Mivadika Sehatra Fanaovana Ady Totohondry Ny Parlemantan'i Tanzania

 Joseph (Sugu) Mbilinyi resisting

Atoa Joseph (Sugu) Mbilinyi manohitra ny fikasan'ireo mpiambina hanala azy ao amin'ny Parlemanta ny herinandro lasa teo. Sary nalaina tao amin'ny Jamii Forums.

Tanatin'ireo taona vitsy lasa, nanjary ho toerana fanaovana seho an-tsehatra  mahagaga ny Parlemantan'i Tanzania. Namadika ireo fivorian'ny Parlemanta ho fahitalavitra tsy maintsy jerena ny fipoahana fifandirana tsy ampoizina arahana fiaraha-mandao efitrano, matetika ataon'ny avy amin'ny mpanohitra.

Tamin'ny Aprily 2011, ohatra, nahatezitra ny Filoha Anna Makinda ny tsikeran'i Ezekiel Wenje, mpikambana ao amin'ny Parlemanta (MP) avy ao amin'ny antoko Chadema mpitarika ny mpanohitra, izay milaza fa tamin'ny alalan'ny ‘varo- maizina’ no nisafidianana ny toerana sasany ao amin'ny governemanta. Nanohitra izany ny Solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko mitondra, Chama Cha Mapinduzi (CCM), ary nangataka an'i Wenje hisintona ny fanambaràny. Nandà izy, ary nipoaka avy amin'io ny fifandirana.

Tamin'izany fotoana, araka ny nosoratan'i Subi, Tanzaniana mpitoraka bilaogy, nisy ity fehezanteny ity heno nandritra io fifandirana io, “tufunge mlango, tupigane” (“ndeha hakatona ny varavarana ary hiady”).

Tsy tonga tamin'izany mihitsy ilay izy tamin'ny farany, satria nosintonin'i Wenje ny fanambaràny, ary nilamindamina ny tohiny. Saingy nisy ireo fihantsiana vitsy hafa. Tamin'ny Febroary 2013, tsy maintsy naato ny fandrakofana mivantana ny fivoriana iray noho ny hafanan'ny toe-draharaha. Ary avy eo nisy ilay tranga niseho dimy volana lasa izay, rehefa navoaka ny efitra ny solombavam-bahoaka avy amin'ny  Chadema noho ny fanapahany ny namany avy ao amin'ny CCM, nandritra ny adihevitra mikasika ny tetibola.

Tamin'io herinandro io ihany, i Bunge, araka ny fahafantarana ny Parlemantan'i Tanzania, dia nanatri-maso zavatra iray ho velona mandrakizay ao anatin'ny tsy fahamendrehana. Nanozona ireo mpiara-miasa taminy i Atoa Peter Serukamba, solombavam-bahoakan'ny CCM, taorian'ny nanakoràn'izy ireo azy raha nitsangana handray fitenenana izy. Avy ao amin'ny Bongo5.com,

Nanosika ny olona iray mpaneho hevitra, mpifidy avy amin'ny faritra ambany fiadidiany, mitonon-tena ho Dr Mvano Khalidi, hifona tao amin'ny Facebook noho ny fitondran-tenan'ny solombavam-bahoakany ny fotoana namoahan'i Serukamba ny ‘f**k you’ (hano ny t**):

Poleni sana waheshimiwa wabunge kwa kutukanwa ila tunaomba rathi kwa niaba ya wana kigoma wote kwa kosa alilolifanya mbunge wetu kutoka kigoma ulimi ulitereza jumani hayakuwa makusudio yake kusema vile mimi kuma mzalendo wa mkoa wangu.

Mifona amin'ireo mpikambana hajaina ao amin'ny parlemanta aho noho ny teny ratsy natoraka anareo, mangataka ny famindram-ponareo amin'ny anaran'ny vahoaka rehetra aty Kigoma izahay, noho ny hadisoana nataon'ny solombavam-bahoakanay avy aty Kigoma, tsy nahatandrim-bava izy ary tsy nikasa hiteny ny zavatra noteneniny, olona tia tanindrazana ho an'ny faritaniko aho.

