“Rehefa Tapitra Maty Ny Lehilahy Ao Tajikistan Vao Afaka Ny Ho FilohamPirenena Ny Vehivavy”

Mampitanatàna vava ny olona ao Tajikistan na dia ny fitenenana fotsiny ny hoe fifidianana aza, saingy mahabe fanantenana ny hiovàn'izany tsy ho zava-mahasorena amin'io fifidianana ho filoham-pirenena ho avy eo io. Sambany eo amin'ny tantaran'ny firenena no misy vehivavy iray mifaninana ho amin'io toerana politika avo dia avo io. Tamin'ny 9 Septambra 2013, Oynihol Bobonazarova, mpisolovava manana ny maha-izy azy sady mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, no nirotsaka hihazakazaka ho filoham-pirenena taorian'ny nanendren'ireo antoko mpanohitra Tajik sy ireo ONG azy ho kandidàn'izy ireo.

‘Misy zavatra tsara noho izany indray va re’

Oynihol Bobonazarova. Image by ASIA-Plus, used with permission.

Oynihol Bobonazarova. Sary avy amin'ny ASIA-Plus, nahazoana alàlana.

Ny safidin'i Bobonazarova ho filoha – ary indrindra ny maha-tohanan'ny Antoko Fanavaozana Islamika ao Tajikistan azy – dia nanetsika betsaka ny fanehoankevitry ny olona teny anivon'ny fiarahamonina teny, izay ny fahefan-dehilahy no tena namàka lalina tao anatin'ny fomba fisaina. Raha misy olona vitsivtsy mino fa mety hanam-bintana handresy amin'ny fifidianana izy, betsaka ireo bilaogera sy mpampiasa media sosialy no miarahaba/faly na dia noho ny fandraisany anjara amin'ilay fifaninanana monja aza.

Ao amin'ny bilaoginy, manoratra [ru] i Tomiris hoe :

…[Я] думаю, что выдвижение Ойнихол Бобоназаровой единым кандидатом от оппозиции для участия в президентских выборах  это лучшее из всего, что могло произойти на этих выборах.

Я не настолько наивна, чтобы думать, что у ОБ есть хоть малейший шанс победить на этих выборах или хотя бы набрать четверть голосов. Нет, за неё мало кто проголосует. Но её выдвижение все равно лечшее из всего, что могло произойти.

Heveriko fa ny fanendren'ny antoko mpanohitra an'i Oynihol Bobonazarova ho kandidà tokana avy amin-dry zareo amin'ny fifaninanana ho filoham-pirenena no zavatra tsara indrindra afaka hita mandritra ireo fifidianana ireo.

Tsy vendrana aho akory ka hihevitra hoe manana vintana faran'izay bitika izy [Bobonazarova] ho lany amin'ireo fifidianana ireo na hahazo farafahakeliny ny ampahefatry ny vaton'ny mpifidy. Vitsy ny olona no hifidy azy. Saingy efa zavatra tsara aloha ny nanendrena azy.

Avy eo Tomiris manazava [ru] ny antony mampientanentana azy mikasika ny fisianà vehivavy mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena :

[Бобоназарова] хотя и проиграет, но покажет своим примером что женщина может претендовать на самые высокие политические должности в стране. Это будет иметь огромные, положительные и долго-срочные последствия для всех девушек и женщин в Таджикистане. У нас появится идеал к которому будут стремиться. А мучжчины возможно поймут, что к девушкам нужно относиться серьёзнее и что место женщины может быть не только на кухне, но и в президентском кресле.

Na dia ho resy aza, ho ohatra iray ho antsika i Bobonazarova, nampiseho fa afaka ny hifaninana hitàna toerana politika ambony eto amin'ny firenena ny vehivavy. Hisy fiantraikany goavana, miabo sy maharitra ho an'ireo ankizivavy sy vehivavy rehetra aty Tajikistan io. Hanana ohatra halain-tàhaka isika. Mandritra io fotoana io ihany, ho takatr'ireo lehilahy fa tokony hojerena amin'ny fomba matotra ireo ankizivavy, sy hoe tsy any anaty trano fahandroan-tsakafo ihany akory no toeran'ny vehivavy, fa koa eny ambony seza maha-filoham-pirenena.

