Ilay Tarika Syriana-Palestiniana “Refugees of Rap” : “Efa Lasa Ny Fotoanan'ny Fahanginana “

Ity lahatsoratra ity dia niarahana tamin'ny Syria Untold.

Ny “Refugees Of Rap” dia tarika Syriana-Palestiniana mpiangaly hip-hop isan'ny voalohany raha ao Syria. Tamon'ny 2005 no nanomboka nihira tao amin'ny faritry ny fonenan'ireo Palestiniana tao Yarmouk, any amin'ny faritry ny Renivohitr'i Syria,  Damaskaosy ireo efatra mirahalahy mpiangaly rap ireo avy ao Syria, Palestina ary Algeria no fiaviany. Niaka-tsehatra tany amin'ny faritra maro tao Afovoany -Atsinanana sy tany amin'ireo toerana fanta-daza indrindra any amin'io faritra io izy ireo, toy ny tao amin'ny Cairo Opera House, hatramin'ny fotoana nahazoan'izy ireo hafatra fandrahonana ho faty avy amin'ireo manamboninahitry ny fitandroana filaminana, nopotehana ny Studio izay azy ireo, ary voatery nandositra niala ny taniny izy. Vao avy namaoka ny vokatra kapila mangirana fahatelo izy ireo izao, “The Age Of Silence”, endrika iray hampisehoana ny toerana nandetehana an'i Syria anm-polo taonany maro.

Refugees of Rap new album cover. Source: Refugees of Rap facebook page

Ny ivelan'ilay kapila vaovaon'ny Refugees of Rap. Loharano : Pejy Facebook  Refugees of Rap

 

Rehefa nanomboka ny hetsi-bahoaka tao Syria ny volana Marsa 2011, ny mozikany no nampiasain'ny  Refugees of Rap niadiana tamin'ny didy jadona. Tsy ela anefa dia nenjehan'ny fitondrana izy ireo, izay niafara tamin'ny fanapotehana ny Studio vaovaon'izy ireo. “studio tao amin'ny toby ary novatsian'ny Firenena Mikambana vola izy io, izay nantsoinay hoe Sawt Al Shaab (Ny feon'ny Vahoaka),” hoy i Yasser Jamous, mpikambana iray ao amin'ny tarika, tamin'ny Syria Untold. Ny volana May 2013 no nandaozan'izy ireo ny tanindrazany hanavotany ny ainy, kanefa mbola nanohy mampiasa ny asa sorany ihany izy ireo hilàzana ny tsy rariny nihatra tamin'ireo Syriana teo ambany fitondran'i Assad .

 

“Nahazo VISA ho any Frantsa ihany izaho sy ny rahalahaiko nony farany ary niala tao Syria,” hoy ny fanazavan'i Yasser. “Nandray fiaramanidina ho any Parisy aloha izahay vao nitodi-doha nankany Soeda, toerana izay onenan'ny maro amin'ireo namako sy ny fianakaviako. Nanomboka niakatra an-tsehatra nitety faritra sy firenena izahay, toy ny tao Danemarka, kanefa indrisy fa noho ny lalàna Eropeana momba ny fifindra-monina antsoina hoe Dublin 2, dia naverina tao Frantsa indray izahay.” Manao fangatahana fialokalofana izy ireo amin'izao ary manantena fa ho raisina toy ny mpialokaloka afaka fotoana fohy. 

 

 

Niara-niasa tamin'ireo mpihira malaza manerana izao tontolo izao ny Refugees of Rap, ohatra amin'ireny ny tarika Palestiniana DAM mpiangaly hip-hop, tao anatin'ilay hira hoe “Afkar” (Eritreritra), ary naseho tamin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena toy ny  Rolling Stones, sy ny BBC, izay nanao fanadihadiana manokana mahakasika ny asa vitan'izy ireo ny taona 2010. 

 

 

Raha te-hahalala misimisy kokoa mikasika ny tarika Refugees of Rap, jereo ny pejy Facebook, kaonty Twitter ary ny fantsona Youtube.

Ity lahatsoratra ity dia niarahana tamin'ny Syria Untold.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.