SARY : Fanaparitahana Amin-Kerisetra Ireo Mpanohitra Ny Fifidianana Any Kambodza

Water cannons were used by police to disperse crowd. Image from @PonniahKevin

Tifitra rano ampiasain'ny mpitandro filaminana hanaparitahana ny vahoaka. Sary avy amin'i @PonniahKevin

Ravan'ny herisetra ilay hetsi-panoherana telo andro nokarakarain'ny mpanohitra, ny Antoko ho Fanavotam-Pirenena Kambodziana – Cambodia National Rescue Party (CNRP)- rehefa nifanandrina ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Alahady lasa teo.

Hetsi-panoherana fitohizanà andiam-pivoriana nokarakarain'ny CNRP io, izay nikendry ny hanery ny governemanta hamorona kaomity mahaleo tena mba hanadihady ilay fifidianana solombavam-bahoaka vao haingana teo.

Ny Antokon'ny Vahoaka Kambodziana- Cambodian People’s Party (CPP) izay efa teo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona no nandresy tamin'ny fifidianana saingy tsipahan'ny mpanohitra ny vokam-pifidianana.

Na dia teo aza ny fifandonana nandritra ny  andro voalohany tamin'ny fanoherana dia maherin'ny 20.000 ireo olona mbola nanatrika ny fivorian'ny CNRP tao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana tao Phnom Penh omaly.

Niresaka sy nifanaiky ny Piraiminisitra Kambodziana Hun Sen sy ny mpitarika ny CNRP Sam Rainsy fa hatsahatra ny herisetra ary haverina dinihana ny lisitry ny mpifidy. Fa mbola tsy nifanaraka ry zareo ny amin'ireo fototry ny fangatahan'ny mpanohitra izay anisany ny hananganana komity mahaleo tena. Teo aloha teo dia efa nampiomana ireo mpanohitra fa hobodoiny ny fanokafana ny fivorian'ny Parlemanta.

Road blockades were blamed by some groups for igniting the violence during the Sunday protest. Even non-protesters were prevented from crossing some parts of the city. Photo from urban Voice

Nomelohin'ny sasany  ho antony nanaingàna herisetra nandritra ny hetsika natao ny Alahady ireo fanakanan-dàlana. Hatramin'ireo tsy mpanao fihetsiketsehana aza no nosakanana tsy hamakivaky ny tanàna. Sary avy amin'ny Urban Voice

Freedom Park protest. Image from ‏@PanhaTheng

Fihetsiketsehana tao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana Sary avy amin'ny @PanhaTheng

A barricade separating the police and protesters. Image from @illied

Sakana nanasaraka ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Sary avy amin'i  @illied

Monks also joined the protest. Image from @illied

Nanatevina laharana ny hetsika koa ireo mpitondra fivavahana. Sary avy amin'i  @illied

Nakarina tao amin'ny Youtube ny lahatsary mirakitra ny hetsika tao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana sy ny fifandonana  ny alahady alina teo amin'ny mpitandro filaminanana sy ny mpanao fihetsiketsehana  :

Ny tenifototra hoe #electionsKH no ampiasain'ny Kambodziana hanaraha-maso ireo fihetsiketsehana mifandraika amin'ny fifidianana :

phnompenhpost @phnompenhpost

Manoritsoritra ny habibiana nataon'ny polisy ireo fianakaviana, niharam-boina tamin'ny fifandonana tao Kbal Thnal ; mbola mijanona ho misitery ny daroka teny ambony sisin-dàlana http://www.phnompenhpost.com/national/shootings-%E2%80%98throwback%E2%80%99-earlier-era …

“Tsy mpanao fihetsiketsehana aho. Manantena aho fa ho sitrana haingana ny ranjoko, ary dia ho any aho…. satria tezitra amin'ny mpitandro filaminantsika aho ” 16yo niharam-boina  #QOTD

— phnompenhpost (@phnompenhpost) 17 Septambra 2013

Nosoratan'i Mu Sochua, mpitarika ny mpanohitra ny drafitra fototry ny hetsi-panoherana telo andro :

Ho tahaka ny fibodoana ny Kianjan'ny Fahalalahana ny rivotra iainana, miaraka amin'ny habaka hifampizaràna amin'ny vondron'olon-tsotra laroina mozika sy sarimihetsika momba an'i Gandhi ny hariva.

