Hong Kong: Manaova Tsia Amin'ny Fivarotana Sy Fanaovana Taozavatra Amin'ny Haranify

Nidina an-dalambe ny vondron'olon-tsotra mahatsiaro voakasika sy ireo ONG, ny Hong Kong for Elephants, ny 4 Oktobra tany amin'ny tanàn-dehibe mba hiantso ny Governemantan'i Hong Kong hamotika manontolo ny tahirinà haranifin'elefanta milanja 25 taonina nogiazany.

Io fidinana an-dàlambe tao an-toerana io dia hetsika firaisankina amin'ny Diabe Iraisam-pirenena ho an'ny Elefanta nokarakarain'ny David Sheldrick Wildlife Trust eo ambanin'ny hetsi-panentanana iworry.

Lucy and Christine are acting as the spokesperson for the anti-ivory trade campaign in Hong Kong. Photo from Avaaz.org

Mijoro ho mpitondra tenin'ny hetsi-panentanana hiadiana amin'ny fivarotana haranify any Hong Kong i Lucy sy Christine. Sary avy ao amin'ny Avaaz.org

Natomboka tamin'ny fanangonan-tsonia nataon'i Lucy Lan Skrine 11 taona sy i Christina Seigrist 8 taona, tao amin'ny Avaaz.org io hetsika hiadiana amin'ny fivarotana Haranify ao an-toerana io tamin'ny tapaky ny volana Septambra, hangatahana ny famotehana ny haranify voageja mba handefasana famantarana mahery ho an'ireo Sinoa mpanjifa fa tsy mety sady mifanipaka amin'ny foto-pisaina tokony ho izy ny fividianana haranify. Mianatra any Hong Kong ireo ankizy mpianatra roa ireo, seranana lehibe fanaovana varotra amin'ny fomba tsy ara-dalàna eran-tany ny haranify avy any Afrika mankany amin'ny tanibe Shina. Tanatina tafatafa [zh] niarahan'izy ireo tamin'ny inmediahk.net, nilaza izy ireo fa tia biby ary te-hampitsahatra ny famonoana betsaka ireo elefanta marobe amin'ny alalan'ny fanampiana azy ireo handrenesana ny feony. Lasa mpitondra tenin'ny Hong Kong for Elephants izy roa vavy.

Activists demonstrated outside the Chinese Arts and Crafts Department Store on October 4. Photo by Mara McCaffery shared in International March for Elephants' event page.

Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny Departemanta Fitahirizana ny Haikanto sy Taozavatra Sinoa ireo mafana fo ny 4 Oktobra. Sary avy amin'i Mara McCaffery nozaraina tanatin'ny pejin'ny hetsika Diabe Iraisam-pirenena ho an'ireo Elefanta.

Na eo aza ny famoretana mavitrika ataon'ny Departemantan'ny Fomban-drazana sy ny Hetra ao Hong Kong atao an'ireo mpanodinkodina ny haranify amin'ny alalan'ny fametrahana ny Fifanarahana momba ny Varotra Iraisam-pirenena Ireo Karazam-biby sy zava-maniry Anaty ala ahiana ho lany tamingana(CITES), sarotra ho an'ireo manampahefana ny hamantatra sy hanasazy ireo mpanodinkodina. Ankoatra izay, malalaka ny fivarotana ireo haingo vita avy amin'ny haranify any Hong Kong sy any amin'ny tanibe Sina. Rehefa nampidirina antsokosoko soa aman-tsara ao amin'ny tanibe Shina ny haranify mandalo an'i Hong Kong, dia amidy any amin'ireo mpanao sary sokitra sy mpanodina akora voajanahary izany, ary ahodina ho vokatra lafo vidy ary aely any amin'ny varotra ao an-toerana, na amin'ny alalan'ireo varotra nahazoan-dàlana, na avy amin'ny varo-maizina.

Izany no mahatonga ireo hetsi-panentanana iraisam-pirenena miady amin'ny fivarotana haranify, tahaka ny Save All Elephants, miantso ny hanatsaharana ny indostria mpanao sary sokitra vita avy amin'ny haranify any Shina:

Shina no singa lehibe indrindra eo amin'ny fivarotana ny haranify, nefa milaza izy ireo fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fihazana tsy ara-dalàna. Ny fanaovan'izy ireo sary sokitra anatin'ireo orinasa be dia be ireo no mamokatra ireo zavatra vidian'ny olona. Ny fanaovana sary sokitra no mbola mampandeha ny varotra. An'i Shina ny hadisoana, anatin'ireo akora ara-dalàna fanaovana sary sokitra ny haranify ao aminy. Tsy maintsy hampanantsoina izy ireo amin'izany, ary ianao, mafana fo, no tokony hanao izany, ianao no tokony hangataka ny governemantanao hitaky ny hanatsaharan'i Shina izany mba hahafahan'ireo elefanta ireo zo hiaina.

Tanjona maharitra ihany koa izany ho an'ny Hong Kong for Elephants izy ity. Ny 4 Oktobra, manodidina ny 30 ireo mafana fo momba ny biby nirotsaka an-dàlambe tany amin'ny Araben'i Nathan tany Tsim Sha Tsui, faritra saika natokana ho an'ny fizahantany ao Hong Kong. Rehefa nandalo ny Haikanto & Taozavatra Sinoa izy ireo, departemanta malaza fitahirizana misy ireo taozavatra Sinoa lafo vidy izay mitahiry  ireo haingo vita avy amin'ny haranify, nangataka ireo mpanjifa Sinoa tsy hividy vokatra avy amin'ny haranify intsony izy ireo.

Ankoatra ny fampahatsiarovan-tena  ny vahoaka, dia hamoaka ireo sonia voaangona nandritra ilay fanangonan-tsonia natao tao anaty aterineto halefa any amin'ny governemantan'i Hong Kong io vondrona io ary nikarakara fihaonana miaraka amin'ny Departemantan'ny Fambolena, ny Jono ary ny Fitehirizana mba hiresahan'izy ireo momba ny fanangonan-tsoniany ho famotehana ny haranify voageza rehetra. Araka ny nazavain'io vondrona io, fanombohana fotsiny ihany ny famotehana ireo haranify voaangona ireo, ny andraikitr'izy ireo dia ny handrara ny fivarotana haranify ao an-toerana:

Christine wants consumers aware that buying of ivory products is equal to killing of elephants. Photo from Hong Kong for Elephants.

Te-hampahatsiaro saina an'ireo mpanjifa i Christine hoe ny fividianana ireo vokatra azo avy amin'ny haranify dia sahala amin'ny mamono ireo elefanta. Sary avy ao amin'ny Hong Kong for Elephants.

Angatahanay ihany koa ny governemanta Sinoa handrara ny fivarotana haranify ao an-toerana, hanakatona ireo trano fivarotana vokatra avy amin'ny haranify ary hanakatona ireo orinasam-panjakana 37 mpanao sary sokitra vita avy amin'ny haranify manerana ny firenena.

Nefa voalohany indrindra dia mangataka anao hanao sonia ny fanangonan-tsonia ataonay ho fangatahana ny governemanta ao Hong Kong hamotika sy handoro ny tahirina haranify izahay. Mangataka an'i Hong Kong handefa hafatra ho an'izao tontolo izao izahay fa tsy mandray ny haranify ny aty ary tsy hamela ny tanànanay ho anatin'izany varotra mahatsiravina izany intsony izahay. Hevero ireo elefanta izay maty mba hahazoana ireo haranify 25 taonina ireo. Tsy maintsy manao izay vitantsika isika mba hahazoantsika antoka fa tsy ho fatifaty foana izy ireo…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.