Mandeha Ny Tsaho Fa Nanambady Fanindroany i Putin

Alina Kabaeva appears in a music video, 12 September 2010, screenshot from YouTube.

Alina Kabaeva mipoitra aminà horonantsary, 12 Septambra 2010, pikantsary tao amin'ny YouTube.

Efa ela no niely ny tsaho fa mifankatia amin'ilay mpanao fanatanjahatena teo aloha Ouzbeka, Alina Kabaeva i Vladimir Putin. Eny tokoa, niseho izany [tsaho] talohan'ny fisaraham-panambadian'i Putin izay nambarany tamin'ny fampahalalam-baovao tamin'ny volana Jiona 2013. Tamin'ny herinandro lasa teo, mbola niverina niparitaka indray ny tsaho, ary manahy ireo tia karokaroka ao amin'ny RuNet fa mety ho natao mariazy mihitsy i Putin (60 taona) sy i Kabaeva (30 taona).

Nanomboka tamin'ny sioka nivoaka tamin'ny Asabotsy atoandro izany:

Nisy nilaza aho fa natao mariazy i Putin sy Kabaeva androany tao amin'ny fiangonana Iversky. Voahodidina avokoa i Valdai manontolo.

Nisy nandefa in-500 ity hafatra nosoratan'ilay mpisolovava Kaloy Akhilgov ity, ary nahatonga ny tontolon'ny bilaogy Rosiana hikaroka fanampim-baovao. Ora vitsy taty aoriana, Akhilgov nitatitra hoe:

Ry namana, tsy fantatro ny fahamarinan'ny zava-niseho, saingy nilaza ny mponina ao amin'ilay faritra fa nobahanan'ny FSO ny zavatra sy ny olona rehetra manodidina an'i Iversky.

Kaonty Twitter mpaka-tahaka namazivazy ny mpitondra-tenin'i Putin, Dmitry Peskov, nisioka haingana hoe:

Eny, nanambady i Vladimir Vladimirovich! Tsy tamin'i Alina Kabaeva, fa tamin'ny fitondram-panjaka.

Ora fohy taorian'ny sioka voalohany nalefan'i Akhilgov, niseho tao amin'ny fahitalavitra Dozhd (TV Rain) i Dmitry Peskov ary nandà ny fisian'ilay tsaho, ka nanome tsiny ny tontolon'ny bilaogy noho ny tabatabany, ary niampanga ireo mpiserasera noho ny “fihetsik'izy ireo tamin'ny Asabotsy tao amin'ny aterineto”. Vao mainka nampitombo ny buzz izany fandavàna toa tsy dia mazava izany. Ohatra, mpisera ao amin'ny LiveJournal, Egor Sedov nilaza fa nampidonaka ny afo indray i Peskov ary nahatonga izany ho tantara be niely indray

Я этих слухов не слышал.  Зато теперь – услышал. Кому спасибо говорить? А г. Пескову, вот кому. Смолчал бы Песков – и слухи (даже если они и были) стихли бы сами собой. Теперь – нет. А вообще, Кабаева, вроде, мусульманка? Или нет? Если мусульманка, то возможно ли венчание?

Tsy nahare izany tsaho izany aho. Saingy ankehitriny, fantatro izany. Iza no hisaorako? Andriamatoa Peskov! Raha tsy nanao fanambarana i Peskov, efa nitsahatra ho azy ny tsaho (na dia marina aza). Saingy tsy izany no zava-misy. Zavatra hafa: Miozolomana ve i Kabaeva? Sa tsia? Raha Miozolomana izy, azo tanterahina ve ny fanambadiana?

Naneho hevitra mikasika ny finoana amin'izany fanambadian'i Putin sy Kabaeva izany ny fiheveran'ny bilaogera hafa fa nivadika finoana i Kabaeva mba hahafahany manambady an'i Putin.

Bilaogera Pasha Businessman nilaza tamin'ny tontolon'ny bilaogy mba hitony ary hitsahatra amin'ny fampielezana ireo tsaho tsy mari-pototra:

Считаю все эти слухи выдумками. Кроме самих слухов подтверждений из других источников нет.

Ни одной фотографии, ни одного видео и так далее. Даже не важно как это комментирует пресс-служба. Кроме вбросов таблоидов и таблоидных журналистов никаких других фактов, что Путин встречается с Кабаевой нет.

Господа журналисты давайте не будем бегать впереди паровоза, получите факты, зафиксируйте, подтвердите из независимых источников а потом и публикуйте.

Mino aho fa tantara noforonina fotsiny izany tsaho rehetra izany. Ankoatra ny tsaho, tsy nisy ny fanamarinana taminà loharanom-baovao hafa.
Tsy nisy na dia sary iray aza, na lahatsary, sns. Tsy maninona izay lazain'ny sampan-gazety. Ankoatra ireo vaovaon'ny gazety mpanafintohina (tabloide journalisme) sy ireo mpanao gazety rehetra avy amin'izany, tsy nisy ny filazana fa [efa] nihaona tamin'i Kabaeva i Putin. Ry mpanao gazety hajaina, aza mahita volana alohan'i Habib.

Jereo ny zava-misy, fakafakao tsara, hamarino amin'ny alalan'ny loharanom-baovao mahaleotena, izay vao havoaka.

Tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny, mpanao gazety Natalia Gevorkyan nanontany ny antony mahatonga an'i Kremlin manao izany ho “raharaha manokana,”. Nanamarika ny antony mahatonga an'i Putin niandry ny fielezan'ny tsaho amin'ny media vao manambara ny fisaraham-panambadiany.

Сколько лет не жил с женой, прежде чем сходить в театр на интервью о разводе? Теперь столько же лет проживет в браке, прежде чем о нем объявить? Может, правда, на Олимпийских играх…. Как-то логично-символично.

Firy taona izay no efa tsy niara-nipetraka tamin'ny vadiny intsony i [Putin] alohan'ny niakarany an-tsehatra hiresahana momba ny fisaraham-panambadiany? Ankehitriny, haharitra taona maro amin'ity fanambadiana ity ve izy vao hanambara izany? Angamba, na dia izany aza, amin'ny lalao Olaimpika…. Izay no [hita] fa lojika sy saimbolika [mba hanambarana izany ao].

Toa hita fa resabe fotsiny ny tsaho momba ny fanambadian'i Putin fanindroany. Saingy raha marina ny nambaran'i Gevorkyan fa miandry fotoana tsy ampoizina sy malaza tsara i Putin vao hanao fanambarana mampitolagaga, tsy maintsy miandry amin'ny taona hoavy amin'ny lalao olaimpika ao Sochi izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.