Torolàlana Ho An'ireo Vao Hanomboka Hampiasa ny Wikimedia Commons

Navoaka ny 28 Aogositra 2013 tao amin'ny bilaogin'ny Wikimedia Commons ny lahatsoratra tamin'ny voalohany indrindra, ary nosoratan'i Sage Ross, Fifandraisina Ao anaty Aterineto ho an'ny Fandaharan'asa Fanabeazan'ny Wikipedia. 

Miaraka amin'ireo failo media maherin'ny 18 tapitrisa azon'ny olon-drehetra ampiasaina maimaimpoana, ny Wikimedia Commons no fametrahana ireo failo manaingo ny Wikipedia sy ireo tetikasa hafan'ny Wikimedia. Nefa araka ny hitan'ireo mpamatsy vaovao maro, mety ho fanamby iray ny fanakàrana ny tontolon'ireo zavatra azon'ny olon-drehetra ampiasaina maimaimpoana sy mitondra fahalalana. Miaraka amin'ny famoahana ny boky kely fanomezana torolalana vaovao, manantena ny handrava ireo hevi-diso iraisana izahay ary hahatonga ny fiaraha-miasa sy ny famatsiana ireo failo media-nao ao amin'ny Wikipedia sy ireo loharano hafa ho mora kokoa.

Puzzly, ilay singanà piozila anaty sariitatra izay mitari-dàlana an'ireo mpampiasa avy amin'ny alalan'ireo fepetran'ny fanomezan-dàlan'ny Wikimedia Commons, no kintan'ilay boky kely vaovao, Illustrating Wikipedia: A guide to contributing content to Wikimedia Commons (Fanaingoana ny Wikipedia: Torolalana famatsiana votoaty ao amin'ny Wikimedia Commons). Anatin'io boky fanomezana toromarika io, ianaran’i Puzzly ny momba ireo fanomezan-dàlana hampiasa maimaim-poana sy ny hahafahan'ireo asa nozaraina tao amin'ny Wikimedia Commons hiantefa any amin'olona an-jato tapitrisany maneran-tany. Sady hita ao anaty aterineto amin'ny teny Anglisy no afaka avoaka printy io boky kely io, ary hampirisihina hanao izany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Wikimedia liana amin'ny fandikana teny sy ny famadihana izany amin'ny teny hafa. Hita amin'ny endrika InDesign sy Scribus ireo failo sary.

Illustrating Wikipedia: A guide to contributing content to Wikimedia Commons

Fanaingoana ny Wikipedia: Torolàlana hizarana votoaty ao amin'ny Wikimedia Commons

Ny fanamby lehibe tamin'ity tetikasa ity dia ny fandanjana ny filàna fanolorana tsotra ny Commons sy ireo fanomezan-dàlana hampiasa maimaim-poana raitra ary ireo fepetran'ny zon'ny mpamorona. Na ho an'ireo mpamatsy efa manana traikefa aza, matetika dia sarotra ny mahafantatra raha afaka atsofoka ho ao amin'ny Commons ny tsangan'asa iray. Ho fanampiana amin'ny fifehezana ireo fahasarotana ireo, nitodika tany amin'ny fianakaviamben'ny Wikimedia Commons izahay. Ny Wikimedia Commons no tetikasan'ny Wikimedia ahitana teny sy toerana samihafa, miaraka amin'ny vahoaka maneran-tany miara-miasa anatina wiki iray. Miasa mihoatra ireo fetran'ny teny sy eo amin'ny fihaonan-dàlan'ny zon'ny mpamorona  izay samy hafa arakaraky ny firenena ireo mpampiasa ny Commons.

Noho ny fahafantarako ny mety hasarotr'ireo fepetra, somary nanahy aho rehefa nanomboka nangataka valiny izahay ny amin'ny mety hahasarotra hatrany io boky kely io — ny mety hahaverezan'ny fifantohana amina torolàlana iray tsotra ho an'ireo olona vaovao vao tonga. Nefa vantany vao tonga ny valinteny voalohany, fantatro fa diso toerana izany tahotra izany. Nitondra nankany amina vokatra mahery kokoa ny tsikera maranitra sady tsotra avy any amin'ireo efa ampy fahaiza-manao, mpampiasa ny Commons manodidina ny 20 teo, tao amin'ilay lahatsoratra voalohany sy ireo vakiraoka fanaingoana maro.

Mandrakotra ireo zavatra tena ilaina raha hanomboka hamatsy eo amin'ny lafiny media ny Illustrating Wikipedia — miainga amin'ny fampakàrana failo, ny fanaingoana ireo pejy wiki amin'ny fampiasana ny wikicode sy ny VisualEditor vaovao, ny fisafidianana fanomezan-dàlana hampiasa maimaim-poana, ny fikarohana sy fampiasana ireo sangan'asan'ny hafa ho azon'ny rehetra ampiasaina sy any amin'ny sehatra ho an'ny daholobe, ary mifarana amin'ireo hevi-diso izay matetika no mampisalasala ireo vaovao mpandray anjara. Raha miara-miasa amin'ireo olona vaovao izay te-hamatsy ny Wikimedia Commons ianao, na ny tenanao mihitsy no vaovao, manandrama an'io boky kely io, ary zarao aminay ny hevitrao.

Naverina navoaka teo ambanin'ny fahazoan-dàlana Creative Commons ity lahatsoratra sy sary ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.