Vehivavy Roa Naiditra Am-ponja Fa Nifanoroka Nandritra Ny Hetsika Ara-pivavahana Iray Tao Brezila

[Mitondra mankamin'ny pejy miteny Poriogey ny rohy rehefa tsy asiana fanamarihana.]

Notànana am-ponja  tsy nisy fitsaràna ny tovovavy roa, taorian'ny baiko avy amin'ilay pastora mpikambana ao amin'ny kaongresy Breziliana, Marco Feliciano, rehefa nifanoroka nandritra ny hetsika ara-pivavahana Glorifica Litoral tao an-tanànan'i São Sebastião any avaratr'i São Paulo ny Alahady 15 Septambra 2013 lasa teo.

Beijo que provocou a prisão de duas jovens. Foto: Reprodução You Tube

Ilay oroka niafara tamin'ny fisamborana ireo tovovavy roa. Sary: YouTube

Natsahatr'i Feliciano, izay mpikambana ao amin'ny kaongresy ihany koa no sady filohan'ny Tranoben'ny Kaomisiona momba ny Zon'Olombelona sy ny Vitsy an'Isa [en], ny famelabelaran-keviny nandritra ilay fetibe ara-pinoana “herinandron'ny fitoriana filazantsara ara-tsosialy sy kolontsaina”, mba hangatahany tamin'ireo polisy monisipaly sy mpiambina nanatrika teo hisambotra ireto tovovavy roa ireto.

“Tsy maintsy miala eto miaraka amin'ny rojo vy ireo tovovavy roa ireo. Tsy mila mihazakazaka akory, efa mizotra mankeny izao ireo mpiambina. Tsy toerana fanaovana izay rehetra tiana hatao akory ny eto, tranon'Andriamanitra ity,” hoy izy tery amin'ny mikrao.

Araka ny tatitra avy amin'ireo nanatri-maso an'ilay hetsika, raha teo ampitondràna azy roa vavy indrindra, mbola nanentana ireo olona 70.000 teo ingahy pastora hanatsiny/hanameloka ireto tovovavy roa ireto.

Nentin'ireo mpitandro filaminana nanao fitafin'olon-tsora ho any amin'ny tobin'ny Distrika Voalohan'ny Polisy tao São Sebastião ireo vehivavy roa, Yunka Mihura, 20 taona, sy Joana Palhares, 18 taona, toerana nanaovan'ny lehiben'ny polisy fitànana an-tsoratra ny zava-nitranga hiaingàn'ny fanadihadiana. Nilaza ireto tovovavy fa marobe ireo mpifankatia mitovy fananahana tonga teo ihany koa nifanoroka nandritra io hetsika io, ary niharan'ny fikasihan-tànana nataon'ny polisy ry zareo ireo.

Ao amin'ny bilaogy iGay, nilaza ry zareo fa efa fotoana fohy nandritra ilay hetsika ry zareo no nifanoroka ary toa tsy nanohintohina na iza na iza izany. Hoy i Yunka hoe :

O evento era público, pago com o nossos impostos. Aquele palco, aquele microfone, tudo tinha dinheiro público. Também era um espaço aberto, na Rua da praia. Estar ali era direito nosso.

Natao ho an'ny daholobe ilay hetsika, ny hetra naloanay no nandoavana azy. Iny lampihazo iny, iny mikrao iny, ny zavatra rehetra dia tamin'ny volam-bahoaka avokoa. Toerana misokatra ho an'ny rehetra rahateo koa, teo amin'ny  Lalambe “Beach Street”. Zonay ny nankeny.

Ho an'i Daniel Galani, mpisolovava azy roavavy, misy fifandonan'ny zo samihafa nandritra ilay hetsika:

A comunidade "Moça, você é machista" publicou imagem questionando o ato que levou à prisão das jovens. Foto: Reprodução Facebook

Ny vondrom-piarahamonina “Moça, você é machista” (Girl, you are a chauvinist) ety anaty aterineto dia namoaka sary iray manontany izay fihetsika nitondra hoamin'ny fisamborana an'ireo tovovavy roa. (Soratra mivaky hoe: Fa inona izany?? Tsy azon'ny fivavahana leferina ny fifanorohan'ny samy vehivavy???) Sary: Facebook

A gente vê que foi uma situação que fugiu completamente ao controle. A gente sabe que existiam dois direitos em conflito: um é a liberdade de expressão e o outro a liberdade do ato religioso. Os dois direitos são constitucionais e estão previstos para que as pessoas possam fazê-los.

Hitantsika fa zavatra iray nihoatra tanteraka ny azon'ny saina noeritreretina iny. Fantatsika fa misy zo roa mifandona ao: ny iray dia ny fahalalahana maneho hevitra ary ny iray hafa dia ny fahalalahana hanaraka izay finoana tian'ny tena. Araka ny Lalàm-panorenana daholo ireo zo roa ireo ary voalazan'ny lalàna fa azon'ny isam-batan'olona sitrahana izy ireo.

Tao anaty fanambaràna ho an'ny gazetiboky Revista Fórum, ny talen'ny Kaomisiona momba ny Zon'Olombelona ao amin'ny Holafitry ny Breziliana Mpisolovava (fantatra amin'ny fanafohezana hoe OAB – Ordem dos Advogados do Brasil) any São Paulo, Martim de Almeida Sampaio, dia nihevitra fa “tsy araka ny lalàna” ilay fisamborana ary nanampy fa ireo tovovavy koa dia “afaka mangataka ny hisamborana an'ilay pastora noho ny fanamparam-pahefana nataony,” raha toa ka fantatr'izy ireo ny mikasika ny Fepetra Famaizana.