Ny Alakamisy 5 Septambra 2013, tsy voafehy intsony ny fivadihan-javatra. Nifanandrina tamin'ireo mpiambina ny Parlemanta ny solombavam-bahoaka avy ao Chadema, Joseph Mbilinyi, avy any amin'ny mpanohitra, izay sady nanaitra no nahatohina.

Nitranga izany zavatra rehetra izany rehefa nandà ny baiko avy amin'ny Filoha Lefitra Job Ndugai hialàny ny Antenimiera i Mbilinyi, mpiangaly ny hip hop  nivadika ho mpanao politika, sy ireo mpiray antoko aminy.

Nafana ny tantara rehefa nandà ny hipetraka i Freeman Mbowe, mpitarika ny mpanohitra ao amin'ny parlemanta, taorian'ny nitenenan'i Ndugai azy hipetraka. Avy ao amin'ny gazety The Citizen:

Nibaiko ny handroahana ny lehibe avy amin'ny Chadema Atoa Ndugai noho ny tsy nanarahany ny baikony hipetraka. Nanohitra ny fikasan'ny Filoha Lefitra handràra azy tsy hanolotra fehinteny hanakanana ny fitohizan'ny adihevitra mikasika ny volavolan-dalàna hanovàna ny Lalàna Fandinihana ny Lalàm-panorenana 2013 i M. Mbowe.

Nanaraka izany avy eo ireo korontana teo amin'ny gorodona rehefa nirifatra hanangana rindrin'olombelona manodidina an'Atoa Mbowe ireo solombavam-bahoaka hafa avy ao amin'ny mpanohitra mba hanakana ireo mpiambina hibata azy ho any ivelany.

Ao amin'ny sehatra malaza fanehoan-kevitra Jamii Forums, niteraka adihevitra goavana momba ny endriky ny politika any Tanzania ireo sary mampiseho an'i Mbilinyi manohitra ireo fikasan'ny mpiambina hibata azy ivelan'ny Antenimiera. Nametraka ity fanontaniana manaraka ity ny mpaneho hevitra iray mitondra ny anarana hoe “Stoudemire”:

Namna hii kweli tuwape vijana nchi kweli? Waacheni wazee wasinzie bungeni tu inatosha!

Miaraka amin'izao toetra izao, tokony hamela ny firenena ho an'ireo tanora ve isika? [iray amin'ireo Solombavam-bahoaka tanora indrindra i Mbilinyi] Mahavita azy tsara ireo zokibentsika na dia tafatory aza izy ireo any amin'ny Antenimiera!

Nanome sosokevitra ny mpandray anjara iray hafa mitondra ny anarana hoe Tata, milaza fa nanamafy ny tsy fahaizan'ny Filoha Lefitra Ndugai mifehy ny fivoriana ny toe-zavatra rehetra nitranga. Naminavina ihany koa i Tata fa mety noho ny tsindrin'ny hery amboniny no nahatonga ny fihetsiky ny solombavam-bahoaka Mbilinyi:

Amenifurahisha huyu Naibu Spika kwa kudai ni aibu ya kiongozi wa upinzani kuongoza wapinzani kutoka nje wakati kimsingi hii ni aibu yake kwa kushindwa ku-manage kikao…la hii move ya mwisho ya huyu mheshimiwa Sugu imeniacha hoi kwa kicheko. Inaonekana jamaa ama alikuwa amepata “chang'aa” au alikuwa amevuta haya masigara yanayopendwa na vijana.

Mampihomehy ahy ny Filoha Lefitra rehefa milaza izy fa henatra ho an'ny mpitarika ny mpanohitra ny mibaiko ireo mpikambana hafa ao amin'ny mpanohitra hiala ao amin'ny antenimiera, raha ny marina dia henatra ho azy ny tsy fahaizany mifehy ny fivoriana. Nefa ny tena nahalatsaka ahy dia ny fihetsik'Atoa Sugu [Mbilinyi]. Mety mamon-javatra iray izy na nifoaka ireny sigara tian'ny tanora ireny.

