Sarintany Iaraha-miasa Mba Hiraketana Ireo Nanjavona Tany Meksika

portodxslxsdesaparecidxs

Niray hina ny vondron'olom-pirenena sy mafana fo hanao sarintany iaraha-niasa hiraketana an-tsaritany ireo olona 27.000 voatatitra ho tsy hita any Meksika : #PorTodxsLxsDesaparecidxs – “Ho an'ireo rehetra nanjavona”.

Hatreto, tranga 6.890 no efa noraketina tamin'ireo 27.000 voatatitra ho tsy hita popoka araka ny Kaomisionam-pirenena Misahana ny Zon'olombelona (CNDH) ao amin'ny firenena, vokatry ny fanafihan'ny miaramila an'ireo fikambanan'ny mpamatsy rongony nataon'ny Filoham-pirenena teo aloha Felipe Calderón tamin'ny 2006.

Niakatra ho 26.121 ny isa ofisialin'ireo olona voatatitra ho tsy hita tanatin'ny enin-taona nitondran'i Calderón ny Febroary tamin'ity taona ity. Nefa araka ny voalazan'i Manuel Robles, mpiara-mandrindra io sarintany io, maro ireo fanjavonana tsy voatatitra ary mety manodidina ny 30.000 na mihoatra eo ny isan'ireo olona tsy hita popoka.

“Raha nanomboka tamin'ny fiahian'i Calderón ireo fanjavonana ireo, tsy nifarana kosa tamin'ny fahataperan'ny fe-potoana nitondrany izany. Mbola misy an'arivony maro ireo nanjavona tsy hita popoka. Manafina ny marina momba ny nanjo azy ireo ny miaramila sy ny mpitandro filaminana. Ary mitohy ny fijalian'ny fianakavian'ireo nanjavona noho ny tsy fahalalana ny nitranga tamin'ireo olon-tiany,” hoy i José Miguel Vivanco, Talen'ny Amerikana ao amin'ny Human Rights Watch, tamin'ny Febroarin'ity taona ity.

Manazava i Manuel Robles fa mampiasa lisitra iray navoakan'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana (PGR) mirakitra ireo tsy hita popoka izy ireo mba hametahana ny tranga tsirairay anatin'ny sarintany, ampian'ireo lisitra navoakan'ireo biraon'ny Fampanoavana avy amin'ny Fanjakana, sy ireo tatitry ny vahoaka. Manamarina ireo tatitra azon'izy ireo avy amin'ny vahoaka ny ekipa ao ambadik'io sarintany io, izay indraindray dia tsy feno.

Avoaka vonjimaika ireo tatitra tsy feno ireo, miaraka aminà fanamarihana angatahana an'ilay olona nandefa ilay tatitra hameno ny fanazavana tsy ampy. Raha tsy misy valinteny aorian'ny “fe-potoana heverina ho sahaza”, araka ny fanazavan'i Robles, dia hoesorina eo amin'ilay sarintany io tatitra io, fa kosa tehirizin'ny ekipa anatin'ny rakiny ilay fampahalalana.
portodxslxsdesaparecidxs

Milaza i Robles fa hatramin'ny nanokafana ny vohikala tamin'ny Jolay, nandefa tatitra tena feno ireo olom-pirenena. “Manome ny vahoaka ireo fitaovana handefasana ireo tatitra ireo izahay, ary tena mitandrina be izahay ny amin'ny zavatra avoakanay mba tsy hahavery ny hatsaran'ny fanomezana vaovao eo amin'ny sarintany”, hoy i Robles nanamafy.

Afaka fenoina anatina sokajy samy hafa ireo tatitra ireo. Tamin'ny fotoana nanoratana an'ity lahatsoratra ity, 2.589 ireo tatitra nofenoina teo ambany ny sokajy “Vehivavy sy ankizy,” 9 teo ambanin'ny “Mpanao gazety,” 160 ny “Fanjavonana an-terisetra,” ary 30 teo ambanin'ny “Hita.”