‘Rehefa fongana ny lehilahy rehetra’

Na dia marobe aza ireo mpampiasa media sosialy ao amin'ilay firenena no nanambara ny fanohanan-dry zareo an'i Bobonazarova, na dia topimaso kely amin'ireo fanehoankevitra navela ao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka momba ny vaovao ihany aza dia efa mampiseho fa maro kokoa ireo olona ao Tajikistan no tsy vonona hanome ny vatony ho anà vehivavy.

Eo ambanin'ny fitateram-baovao iray ao amin'ny ozodi.org mikasika ny fanendrena an'i Bobonazarova ho kandidà ho filoha, manoratra [tj, ru] i Sham :

Давлатро зан рохбари кунад? Наход дар байни онхо як мард пайдо нашуд, ки занро пешниход карданд? Это уже слишком!!!

Vehivavy hitondra firenena hoe? Fa angaha dia tsy afaka nahita mihitsy ry zareo [mpitarika ny fanoherana] na dia lehilahy iray tao amin-dry zareo tao mba tsy hanendrena vehivaviìy? Efa tafahoatra kosa ity e!!!

Anaty fihetsika toy izay koa, Mahmadullo milaza fa [tj]:

мардуми мо барои он ки зан сардори давлат шавад таер нест . Мумкин худи он кас таер бошанд аммо фахмиши мо менталитети мо дигар аст барои мо дар айни хол сарвари мард даркор …Хубаст ки занро пешбари мекунанд аммо холо барвакт аст.

Tsy mbola vonona ny hanana vehivavy ho filoham-pirenena izany ny vahoakantsika. Angamba izy [Bobonazarova] no vonona ho amin'izany, fa ny fomba fisainantsika sy ny toe-tsaintsika dia hafa. Amin'izao fotoana izao aloha dia mila lehilahy isika ho mpitarika antsika. Tsara ny nanendren-dry zareo vehivavy [ho filoha], saingy aloha loatra raha izao no manao izany.

Ao amin'ny news.tj, Tokhir Muzhik [‘ilay bandy’] manontany [ru] amin'eso hoe :

Женщина президент??? Разве уже первое апреля???

Vehivavy ho filoha??? Sao sangy ratsin'ny 1 Aprily sahady [Andron'ny Lainga rehefa A] ???

Ary ao ambanin'ny lahatsoratra am-bilaogin'i Tomiris, Gafur milaza hoe [ru]:

Лично я думаю что женщина сможет стать президентом только когда все мужчины вымрут в Таджикистане. Да и тогда навряд ли.

Izaho manokana dia mihevitra fa afaka ny ho lasa filoham-pirenena ny vehivavy iray rehefa tapitra fongana ny lehilahy rehetra eto Tajikistan. Ary na izany aza, sarotra ny hahatanterahany.

‘Margaret Thatcher ho an'ny Tajik

Ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto ao Tajikistan anefa dia mino fa afaka ny handresy amin'ny fifidianana i Bobonazarova ary ho mpitarika tsara.

Tamin'ny famaliana fanehoankevitra iray izay nanoso-kevitra hoe lehilahy no tokony hitantana ny firenena fa tsy vehivavy, manoratra [tj] ao amin'ny ozodi.org i Ramziya :

мо дидем ки мардхо дар давоми хукумронишон ба кучо халку миллатро ватанро бурда расондаанд.

Afaka mahita ny efa nataon'ny lehilahy ho an'ny firenentsika sy ny vahoakantsika isika nandritra ny fotoana nitarihan-dry zareo.

