananganana.

The five-day march commenced after a brief rally in front of the capital's National Press Club. Image by Mohammad Asad. Copyright Demotix (24 September 2013)

Nanomboka io diabe nandritra ny dimy andro io taorian'ny filatsahana an-dalambe fohy teo anoloan'ny Fikambanana Nasionalin'ny Mpanao gazety. Sary avy amin'i Mohammad Asad. Fizakà-manana Demotix (24 Septambra 2013)

Nanoritra ny mety hiterahan'ity tetikasa fananganana toby ity loza ho an'ny tontolo iainana ny mafana fo mpanao politika avy amin'ny elatra havia, Firoz Ahmed, tanatinà lahatsoratra  iray ao amin'ny Facebook [bn] ary nandrisika ny vahoaka hanatrika io diabe io:

[…] কয়লাবিদ্যুৎ প্রকল্প থেকে উদগীরিত বিশাল ধোঁয়ার রাশি গ্রীস্মকালে মৌসুমী বায়ুর সাথী হয়ে গোটা উত্তরবঙ্গ এবং মধ্যবঙ্গকে কলুষিত করবে,সমুদ্র থেকে ভেসে আসা জলীয় বাষ্প কয়লার ধোঁয়ার সালফারের সাথে মিশে তৈরি করবে সালফিউরিক এসিড। মারাত্মক অম্লবৃষ্টিতে আক্রান্ত হবে এই অঞ্চলের মানুষ, প্রাণ, প্রকৃতি, কৃষি। শীতকালে আবার উত্তুরে বায়ুর ধাক্কায় তা আচ্ছাদিত করবে গোটা সুন্দরবনকে, সেখানাকার স্পর্শকাতর প্রাণব্যবস্থা অচিরে বিলুপ্ত হবে। বঙ্গোপসাগরের মাছের ভাণ্ডার, তিমি আর ডলফিনের বিচরণক্ষেত্রও বিনষ্ট হবে।

Hoentin'ireo rivo-pahavaratra mankany Bengals afovoany sy avaratra ireo setroka mahafaty avy ao amin'ny tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany ireo. Hihetsika ireo entona avy amin'ny ranomasimbe rehefa miaona amin'ny solifaran'ireo setroky ny arintany ary hivadika ho asidra solifiorika. Hiantefa any amin'ny vahoaka, ny voly sy ny biby ary ny zava-maniry any amin'ireo faritra ireo ny orana misy asidra mahafaty. Mandritra ny ririnina, hanosika ireo rahona misy poizina ireo any amin'ny faritr'ireo Sundarbans ny rivotra avy any avaratra ka hamono ireo karazan-javatra efa tandindonin-doza. Tsikelikely dia hisy fiantraikany any amin'ireo tahirin-trondro ao amin'ny Hoalan'i Bengal, isan'izany ny fonenan'ireo “dauphins”.

“Tsy mamonjy ny firenena amin'ireo loza voajanahary fotsiny ireo Sundarbans, manome loharano voajanahary ihany koa izy ireo ary anatin'izany ny sakafo. Noho izany dia mino izahay fa tokony hamonjy ireo Sundarbans isika”, hoy ny voasoratry ny mpitoraka bilaogy sady mafana fo, Kallol Mustafa:

সুন্দরবন আমাদের অস্তিত্বের সাথে যুক্ত। সুন্দরবন এতদিন আমাদের গোলপাতা, কাঠ, মোম,মধু,মাছ দিয়েছে, প্রতিরক্ষার দেয়াল হিসেবে ঘূর্ণিঝড় থেকে বাচিয়েছে। সেই সুন্দরবনের অস্তিত্ব যখন রামপাল কয়লা ভিত্তিক বিদ্যুৎ কেন্দ্রের জন্য হুমকীগ্রস্থ, তখন সেই বিদ্যুৎ কেন্দ্রের বিপদ থেকে সুন্দরবনকে বাচানো আমাদেরই দায়িত্ব।

Miaraka amin'ny fisiantsika ireo Sundarbans. Nanome antsika hazo, ravin-kazo lehibe, tantely, trondro ary rindrina miaro manerana ny sisin'ny morontsiraka izy ireo mba hamonjena antsika amin'ny rambondanitra. Rehefa ny fisian'ireo Sundarbans no tandindonin-doza, dia tokony hamonjy izany amin'ny fanakanana io tobin'herinaratra io isika.

