GV Face : Fandrakofam-baovao Iraisampirenena Momba an'i Siria

Samihafa manakory moa ny fitaterana ny zava-misy ao Siria, miankina amin'ny toerana misy anao? Ary inona no dikan'izany ho an-dry zareo Siriana?

Niresaka momba azy io sy zavatra hafa maro izahay tao amin'ny Google Hangout ny Alatsinainy 23 Sept 2013, tamin'ny 11 ora antoandro EST/3 tolakandro ora erantany, andiany faharoa tamin'ny GV Face-nay.

Ny tatitra any Etazonia sy Angletera dia mihevitra fa nisy fampiasàna fitaovam-piadiana simika nataon'ny fitondran'ny Filoha Assad tamin'ny volana lasa iny hamonoana olona mihoatra ny arivo tao Siria. Mandritra izany, ireo Rosiana mpitatitra vaovao milaza fa “milamina ny zava-drehetra” ao Damaskaosy. Ary ny filazam-baovao Iraniana mitatitra fa ny “mpihoko” miezaka mampitombo ny tsindry hisian'ny firotsahan'ny iraisam-pirenena no nanao ny fanafihana tamin'ny fitaovam-piadiana simika.

Raha mandanjalanja ny ho firotsahana ara-tafika any Siria i Etazonia, Putin, filoha Rosiana kosa niantso ny vahoaka Amerikana tao anatin'ny New York Times mba tsy handefa ny fitaovam-piadiany ho any amin'io firenena efa rotiky ny ady io. Lasa niparitaka be nanerana ny media sosialy ireo lahatsary mikasika ny hetsika ara-tafika ataon'ny Iraniana eny an-kianja ao Siria.

Ireo nandray anjara tamin'ilay Hangout dia nahitàna an'i Leila Nachawati, mpanoratra ho an'ny GV Syria, mpanorina ny Syria Untold, tetikasa iray ety anaty aterineto hilazàna ny tantara ary natokana ho an'ny fitroarana Siriana tsy misy herisetra; Kevin Rothrock, mpamoaka lahatsoratray ao amin'ny RuNet Echo, izay niresaka ireo hevitra mifanohitra momba an'i Putin sy Mc Cain ary ny fomba fahitàn'ny Aterineto Rosiana azy ireo; Amira Al Hussaini, tonian-dahatsoratray any MENA, nikitika ny fandrakofam-baovao ataon'ireo mpampita vaovao mahazatra sy ny fampitam-baovaon'olon-tsotra any Afovoany Atsinanana ary Afrika Avaratra; Solana Larsen, Tonian'ny famoahana ato aminay dia niresaka ny anjara toeran'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ny fanomezana endrika raikitra ho an'i Siria, Ellery Biddle tonian-dahatsoratry ny “Advocacy” dia niresaka momba ny fomba nandraisan'ny olom-pirenena Amerikana ireo antso hisian'ny firotsahan'i Etazonia, ary Ivan Sigal Tale mpanatanteraka ato aminay dia nanome ny heviny momba ny antony namolavolàna ny fikirakiràna ny fandrakofam-baovao avy any Siria tahaka izay hita amin'izao fotoana izao manerana ny tany.

Ho fanampim-panazavana misimisy kokoa mikasika ny fandrakofam-baovao iraisampirenena momba ny Olana Siriana, tsidiho ny pejinay Fandrakofana Manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.