Tsy Mifandray Tanàna Etazonia Sy Iran, Saingy Mitoetra Ny Fanantenana

'At the negotiation table' Cartoon by Mana Neyestani via Iran Wire

‘Etazonia sy Iran eo amin'ny latabatry ny fikaroham-bahaolana’ Saritatr'i Mana Neyestani avy amin'ny Iran Wire (nahazoana alàlana)

Na dia be aza ny fiandrandràna ny hisian'ny fifandraisan-tànana tsotra teo amin'i Barack Obama filohan'i Etazonia sy Hassan Rouhani, filoha vaovao ao Iran tao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ity herinandro ity, tsy nisy izany. Nefa ny Talata 25 Septambra dia samy nanao kabary namelona ny fanantenana hisian'ny fihavanana eo amin'ny firenena roa tonta ireo filoha roalahy nandritra ny kabariny tao amin'ny Fivoriana Itambarambe faha-68-n'ny Firenena Mikambana.

“Tsy mitady fiovàn'ny fitondràna izahay, ary hajainay ny zon'ny Iraniana hiditra amin'ny angovo niokleary am-pilaminana,” hoy Obama.

Nony anjarany,  niteny i Rouhani fa nihaino tsara ny kabarin'i Barack Obama filohan'i Etazonia izy ary nanantena fa “hisafidy ny tsy hanaraka ireo tombontsoa miseran'ireo vondrona mandàla sy manome lanja ny fampiasàna hery” mba “hahafahan'ny firenena roa tonta ho tonga aminà sehatra hitantanana ny tsy fitoviam-pijery.” Tanatinà lantom-peo mitory fihavanana, niteny izy fa “tsy mitady izay hampitomboana ny fifanenjanana misy aminy sy Etazonia i Iran”

Naneho fomba fijery maro samihafa ireo mpisera ety anaty aterineto mikasika ilay kabarin'i Rouhani  – avy any amin'ny fanajàna mankany amin'ny hadisoam-panantenana, avy any amin'ny efa nandeha mankany amin'ny fiakarana vaovaon'ny vanim-potoana iray vaovao.

Arash Kamangir, mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka dizitaly dia nibitsika hoe [fa]:

Te-hiditra amin'ny resaka ady izany i Rouhani. Resaka fandriampahalemana no nataony. Niseho amin'ny maha-filoha izy.

Tao amin'ny Twitter koa, Taaatweny1 manoratra amin-kesoeson-teny hoe [fa]:

Ny sasany niandrandra ery hoe hampiaka-peo i Rouhani tany amin'ny Firenena Mikambana, “Ban Ki Moon [Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana], tsarovy fa tokony ho eto i Mir Hossein Mousavi [filoha mpitarika ny Iraniana mpanohitra ].”

Io dia milaza ilay tafatafa iray ho an'ny mpanao gazety niarahana tamin'i Rouhani tany aloha tany, ny 17 Jona, izay nisian'olona iray nihorakoraka ny filoha teo anatrehan'ny fakantsary, niteny hoe “tsarovy, Rouhani, fa tokony ho eto i Mousavi!”

Jedaaal nibitsika hoe [fa]:

Faran'izay laika tanteraka ny kabarin'i Rouhani sady tsy misy idiran'ny ideolojia araka izay nandrasantsika, eny fa na dia avy aminà olona iray mpikambana avy amin'ny fanoherana Iraniana aza.

Miaraka amin'ny eso, manoratra i Ali  [fa]:

Ahmadinejad [filoha teo aloha henjam-pifehy] no tsy maintsy nikarakara ny kabarin'i  Rouhani.

Farshid Faryabi mibitsika fa [fa] na dia nosoratana tamin'ny fomba lafatra indrindra aza ny kabarin'i Rouhani fa tsy mifototra loatra amin'ny zava-misy ara-politika, tsara kosa ireo teboka noresahany momba ny famaizana.

Na Etazonia na Iran dia samy niresaka mikasika ny filàna fifanatonana ary fifanajàn'ny roa tonta. Angamba , tahaka ny nambaran'i Mana Neyestani, Iraniana sangany mpanao sariitatra [etsy ambony] ao anatin'ny sariitatra nataony ho an'ny Iran Wire hoe fotoana izao hametrahana ny fitafy fitondra miady. Angamba mba afaka hiandrandra ny fifandraisan-tànan'ireo filoha roa tonta ireo isika indray andro any…antenaina ho atsy ho atsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.