Horakora-Pifaliana Nandresy An'i Nizeria Tamin'ny Segondra Farany Ny An'ny Ekipa Basikety Vehivavy Mozambikana

Horakoraka ny an'ny Mozambikana omaly raha nandresy an'i Nizeria tamin'ny segondra farany nandritra ny lalao ampahaefa-dalana tamin'ny Afrobasket tao Maputo ny ekipam-pireneny, “Samurai” vehivavy araka ny ahafantarana azy.

Dibo-kafaliana ireo vahoaka taorian'ny fandresena miezinezina tamin'ny 27 Septambra 2013, satria nanamarika isa enina ny ekipa Samurai tao anatin'ny 24 segondra, baolina 2 tafiditra samy nahazo isa 3 – ny iray nampidirin'i Leia Dongue tao anatin'ny roa segondra farany. Rehefa very fotoana tamin'ny fitarihana nandritra ny fanombohan'ny lalao, dia nahavita hetsika tsy hay adinoina i Mozambika, nampian'ny tombony tamin'ny fampiantranoana ny lalao.

Mampiseho ny ambiansy mafana sy ny seho tamin'ny segondra farany ity lahatsary ao anatin'ny lapan'ny fanatanjahatena Maxaquene izay hipoka olona ity:

Nanoratra ny fotoana farany nandritra faran'ny lalao tao amin'ny rindrin'ny  Facebook-n'ny gazety i Sabado Tomucene mpamaky ny @Verdade:

O ambiente euforico vivido nos ultimos 5 segundos finais em que aconteceu o triplo victorioso foi loucura. Ver aquele publico saltar, vibrar, gritar, chorar… ver aquelas pessoas transpiradas que 1 minuto antes estava todo pavilhap gelado porque ja nao se acreditava naquele final feliz, Ver nossa jogadora desmaiada (!!) pelo impacto emocianante do triplo victorioso quando poucas pessoas senao apenas a equipa tecnica e as jogadoras tentavam acomoda-la.
FOI UMA LOUCURA TOTAL

Mafana tanteraka ny ambiansy nandritra ny dimy segondra farany raha tafiditra ny baolina nahazoana isa telo nitondra ho amin'ny fandresena. Mahita ireo mpijery mitsambikimbina, mihovitrovitra, mihiaka sy mitomany… mahita ireo olona tsemboka tao anatin'ny iray minitra farany mialoha ny hanginana tanteraka ary efa tsy nanantena hahita fiafarana tsara intsony, mahita ny mpilalaontsika torana noho ny fihetseham-po tamin'ny fahazoana isa telo nibatàna ny fandresena raha nisy olona vitsy mpanohana ny ekipa sy ny mpilalao miezaka ny [hamelona] azy.

[TSY NAMPOIZINA MIHITSY].

Photo by Leia Dongue shared on Flickr by @Verdade (CC BY 2.0)

Sary nozarain'ny @Verdade tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Tsy dia fahita firy amin'ny ekipa nasionaly ny mampientanentana tahaka izao tao Mozambika, ary matetika atao tsirambina tahaka ny any amin'ny firenena  maro ny fanatanjahatena andraisan'ny vehivavy anjara. Tsy izany anefa no niseho tamin'ny alina. Hipoka fanehoan-kevitra sy hafaliam-po ny rindrin'ny gazety @Verdade, izay manana mpamaky maherin'ny 40.000 amin'izao fotoana izao. In-172 nisy nizara ny sary iray, misy an'i Leia Dongue, ary nahazo “Tiako (like)” maherin'ny 1.120  sy nahitana fanehoan-kevitra maharavoravo maherin'ny 440 avy amin'ireo mpamaky ny @Verdade.

Mpamaky iray, Estevao Fanuel Tete nilaza hoe:

O corte de energia k se deu na TVM nesses ultimos segundos do jogo deve me ter salvo a vida. Eu ja estava agonizando!!! Nunca antes uma partida de modalidade alguma tinha posto tao em causa a minha saude.

Mety ho nahavonjy ny aiko ny fahatapahan-jiro tao amin'ny TVM [Fahitalavitra ao Mozambika] tao anatin'ny segondra farany tamin'ny lalao fifaninanana. Nijaly aho! Mbola tsy nahita lalao niantraika tamin'ny fahasalamako tahaka izao aho hatramin'izay niainako.

Mpamaky hafa Adriano Felix nanoratra tao amin'ny rindrina Facebook-n'ny @Verdade:

Num momento de crises diversas pelo país, estas campeãs fazem de tudo pra levantar a nossa autoestima e orgulho de ser daqui. Ainda vamos sentir o impacto disso na sociedade, na economia e na cultura nacionais, na reputação internacional. Quem, fora de Moz, não googlou sobre moz desde que o evento começou? Gerou curiosidade, ne. Quem nestes não vai trabalho ou escola cheio de si e da moçambicanidade adoirada pleas meninas? Já não se lamenta falta disto ou aquilo, comenta-se orgulhosamente as proezas das nossas representantes. Ainda há quem pense que não importa investir no desporto e na cultura! Quem negaria o título de heróinas nacionais as meninas?!

Ao anatin'ny fotoana andalovan'ny krizy isan-karazany ato amin'ny firenena, manao izay vitany mba hampitombo ny maha-izy antsika sy ny reharehantsika amin'ny maha-Mozambikàna antsika ireto tompondaka ireto. Hotsaroantsika hatrany ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiarahamonina, ny toekarena sy ny kolontsaim-pirenena ary ny lazan'ny firenentsika. Iza ivelan'i Mozambika no tsy nikaroka momba an'i Mozambika tamin'ny Google hatramin'ny nanombohan'ny hetsika? Nahatonga ny olona ho liana te-hahafantatra izany. Iza tamintsika no tsy handeha hiasa sy hianatra te-hijoro tanteraka amin'ny mahamozambikana antsika izay ankafizin'ireo vehivavy ireo fatratra? Tsy misy intsony ny fitarainana tsy fisiana an'izatsy na izaroa, hilaza hevitra am-pireharehana amin'ny herim-pon'ireo solontenantsika ireo. Mbola misy ihany ve ny hilaza fa tsy ilaina ny mampiasa vola amin'ny fanatanjahatena sy ny kolontsaina? Iza no handà amin'iireo vehivavy ireo ny  maha-maherifon'ny firenena azy ireo?

Hifaninana amin'ny Kamerona ny ekipa Samurai androany amin'ny lalao manasa-dalana, ary mamazivazy ireo mpanara-baovao Mozambikana fa “hanendy” an'i Kamerona izy ireo – Camarões ny dikan'ny Kamerona amin'ny teny Portiogey, mitovy amin'ny hoe makamba. Sakafo ankafizin'ny ao Mozambika ny patsa be sy ny makamba voatono. Ny lalao manasa-dalana iray kosa dia hifanandrinan'ireo samy tompondaka Angola sy i Senegaly. Mety hampientanentana tanteraka hany koa ny famaranana eo amin'i Angola sy i Mozambika, satria mpifandrafy eo amin'ny fanatanjahatena ireo firenena roa tonta ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.