Fanandrinana an'i Rosia Ve Ny Tsangambato Ho an'ny Vehivavy Tsetsenina?

Dedication of the Dadi-Yurt memorial. YouTube screenshot.

Tsangambatom-pahatsiarovana ny Dadi-Yurt. Pikantsary YouTube.

Tamin'ny Asabotsy 14 Septambra lasa teo, nanokana tsangambato ho an'ireo andiam-behivavy Tsetsenina maty nandritra ny fotoana hifehezan'i Rosia an'i Kaokazy Avaratra tamin'ny taonjato faha-19 ny mpitarika Tsetsenina Ramzan Kadyrov. Araka ny tantara, izay lazain'ny sasany fa nafenina, tamin'ny 1819 dia nisy vehivavy Tsetsenina 46 izay voababon'ny jeneraly rosianina Yermolov nisafidy ny hitsoraka teo an-tetezana iray miampita ny reniranon'i Terek niaraka tamin'ireo nisambotra azy, fa naleon'izy ireo maty an-drano toy izay afa-baraka.

Namoaka andian-tsarin'ny lanonam-panokanana ilay tsangambato tao amin'ny kaontiny Instagram i Kadyrov ka nanoratra [ru] hoe:

Ахмед Кадыров заявил, что там, где не уважают женщин, не берегут их честь, не вырастают достойные мужчины.

Nilaza i Akhmed Kadyrov [rain'i Ramzan] fa any amin'ny toerana tsy hanajana ny vehivavy, izay tsy miaro ny voninahiny dia tsy manabe lehilahy maotona any.

Niteraka akoralava tao amin'ny tontolom-bolongana Rosiana izany fihetsika nataon'i Kadyrov izany — jeren'ny bilaogera maro ho fanekena tsy an-kiteniteny ny famonoana miaramila rosianina,  fahatsiarovana manakaiky ny fo am-polony taona taorian'ny ady farany nifanaovana tamin'ny Tsetsenina, izany toe-javatra izany.

Nitaraina [ru] ny mpisera LiveJournal DimkaJD:

Учитывая, что Чечня — дотационная республика, этот памятник построен на российские деньги.

Raha jerena amin'ny maha-repoblika omem-panampiana an'i Tsetsenia, dia tamin'ny vola rosianina no nananganana io tsangambato io.

Bilaogera hafa, Stbcaptain, naminany tamim-panjoretana [ru]:

Не удивлюсь, если власть проглотит эту оплеуху безмолвно и безропотно.

Tsy ho gaga aho raha mitelina an'i tehamaina amin'ny tava io amim-pahanginana tsy misy taraina ny governemanta federaly.

Ny anankiray hafa indray nanao tamberina ny herisetra vao haingana nifanaovan'ny Rosianina sy ny Tsetsenina:

На самом деле, это очень плохо.

Намного хуже, чем драки с участием ножиков.

Гораздо хуже, чем дотации центра, больше похожие сами знаете, на что.

Неизмеримо хуже, чем красивая мечеть, накрученная аж до ранга “Символа России”.

Собственно, это декларация политического видения, в рамках которого Россия из foederātiō явочным порядком превращена в в сommonwealth.

Tena ratsy tokoa izao.

Ratsy noho ny ady nifanaovana tamin'ny antsipika.

Mbola ratsy kokoa noho ny fanampiana avy amin'ny federaly, izay tahaka ny mitovy kokoa amin'izay fantatrao [naoty: “fahatsiarovana” angamba].

Mbola ratsy kokoa noho ilay Moske tsara tarehy, izay noterena ho “Sariohatr'i Rosia”.

Raha ny tena marina dia fanambaram-pijery politika izao, ao anatin'ny lasitra mametraka an'i Rosia niala tamin'ny federasiona ho lasa commonwealth ho azy.

Ao amin'ny tranonkalan'i Ekho-n'i Moskoa, namoaka matoandahatsoratra amin'ny antony nananganan'i Kadyrov tsangambato ho an'ny vehivavy maritiora ilay mpikatroka ara-tsosialy sy mpisolovavan'ny mpandala ny zon'ny voafonja Anna Karetnikova, ary nandresy lahatra [ru] fa mifanohitra amin'ny fijery ny vehivavy tsetsenina eo amin'ny nentin-drazany ny fanaovan'i Kadyrov ilay tsangambatom-pahatsiarovana:

Женщина – то, что вы всегда более всего оберегали столетиями. Это то, что я ценю превыше всего в вашей культуре. И что теперь? Не женщина-мать, не женщина – хранительница очага. Убившая себя и других женщина.

Ny vehivavy – izay notandrovinareo nandritra ny taonjato maro. Izany no zavatra nomeko lanja indrindra tao amin'ny kolontsainareo. Fa ankehitriny izany manao ahoana? Tsy hita ilay vehivavy-reny, tsy hita ilay vehivavy mpikarakara tokantrano. Fa ny hita dia ilay namono ny tenany miaraka amin'ny hafa.

Valery Fedotov, depiote Rosiana, namoaka lahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy [ru] tamin'ilay lohahevitra: “Fenitra hafa indray ho an'i Tsetsenia.”  Notanisainy ireo toe-javatra hafa tao anatin'ny volana vitsivitsy izay nitsarana ny Tsetsenina tamin'ny fenitra hafa tsy mitovy amin'ny an'ny olom-pirenena Rosianina. Nanao fehinteny i Fedotov:

Чечня является частью РФ всего лишь номинально. Но на это готовы закрывать глаза до тех пор, пока Кадыров демонстрирует номинальную же лояльность Москве, точнее – лично Путину. А что будет потом, лет через десять-двадцать – об этом вообще стараются не говорить. Меж тем, часики тикают, противоречия накапливаются.

Notononina fotsiny ho ao anatin'ny Federasiona Rosiana i Tsetsenia. Saingy mbola te-hanakipy maso hatrany [i Kremlin] raha mbola maneho fankatoavana ara-panononana an'i Moskoa, na raha ny marina kokoa amin'i Putin manokana i Kadyrov. Saingy tsy misy te-hiresaka kosa ny momba izay hitranga ao anatin'ny 10 na 20 taona. Fa mihodina ny famataranandro mandritra izany fotoana izany, ary mihamitombo ny fifanoheran-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.