“Ny tanjona lehibe indrindra [amin'ity sarintany ity], na dia fantatray aza fa mivoana amin'ny zava-misy izany, dia ny ahitana ireo rehetra nanjavona, velona raha ny faniriana, ary ny hampanjakana ny marina amin'ireo maty rehetra tamin'ity ady tsy misy fotony ity,” hoy i Robles.

Na izany aza, miaiky i Robles fa ny tanjona akaiky kokoa ny zava-misy dia ny hanerena ireo manampahefana hamerina handinika ny paikadin'izy ireo amin'ny fiadiana ireo heloka maty paika, indrindra ny fivarotana rongony an-tsokosoko. “Tianay hanao ny asany [ireo manampahefana]. Tianay hanome antoka ny Fanjakana momba ny apetrak'ireo lalàna, sy ny lalàm-panorenantsika, ho adidy sy andraikitry ny Fanjakana: ny fiarovana ny vahoakany. Tsy izany anefa no mitranga”, hoy ny fanazavan'i Robles. “Raha manana faniriana iray izahay ho vokatr'ity asa ataonay miaraka amin'ny sarintany mirakitra ireo tsy hita popoka ity, dia ny hiatrehan'ny fanjakana tanteraka ny adidy sy andraikiny.”

Mahitsy i Robles amin'ny fitsikeràny ny paikadin'ny governemanta Meksikana amin'ilay antsoina hoe “ady” amin'ireo fikambanan'ny mpamatsy rongony sy ny heloka maty paika: “Miaraka amin'ity sarintanin'ireo tsy hita popoka ity dia akopakay ny lafika  hanehoana ny loto ateraky ny politika botribotrin'ny fanjakana .”

Ireo olom-pirenena sy mafana fo samy hafa fiaviana sy asa no mitambatra ho ekipa iray ao ambadik'io sarintany io. Midera ny asan'izy ireo ny bilaogy Meksikana Nuestra Aparente Rendición [es]:

A pesar de tener ocupaciones como consultorías o atender a la familia, estos héroes del ciberespacio (algunos anónimos) hacen a un lado problemáticas de su vida cotidiana para dedicarse de lleno a una alerta ciudadana en pos del bien común. Entre los integrantes encontramos a (por su Twitter): @misspartes, @princesabathory, @mroblesmx, @cecy_er, @qual36 y Alberto Escoria de @YoSoyRed, quienes se reparten el trabajo que requiere administrar, depurar y cotejar la base de datos de los desaparecidos

Ankoatra ny fananan'izy ireo asa aman'andraikitra amin'ny maha-mpanolo-kevitra na ny fiahian'izy ireo ny fianakaviany, mametraka ireo olana amin'ny fiainany andavanandro ho eny amin'ny sisiny ireo mpamonjin'ny tontolon'ny aterineto ireo (indraindray tsy mitonona anarana) mba hanoloran'izy ireo tena amin'ny hetsi-bahoaka hikatsahana ny tsara ho an'ny rehetra. Anivon'ireo mpikambana hitanay (avy amin'ny anarana ampiasainy ao amin'ny Twitter): @misspartes, @princesabathory, @mroblesmx, @cecy_er, @qual36 ary Alberto Escoria ao amin'ny @YoSoyRed, izay mizara ny asa ilaina amin'ny fandrindrana, fandaminana, sy ny fanangonana ity rakitr'ireo tsy hita popoka ity.

Ao amin'ny Twitter dia mampiasa ny tenifototra #PorTodxsLxsDesaparecidxs io vondrona io mba hanandratana ilay sarintany ary hanasana ireo olom-pirenena hafa hizara ny tatitra any aminy.

Rehefa nanontaniana momba ny tanjona farany tratrarina amin'ity sarintaan ity i Manuel Robles dia namarana hoe : “Fantatray fa singam-pasika monja eny amorontsiraka ny asanay izay tsy maintsy volavolainay sy atsanganay mba hiovan'izany. Tsy mampihemotra anay izany. Fantatray fa tsy maintsy atao izany, ary fantatray fa misy olona tsy maintsy manao izany. Tsy fantatray na hahatonga fiovàna ny ezakay, nefa te-hahita an'i Meksika ho firenena tarihana fitondrana ara-drariny izahay, fitondrana ara-drariny izay mbola tsy misy ankehitriny.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.