Avy Any Kafranbel: Ny Revolisiona Siriana Anatin'ny 3 Minitra

Lahatsoratra niaraha-nanoratra tamin'ny Syria Untold.

Rehefa nidina an'arabe ny Siriana tamin'ny Martsa 2011, iray isan'ny tena fampihorohoroana nataon'ireo jiolahimboto mpomba ny fitondrana ny hoe  “hamerina an'i Siria any amin'ny 100 taona lasa”. Tsy ela dia lasa hadrohadro niverimberina nifanalàn'ny Siriana io arakaraky ny nametrahan'ny mpitondra azy ireo ny fampielezankevitra sy milina ara-tafika hamoretana izay rehetra endrika fanoherana. “Hiverina any amin'ny vanim-potoana nampiasàna vato isika”, no averimberin'ireo mpikatroka mafàna fo, mpikatsaka fahalalahana miaraka amin'ny hanihany eo ampahitàna ny faharavàna hita manodidina azy ireo.

 

Photo taken from the Banners from Occupied Kafranbel facebook page

Sary nalaina avy amin'ny pejy Facebook “Sorabaventy avy any  Kafranbel voabodo”

 

Ny eso mahatsikaiky amin'ilay Siria hitsingoana ho any amin'ny fahiny nefa izy aza niady mafy mba hisondrotra ho aminà hoavy hanjakan'ny  fahalalahana sy fahamarinana dia nampiasain'ny vahoaka ao Kafranbel (Idlib), mba handefasana hafatra mafonja ho an'izao tontolo izao.

Anatinà lahatsary 3 minitra izay nanjary niparitaka be, vantany vao navoaka tety anaty aterineto, dia nitafy toy ny fony vanim-potoana nampiasàna ny vato ho fitaovana ireo mpikatroka mafàna fo avy ao an-tanànan'i Kafranbel mba hanehoana ny fivoaran'ny fitroaran-dry zareo Siriana. Nisy vitsivitsy tamin'ireo olona ireo no nitàna sorabaventy tsizarizary ho mari-panoherana, talohan'ny nanafihan'ny andian'olona nitondra poleta sy basy marovava azy ireo, izay tampoka teo dia nitifitra azy ireo. Nivadika tsikelikely ho tifitra vary raraka sy daroka baomba izany avy eo. Raha misy sasany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mivoaka avy ao an-johy, mpitazana vitsivitsy kosa no mitorevaka mijery ety ivelany. Rehefa injay ireo mpanafika nanomboka nampiasa ny tavoahangin'entona mba hamelezana iretsy andaniny vao nihoraka ny mpitazana, nitaky an-kasosorana ny hanaisorana ny tavoahangy tsy ho hita ao anaty sary. Mifarana amin'ity hafatra manaraka ity ilay lahatsary:

Ny fahafatesana dia fahafatesana, tsy hijerena izay fomba nahatonga azy. Namono maherin'ny 150.000 i Assad. Sambory lery.

 

 

Miaraka amin'io lahatsary io, mijoro indray ho marika mafonjan'ny fanoherana Siriana sy ny tantarany miatrika ny horohoro avy ao anatiny sy avy any ivelany i Kafranbel. Angamba ny tanàna malaza indrindra ao Siria amin'izao fotoana izao, taorian'ny naha-lasa azy ho loharanon'ny asa famoronana sy ny fahendrena amin'ny fanehoana ireo fihetsehampo mitaky fiovàna sy ny fahatsapan-tena, manjary lasa manan-danja be noho ny tany aloha ny zotra raisin'i Kafranbel hanohizany ny fanoherana ny famoretan'i Assad sy izay andrankandrana rehetra entina hamiliviliana ny revolisiona.

Anatinà tontolo iray izay mirona amin'ny tsy firaharahiana ny tantara vaovaon'i Siria, saingy mifantoka amin'ny fomba fijerin'ny ambiny eto amin'izao tontolo izao azy ireo – tahaka ireo baribariana izay nanelingelina ny feony fony vanim-potoanan'ny fampiasàna vato – manondro ny fihatsaram-belatsihin'ny fiombonambe iraisam-pirenena ilay lahatsary, izay nametraka tsipika mena amin'ny fampiasàna fitaovam-piadiana simika, nanomezana alàlana ny famonoana olona niisa 150.000 ary namelàna ny firenena ho kila forehitra.

Satria ny fifampiresahana fehezim-bolantany dia mifantoka amin'ny endrika ara-tafika sy ny ady ifampieràna, lasa zava-dehibe noho ny taloha ny fihainoana ny feon'ireo Siriana sy ireo tetikasa avy eny ifotony. Anivon'ireny feo ireny, endrika mafonjan'ny fizakan-tena ara-pitantanana sy ny fanoherana i Kafranbel, izay raisin'ny Syria Untold ho tsy azo ihodivirana mba hisian'ny fahatakarana tsara ny tena zava-misy ao Siria.

Lahatsoratra niaraha-nanoratra tamin'ny Syria Untold.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.