Fifaninanana Malalaka Momba ny Rindra An-tsehatra Mandritra Ny Fetiben'ny Filma Creative Commons ao Barranquilla

free screenplay competition CC

mahavita filma fohy ao anatin'ny iray volana ve ianao?

Hamoaka tsangan'asam-pamoronana noho ny fifaninanana filma fohy mifototra amin'ny rindra an-tsehatra malalaka ny Fetiben'ny filma Creative Commons [es] ao Kolombia.

Nokasaina hotontosaina ao an-tanànan'i Barranquilla manomboka ny 23 ka hatramin'ny 26 oktobra 2013 ny fetibe.

Asain'ny mpikarakara ny fetibe ireo mpamokatra sy mpankafy ny asa amin'ny haino aman-jery hamokatra ny iray amin'ireo rindra an-tsehatra dimy ao anatin'ny Creative Commons license izay ampiatanoana ao amin'ny tranonkalan'ny fetibe [es]:

Buscando ampliar la cantidad y variedad de productos audiovisuales libres, este año durante el Tercer Festival de Cine Creative Commons estaremos llevando a cabo el experimento #guioneslibres en el cual un grupo de 5 guionistas han escrito y liberado con licencia Creative Commons varios guiones para ser producidos y realizados por diversos equipos audiovisuales a nivel mundial.

Ho fitadiavana izay hanamaroana sy ny karazan'ny votoatin'haino aman-jery malalaka [maimai-poana], havoakanay mandritra ny fetibe fahatelon'ny filma Creative Commons amin'ity taona ity ny fanandraman'ny #guioneslibres [#rindraantsehatramisokatra], anoratana sy amoahan'ny vondron'ny mpanoratra dimy tantara an-tsehatra maro amin'ny alalan'ny fahazoan-dalana Creative Commons ary vokarin'ny ekipa haino aman-jery eo amin'ny sehatra manerantany

Ny Fikambanan'ny Departemantan'ny Fifandraisana sy ny Fandaharan'asan'ny Oniversite Kolombiana (afohezina hoe AFACOM amin'ny teny espaniola) no namoaka naoty momba ny fifaninanana [es] izay anazavan'izy ireo ny fomba fiasan'ny fahazoan-dalana Creative Commons:

¿Creative commons?
Las licencias Creative Commons son unas licencias de derechos de autor más flexibles que el Copyright. El autor determina qué usos se le pueden dar a su obra, permitiendo una mayor flexibilidad al momento de difundir sus contenidos. Gracias a estas licencias han sido posibles la aparición de nuevos modelos de producción y distribución de contenidos, donde el autor y el público cobran protagonismo al reducirse los intermediarios.

Inona ny fahazoan-dalana Creative Commons?
Ny fahazoan-dalana Creative Commons licenses dia andiam-pahazoan-dalana izay omen'ny mpanoratra ary milefitra kokoa noho ny Copyright. Faritan'ny mpanoratra ireo azo atao amin'ny tsangan'asany, ka azo roritina kokoa rehefa miely ny tsangan'asa. Noho ireny fahazoan-dalana ireny, dia azo atao ny fomba famokarana sy fampielezana ny tsangan'asa, ka ny mpanoratra sy ny mpamaky [mpihaino na mpanatrika] no zava-dehibe kokoa ary mihena kokoa ny an'ireo mpanelanelana.

Ao amin'ny tranonkalan'ny fetibe [es] no hanazavan'izy ireo ny hevitra ambadiky ny fifaninanana malalaky ny rindra an-tsehatra:

#GuionesLibres es un sencillo experimento, una forma de entender las nuevas lógicas de la creación audiovisual colectiva sin más pretensiones que mostrar que en la actualidad la creatividad no tiene que ver con fronteras.

fanadramana tsotra ny #GuionesLibres, fomba iray hahatakarana ny lojikan'ny asan'ny haino aman-jery tsy misy fikendrena hafa ankoatra ny fanehoana fa tsy manam-petra ny androm-pamoronana.

Zarain-dry zareo ihany koa ny fomba fiasan'ny fifaninanana:

Photo of festiccbquilla on Flickr (CC BY 2.0)

Sarin'ny festiccbquilla ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Antes de la fecha límite marcada los realizadores o grupos de realizadores deben enviar a organizadores el link en Youtube o Vimeo donde visualizar su cortometraje o enviar el mismo por http://wetransfer.com al email festiccbquilla@gmail.com junto con los siguientes datos:
– Nombre guión escogido.
– Director: Nombre, dirección, teléfono, celular, email.
– Productor: Nombre, dirección, teléfono, celular, email.
– Información de Integrantes del equipo realizador con sus cargos y listado de créditos completo.
 – Créditos de obras musicales, fotografías o cualquier otro contenido licenciado con Creative Commons usado en la realización del cortometraje.

Mialoha ny hifaranan'ny fotoana, tokony halefan'ny mpamokatra na vondron'ny mpamokatra amin'ny mpikarakara ny rohin'ny filma fohy ao amin'ny Youtube na Vimeo izay mety ahitana ilay filma fohy na alefa amin'ny alalan'ny http://wetransfer.com amin'ny mailaka festiccbquilla@gmail.com miaraka amin'ireo fampahalalana ireto:
– Anaran'ny rindra an-tsehatra nofidiana.
– Tale: Anarana, adiresy, antso, antso finday, imailaka.
– Mpamokatra: Anarana, adiresy, antso, antso finday, imailaka.
– Fampahalalana momba ny mpikambana mpamokatra miaraka amin'ny lisitry ny lahasa feno.
 – [fahazoan-dalana] momba ny asan-kira, saripika na votoaty rehetra voamarika Creative Commons nampiasaina hamokarana ny film fohy.

Ary nasehony ihany koa ny loka ho azon'ny mpandresy:

Primer Puesto Categoría Internacional: 1 Cámara Go Pro Hero 3 + Diploma de Primer Puesto + Merchandising del Festival.
Primer Puesto Categoría Nacional: 1 Cámara Go Pro Hero 3 + Diploma de Primer Puesto  + Merchandising del Festival.
Primer Puesto Categoría Local: 1 Cámara Go Pro Hero 3 + Diploma de Primer Puesto  + Merchandising del Festival.  

Toerana voalohany sokajy Iraisampirenena: Fakantsary 1 Go Pro Hero 3 + Diplaoman'ny toerana voalohany + Varotra amin'ny Fetibe.
Toerana voalohany sokajy nasionaly: Fakantsary 1 Go Pro Hero 3 + Diplaoman'ny toerana voalohany + Varotra amin'ny Fetibe.
Toerana voalohany sokajy an-toerana (an-tanàna): 1 Go Pro Hero 3 Camera + Fakantsary 1 Go Pro Hero 3 + Diplaoman'ny toerana voalohany + Varotra amin'ny Fetibe.  

Araka izay ambaran'i Angie Cabrera avy any Barranquilla, dia iraisampirenena ny antso:

Tsy voatery ho eto Barranquilla ianao vao mandray anjara, asaina ny mpamokatra rehetra avy amin'ny vazantany efatra!

Azonao arahina ao amin'ny Twitter [es] sy ao amin'ny Facebook [es] ny vaovao momba ny fetibe sy ny fifaninanana.

Hatramin'ny faha-13 oktobra ny fetra farany handefasana filma fohy.

Tongava mandray anjara!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.