Mitohy Ny Tolon'ny Mpamboly Fingotra Thailandey Na Dia Eo Aza Ny Vatsy Avy Amin'ny Governemanta

Rubber plantation in Thailand. Image from Flickr user Hanumann (CC BY 2.0)

Fambolena fingotra ao Thailandy. Sary  avy amin'ilay mpisera Flickr Hanumann (CC BY 2.0)

Nanatontosa andianà fihetsiketsehana ireo mpamboly fingotra maherin'ny 10.000 ao atsinanan'i Thailandy nanomboka tamin'ny volana Aogositra mba hitaky fanampiana amin'ny governemana taorian'ny fihenàn'ny vidin'ny fingotra eo amin'ny tsena iraisampirenena. Vitan'ireo mpamboly mpanao fihetsiketsehana mihitsy ny nametraka sakan-dalana teny amin'ny arabe sy ny lalamby tamin'ny fiandohan'ity volana ity ka nisy fiantraikany teo amin'ny fizahan-tany sy ny fivezivezena ao amin'ny faritra maromaro ao atsimon'ny firenena izany

Thailandy no mpamokatra sy mpanondrana fingotra voajanahary betsaka indrindra manerantany.

Mitaky ny hanomezan'ny governemanta fanohanana tahaka ny fanohanana nomeny ireo mpamboly vary ireto mpamboly fingotra ireto. Na ny marimarina kokoa, mitaky ny governemanta izy ireo mba hanome fanampiana amin'ny alalan'ny vidiny.

Ity lahatsary AFP ity dia mampiseho ny sakan-dalana napetrak'ireo mpamboly fingotra:

Bangkok Pundit nanadihady ny vidim-bary sy ny vidin'ny fingotra ary koa ny vola miditra amin'ireo mpamboly ao Thailandy. Nanipika izy fa mbola mahazo betsaka noho ny mpamboly vary ny mpamboly fingotra:

…from an overall review of the literature it is quite clear that rice farmers have been earning less than rubber farmers for a while. With the low prices rubber farmers are facing some difficulties, but historically they have done quite well.

  …tamin'ny alalan'ny fanadihadiana manontolo ny haisoratra, mazava tsara fa kely ny vola miditra amin'ny mpamboly vary noho ny an'ireo mpamboly fingotra mandritra ny fotoana maharitra. Manoloana ny fidinan'ny vidin'ny fingotra, misedra olana vitsivitsy ireo mpamboly fingotra, saingy ara-tantara, nahazo tombony izy ireo.

Nanazava ihany koa izy fa nisy fiantraikany avy amin'ny fihanaky ny fingotra sintetika ny vidin'ny fingotra voajanahary:

…synthetic rubber is not a perfect substitute for natural rubber in all circumstances and natural rubber is not going away anytime soon, but because synthetic rubber can act as a substitute and that price of rubber is mainly dictated by the price oil, it is not so easy to influence the rubber market

 … Na inona na inona, tsy vokatra tonga lafatra mahasolo ny fingotra voajanahary ny fingotra sintetika ary tsy hanjavona tampoka ny fingotra voajanahary, fa afaka manolo ny asany ny fingotra sintetika fa ny vidin'ny solika no tena mametra ny vidin'ity fingotra ity dia tsy mora ny mandona ny tsenan'ny fingotra

Misy ny eritreritra fa fandresen-dahatra avy amin'ny herin'ny mpanohitra manana tany ahofa ao amin'ny faritra famokarana fingotra ao atsimon'i Thailandy no mahatonga ny fihetsiketsehana ataon'ireo mpamboly fingotra. Gadra politika ao Thailandy nanoratra fa:

…the South is the stronghold of the Democrat Party, Suthep Thaugsuban is a renowned and cashed-up political organizer in the South, and that having a mass protest populated by young toughs seems like a logical political tactic if trying to destabilize and blindside the elected government.

.. Ny Atsimo no faritra mampatanjaka ny Antoko Demokraty, mpanao politika fanta-daza sy mpanambola be i Suthep Thaugsuban ao Atsimo, ary toa lojikan-paika politika hanozongozonana sy hahaveri-hevitra ny governemanta voafidy ny fananana hetsi-bahoaka anjakan'ireo tanora jiolahimboto marobe.

Na tetikady avy amin'ny mpanohitra izany na tsia, nivadika ho hetsika goavana ireo fihetsiketsehana. thaiintelligentnews nahita fa:

…most neutral observer now says Yingluck has a full blown political movement, the rubber farmers protest, on her hands.

  … Nilaza ankehitriny ny mpanara-maso tsy mitanila indrindra fa misy hetsika mitsoka rivo-politika ao Yingluck, dia ny hetsiky ny mpamboly fingotra, eo am-pelatanany.

Milaza an'i Praiminisitra Yingluck Shinawatra i Yingluck. Mibaribary fa nahomby tamin'ny nitodihan'ny governemanta izay nanambara hanokana vola fanampiana andro vitsy lasa izay ny fihetsiketsehana . Nankatòavin'ny Filankevitry ny Minisitra vao haingana ny famatsiam-bola 21,2 miliara baht mba hampitombo ny vola fanampiana ho an'ireo mpamboly fingotra manomboka amin'ny Septambra 2013 hatramin'ny volana Martsa 2014. Talohan'izay, nandrisika ireo vondrona mpamboly fingotra ny governemanta mba hanangana koperativa ho azy ireo manokana; ary nampanantena hanitatra ny fampindramam-bola ho an'ireo indostria mpamokatra fingotra ihany koa izy mba hampitombo ny vokatr'izy ireo. Nandritra izany, nanolo-kevitra momba ny famokarana fimailo vita Thailandey ny manampahefana misahana ny fahasalamana mba hahazoana tombony faratampony amin'ny famatsiana fingotra tafahoatra ao amin'ny firenena.

Nampizarazara ireo vondrona mpamboly ny tetikasa fanampiana ara-bola nambaran'ny governemanta. Nisy ireo vondrona nankasitraka ny tetikasa fanohanana ary nisy kosa ireo hafa nitsipaka izany. Nisy ny fihetsiketsehana natao tamin'ity herinandro ity ary nandrahona mbola hanao filaharambe ny sasany tamin'ireo mpamboly.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.