Benom [‘Anonymous’] manampy hoe [tj]:

танҳо зан моро аз ин торики метавонад раҳо кунад.

Ny vehivavy irery ihany no afaka hitondra antsika hivoaka amin'izao vanim-potoana maizina izao.

Raha i Rustam kosa manambara fa [tj]:

[Бобоназарова] Бехтарин номзад. Мо уро аз дилу чон табрик мекунем ва ба у овоз хохем дод. У Маргарита Течер ва Ангела Маркели точикон хохад буд.

[Bobonazarova] no mpirotraka tsara indrindra. Alefako ho azy ny fiarahabako sy ny faniriako hifidy azy. Izy no ho Margaret Thatcher sy Angela Merkel-n'ny Tajik  .

Sahala amin'ny tsy handresy

Tsy ny toetsaina manompo lehilahy ihany no hany antony manakana an'i Bobonazarova tsy ho lasa filoha. Ao amin'ny bilaoginy, Mustafo mandroso ny [ru] hoe misy koa ireo singa manana ny lanjany ara-politika sy iraisam-pirenena izay mahatonga ny fahombiazan'i Bobonazarova mandritra ireo fifidianana ireo ho toy ny nofinofy tsy azo tanterahana:

Победить на ноябрьских выборах Бобоназаровой конечно не удастся. Этому есть целый ряд причин. Ну, во-первых, вопрос, который я сам себе недавно задавал: кто она вообще такая? Большинство людей, которые будут голосовать, не знают ее и поэтому не имеют ни малейшего представления о том, что она из себя представляет. Во-вторых, она женщина, а за женщину у нас не многие будут голосовать. Такое уж у нас общество, патриархальное. А в третьих, она довольно немолодой человек. Нашей республикой должен управлять кто-то помоложе, у кого будет достаточно сил ломать и перестраивать. У Бобоназаровой особой энергии не наблюдается.

Есть еще и четвертая причина. Бобоназарова долгое время возглавляла Фонд Сороса, то есть американскую неправительственную организацию, и сейчас возглавляет другую неправительственную организацию, которая занимается правами человека. Не думаю, что Россия позволит такому проамериканскому кандидату прийти к власти в Таджикистане. Да и наши чиновники и силовики не захотят видеть во главе государства человека, обеспокоенного правами человека.

Tsy handresy amin'ny fifidianana hatao amin'ny Novambra i Bobonazarova. Betsaka ny anton'izany. Voalohany indrindra, misy fanontaniana iray napetrako tamin'ny tenako ihany tato ho ato : fa mba iza eto amin'ity tontolo ity aloha izy e? Tsy mahalala azy ny ankamaroan'ny mpifidy ary tsy manana hevitra kely akory hoe tahaka an'iza izy izay. Faharoa, vehivavy izy, ary tsy maro ny olona hifidy vehivavy ato anatin'ny firenentsika. Io no karazam-piarahamonina misy antsika, mpandàla ny fitondràn-dehilahy. Fahatelo, tsy tanora izy. Olona tanora no tokony hitondra ny repoblikantsika – olona iray hanana ny hery sy tanjaka ampy handrava sy hamerina hanorina ny zavatra rehetra. Tahaka ny tsy manana hery sy tanjaka betsaka i Bobonazarova.

Ary misy koa ny antony faha-efatra. Nandritra ny fotoana elabe, nitàna ny toeran'ny filohan'ny Soros Foundation i Bobonazarova, fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana Amerikana, ary amin'izao fotoana izao izy dia filohan'ny fikambanana iray misahana ny olana momba ny zon'olombelona. Tsy heveriko hamela olona mpirotsaka hofidiana mpomba Amerikana tahaka izany ho tonga eo amin'ny fahefana ao Tajikistan i Rosia. Etsy andaniny, ireo manampahefantsika sy ireo mitandro filaminana tsy te-hahita olona miresaka zon'olombelona izany ho lasa mpitondra firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.