Nangina izy nanoloana ny mpanao gazety, fa ny kaontiny Twitter  no nampiasain'i Feliciano hiresahana iny tranga iny, nitanisàny ny Fepetra Famaizana Breziliana mba hanamarinana ny fihetsiny :

1) Ny andininy faha-208 amin'ny Fepetra Famaizana Breziliana dia milaza fa: ny manivaiva imasom-bahoaka olona iray noho ny finoany na ny asany ara-pivavahana;
— Marco Feliciano (@marcofeliciano) 16 Septambra 2013

2) ny manakana na manelingelina lanonana iray na fideràna anaty fotoam-pivavahana; ny manimbazimba imasom-bahoaka hetsika na zavatra ara-pinoana:
— Marco Feliciano (@marcofeliciano) 16 Septambra 2013

3) Sazy famonjàna , 1 volana hatramin'ny 1 taona na onitra. P.U. Raha nisy herisetra nampiharina, mitombo ⅓ ny sazy, tsy ijerena ny haavon'ny vokatra naterak'ilay herisetra
— Marco Feliciano (@marcofeliciano) 16 Septambra 2013

Nampiasain'irao manohitra ny fitondrantenan'ingahy pastora ihany koa ny tambajotra sosialy mba hanoherana azy. Marcelo Gerald, mpikatroka iray mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'ireo LGBT, dia nampifandray ilay zava-nitranga tamin'ny resaka fanarahana tsy misy fepetra ny fivavahana :

Manomboka mihoatra ny fetra tokony ho izy ny zon'ireo adalam-pivavahana
— Marcelo Gerald (@mkGerald) September 17, 2013

Ary notsindriany hoe:

Momba an'i Feliciano dia tsotra no azoko ambara, mila saziana izy, TSY MISY MIHITSY manamarina ny herisetra atao amin'ireo vehivavy samy vehivavy mifankatia eny amin'ny toerana natao ho an'ny DAHOLOBE,
— Marcelo Gerald (@mkGerald) September 17, 2013

Jean Wyllys, mpikambana ao amin'ny kaongresy, ary mpiaro ny zon'ireo LGBT no sady iray amin'ireo isan'ny tena mpanohitra an'i Feliciano ao amiin'ny Tranoben'ny Kaomisionan'ny Zon'Olombelona, dia niharan'ny fanevatevana tao amin'ny kaontiny Twitter avy amin'ireo mpampiasa isan-karazany. Raisiny ho hetsika natao tsy am-piheverana ny nisamborana an'ireo tovovay roa ary hoy ny teniny :

Tsy manadihady ny amin'ireo mpanadala saim-bahoaka sy manao ny resa-pinoana ho fitadiavan-karena ny polisy! RT “@camilo_aggio: Mba hitanao ve ity ry Jean? http://t.co/4z1iZoO0Kl

— Jean Wyllys (@jeanwyllys_real) September 17, 2013

Nandritra ny herinandro, ny  WAPTV Comunicação, orinasa mpamokatra lahatsary, dia nanao fifanarahana tamin'ny fikambanana Glorifica Litoral, namoaka lahatsary iray hiarovana an'igahy pastora. Isan'ny mpanjifan'ilay orinasa ny pastora Marco Feliciano sy Silas Malafaia – hoy ny Forbes [en] hoe iray amin'ireo pastora manan-karena indrindra ao Brezila.

Ilay lahatsary dia milaza ho manambara ny marina mikasika ny famonjàna an'ireo tovovavy roa, tamin'ny filazana fa tanaty “toerana mihidy” no nanaovana ilay hetsika, ary nahazo ny fanohanan'ireo fiangonana evanjelika any amin'ny sisintany avaratry ny fanjakan'i Sao Polo izy ity, fa tsy araka ny nambaran'ireo mpikatroka mafàna fo. Avy eo ilay izy dia maneho an'ingahy pastora mamerina mitanisa ireo andinin-dalàna tery ambony :

Taorian'ny nampahalaza azy noho ireo kabary niaty fanavakavahana sy fanambaràna nahabe resaka ny maro, nokianin'ny ampahany betsaka amin'ireo kilasy politika maro ao Brezila i Feliciano hatramin'ny nanombohany ny fe-potoam-pisàny amin'ny maha-Filohan'ny Kaomisiona momba ny Zon'Olombelona azy. Tany am-piandohan'ity volana ity, ny Holafitry ny Breziliana Mpisolovava dia nanambara fa hanao fangatahana, miaraka amin'ireo sampana 20 mifandray amin'ny resaka zon'olombelona, ny hanesorana an'i Feliciano ary hatramin'i Jair Bolsonaro mpikambana ao amin'ny kaongresy, noho ny fihantsiana heloka bevava.

Araka ny nambaran'ny governemanta monisipalin'i São Sebastião, hasiana fanadihadiana ny tranga nahazo ireo tovovavy roa, ka ireo mpanadihady avy ao amin'ny Fiarovana Sivilin'ny Kaominina no hanao izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.