Trano fivoahana ho an'olona 5.000 mandritra ny 3 andro sy alina no ho fanamby.

Andrasana handany ny androny ao amin'ilay kianja ireo mpitarika ny mpanohitra

OU Ritthy nitantara ny fitoerana tao amin'ny kianja :

Maro ireo olona niaraka tamin'ny fianakaviany tonga teny an-kianja  ; nihodinkodina izy ireny ary tonga nitsidika an'ireo mpanao fiihetsiketsehana izay mihinana, matory, mifoka ary miresaka amin'ny fomban'ny olon-drehetra na ny avy any ambanivohitra.

Eny amin'ny fahitalavitra efatra lehibe amin'ny zoron'ny  Kianjan'ny  Fahafahana no ijeren'ny mpanao fihetsiketsehana ny sarimihetsika fanadihadiana momba an'i Mahamta Gandhi sy i Martin Luther King voadika amin'ny teny Khmer.

Hitan'i Casey Nelson ny fielezan'reo mpitandro filaminana marobe tao an-tanàna :

Araka ny fijeriko azy dia olona tsy latsaky ny 25.000 no tao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana androany tamin'ny mitataovovonana, angamba mbola maherin'izany, ary mbola maro ireo mpanao fihetsiketsehana no any amoron-drano sy any an-kafà.

Maro kokoa ireo mpitandro filaminana mihodidina ny tanàna androany, tsy toy ny tamin'ny hetsika farany.  Voasakan'ny tariby misy farango mihorongorona ny arabe manerana ny tanàna hany ka manano sarotra ny fivezivezena. Hita miaraka amin'ny fitaovana ampiasainy ny mpitandro filaminana mpandrava korontana sy ireo PM (zandary)

Nanoratra izay hitany tamin'ny zava-niseho tamin'ilay fifandonana i Naomi Collett Ritz :

Rehefa nanakaiky ny tetezana izahay dia nahita vodim-bala, kapoakan'entona, sy vongam-bato niparitaka nameno ny tetezana, ary mpitandro filaminana an-jatony mirongo fitaovam-piadiana no mitandahatra amin'ny arabe sy miditra ao anaty trano fitehirizana iray lehibe. Navelany hitety ny manodidina sy haka sary izahay, fa tsy nisy niteny taminay ny zava-nitranga. Avy eo nandre feom-basy izahay, niakatra tamin'ny làlana izahay mandra-pahitanay olona afaka nitondra anay nankany amin'ny toerana marina nihavian'ilay feo. Lehilahy dimampolo eo angamba no nitandahatra tery amin'ny aambany tery miala indrindra amin'ireo polisy tao ambany tetezana, ary norarafany tifitra tsy niato ny teo ampovoan-dàlana.

Mino i Sovachana Pou fa tanora Kambodziana maro no mankasitraka ny fiovàna:

Ho hitantsika amin'ireo hetsi-bahoaka manaraka eo hoe hatraiza no ho fahasahian'ireo mpitarika ny antoko mpanohitra sy ny olontsika hanao sorona ny tenany hisian'io fiovàna io. Tsikaritro fa tanora maro eto amin'ny firenena no mitsipaka ny hasin'ny ray aman-dreny (izany no zava-misy izao) Te hiova tanteraka ry zareo.

Heverin'i Sopheap Chak fa tokony hanazava ny tanjony ireo antoko lehibe roa :

Hitako eto sahady fa ny tsy fahombiazan'ny politika no fialantsinin'ireo antoko roa ireo. Ny ankilany izay nilaza ho nahazo ny vaton'ny vahoaka nefa tsy sahy miatrika ny tena olana araka ny tokony ho izy sady nahavita nampiseho ezaka sahazo hitondra amin'ny vahaolana. Ny andaniny, ny mpanohitra, milalao ihany koa ny fialantsiny manodidina io tsy fahombiazan'ny politika io.

Nomelohin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana sy iraisam-pirenena ny fampiasana herisetra tafahoatra nataon'ny mpitandro filaminana ho fanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana izay nitarika fahafatesana olona iray. Nilaza tatitra ny amin'ny nampiasàny baomba mandatsa-dranomaso sy tena bala ihany koa ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana. Mandrira izany dia maro ireo niteny ny tsy fahombiazan'ny tambajotran'ny fahitalavitra kambodziana tamin'ny fitaterana ilay fandravàna tamin-kerisetra natao tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Alahady lasa teo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.