The National Committee to Protect Oil, Gas, Mineral Resources, Power and Ports started its five day Dhaka-Sundarban Long March to press its seven-point demand, including scrapping of the Rampal Thermal Power Plant project to save Sundarban forest. Image by Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (24 September, 2013)

Nanomboka ny Diabe nandritra ny dimy andro avy ao Dhaka mankany Sundarban ny Kaomity Nasionalin'ny Fiarovana ny Solitany, Entona, ireo Loharano Mineraly, Angovo ary Ireo Seranana, hanindriany ny fangatahany miisa fito, isan'izany ny fanilihany ny tetikasa Fametrahana Tobin'herinaratra Mampiasa Hafanana ao Rampal. Sary avy amin'i Indrajit Ghosh. Fizakà-manana Demotix (24 Septambra 2013)

Naminany i Muniruddin, mpanao gazety sady mafana fo momba ny kolontsaina, tanatinà  fanehoan-kevitra malalaka (op-ed) tao amin'ny BDNews24.com fa hahatonga tantara io diabe io noho ny famonjeny ny ala.

Nitoraka bitsika antso iray ny mba tsy hananganana io tobin'herinaratra io i Musa Ibrahim (@beyondallpeaks), tafahanika soa aman-tsara ny Tendrombohitra Everest:

An-tapitrisany ireo vorona misiontsioka any amin'ireo Sundarbans. Miangavy anao tsy hanimba ny feon”izy ireny…

Nanome antony iray hamonjena ny alan'ireo Sundarbans i Jawwadul Fattah (@JawwadulFattah):

Afaka manangana tobin'herinaratra any amin'izay tianao ianao.. fa tsy afaka manangana Sundarbans tsy tena izy… #SaveSundarban

Nanoratra tamin'ny fomba maneso tao amin'ny Facebook ny mpitoraka bilaogy Akter Ahmed:

সুন্দরবনের ক্ষতি হইলে হোক। আমাদের বিদ্যুৎ কেন্দ্র দরকার। ইলেক্ট্রিসিটি থাকলে বাঘ, হরিণ, গাছপালা এইসব টিভিতেও দেখা যাবে। ব্যাপার না!

Aza miraharaha na ho potika aza ireo Sundarbans. Te-hanana tobin'herinaratra isika. Raha manana herinaratra isika dia afaka mijery ireo tigra, ondry ary ala any amin'ny Fahitalavitra. Tsy olana izany.

Mijery izany amin'ny fomba fijery hafa ny mafana fo momba ny tontolo iainana sady injeniera, Muntasir Mamun. Nanoratra izy:

আমি জানি কথাটা আমার বন্ধুদের খারাপ লাগবে, রামপাল নিয়ে আমার বেশ কিছু নামিদামী বন্ধুরা বল্গগীং এবং স্ট্যাটাস আপডেটের মাধ্যমে এর বিরধিতা করে আসছেন। কিন্তু খুবই লজ্জার বিষয় হলো তাদের সবারই বসার ঘরে এসি আছে ! এমনও কয়েকজন আছেন যারা মিনি এসি নিয়েই ঘোরেন। তো সরকার কেন আপনাদের কথা শুনবে? সরকারতো জানেই আপনাকে তুষ্ট করার জন্যই এত কিছু।

Fantatro fa ho ratsy ny fandraisan'ireo namana sasany an'ity, maro ireo namana malaza manohitra ireo tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany ao Rampal ety anatin'ny Facebook sy ny bilaoginy. Nefa manana fanovaovana rivotra izy ireo any an-tranony (ary mijaly noho ny fahatapahan'ny herinaratra matetika). Mahafantatra vitsivitsy aho mandehandeha miaraka amina “ACs” kely. Koa nahoana no hihaino anao ny governemanta? Fantatr'izy ireo fa natao hahafaly anao fotsiny ny tobin'herinaratra.

Shaugat Ali Sagar, mpanao gazety ivelan'ny fireneny mipetraka any Kanada, dia nangataka ny hamoahan'ny governemanta ny fanadihadiana ara-toekarena sy eo amin'ny lafiny tontolo iainana momba io tetikasa io:

রামপাল নিয়ে কোনো ধরনের গোয়ার্তুমি বা রাজনৈতিক বক্তব্য চাই না। সরকারের উচিত হবে প্রস্তাবিত প্রকল্প স্থাপনের আগে পরিবেশ এবং অর্থনৈতিক উপযোগিতার যে সমীক্ষা (যদি হয়ে থাকে) হয়েছে তার তথ্য জনসম্মুখে প্রকাশ ও প্রচার করা।

Tsy mila fanamarihana mihebohebo na politika intsony momba io tobin'herinaratra Rampal io izahay. Tokony hamoaka ampahibemaso ny fanadihadiana ara-toekarena sy ara-tontolo iainana momba io tetikasa io (raha natao izany) ny governemanta mialoha ny hanombohany ny tetikasa.

Kaomity Nasionalin'ny Fiarovana ny Solitany, Entona, ireo Loharano Mineraly, Angovo ary Ireo Seranana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.