Ao amin'ny Twitter, nilaza i Sajjad Fazel (@SajjadF)  fa mety nampihena ny fahatokisana ny Chadema io trangan-javatra io:

Manome endrika ratsy ny Chadema sy i Tanzania manontolo ny zavatra nataon'Atoa Joseph Mbilinyi.

Manerana ny tontolon'ny bilaogy, nandehandeha tao anaty aterineto ny lahatsary iray avy ao amin'ny fahitalavitra ITV, mitahiry tsy ho faty mandrakizay ilay trangan-javatra. Avy ao amin'ny  GongaMx:

Nampitandrina i Subi tanatin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny 2011:

Huenda…Bunge la Tanzania lingeingia kwenye orodha ya viroja vya Wabunge wa Mabunge (kama haya, bofya hapa utizame vidoe Youtube) ya nchi mbalimbali Duniani  kupandwa jazba kiasi cha kujikuta (pasina kufahamu) wanageuza kumbi za Bunge kuwa viwanja vya ‘ndondi’

Raha mitohy izany, hahatratra haavo iray izay hahatonga azy ho isan'ireo Parlemanta (tahaka ireto anatin'ny rohy mankao amin'ny YouTube ity) any amin'ireo faritra sasany erak'izao tontolo izao ny Parlemantan'i Tanzania, izay miakatra avo tokoa ny fankafizana, hany ka avadika ho toerana fanaovana ady totohondry ny Parlemanta.

Miaraka amin'ity trangan-javatra farany ity, voaporofo ho mpaminany marina i Subi.

FANAVAOZANA: Anatin'ity tantara mikasika ireo zava-mitranga tany amin'ny Parlemantan'i Tanzania ity, tsara ampidirana ao ny trangan-javatra iray niseho tamin'ny 2008. Ito ny fitantarana izany avy amin'i Elsie Eyakuze, bilaogera mpitatitra momba ny Mikocheni :

Alina vitsy lasa izay dia tratran'ny CCTV nanao zavatra mampiahiahy tao anatin'ny Parlemanta Atoa Andrew Chenge, Mpampanoa lalàna jeneraly teo aloha, sady minisitry ny Fotodrafitrasa teo aloha, izay manana lavitrisa ‘vijisenti’ [cents kely] vitsivitsy amin'izao fotoana. Azo lahatsary ilay Mheshimiwa [ilay olona manan-kaja ambony] raha niditra ny tranobe ora maro taorian'ny ora fiasàna, niaraka tamin'ny mpikambana iray ao anatin'ny Parlemanta, sy namafy zavatra tsy fantatra isaky ny seza fipetrahan'ireo solombavam-bahoaka. Nandany fotoana ela manokana izy lasa vinany nanodidina ny sezan'ny Filoha. Ataoko angamba fa tsy entona manatsara fofon-damba ilay izy.

Tamin'izany fotoana izany,  teo ambany famotoran'ny Birao Misahana Ny Hosoka Goavana ao amin'ny governemanta Britanika  i Chenge noho ny kolikoly nahavoarohirohy ny BAE, Britanika mpamokatra fitaovam-piadiana .

Efa-taona taty aoriana, taorian'ny ‘tsy fahalavorarian'ny Birao Fisorohana sy Fiadiana ny Kolikoly ao Tanzania hikaroka porofo ny amin'ny fitondrantena diso, navotsotry ny Talen'ny Fampanoavam-bahoaka ireo sazy.

Tamin'io andro io kosa anefa, tsy mazava ny zavatra tena nataon'i Chenge. Nefa ho an-dRatoa Eyakuze dia toa nanao sikidy ilay mpampanoa Lehiben'ny fampanoavana taloha mba hialany amin'ny olana:

Voatono ny osinao ry Atoa Chenge. Nody ireo akohonao ary namonjy toerana avo. Mijinjy ny nafafy ianao, etsetra etsetra. Ny hany navelanao eo imason'ny vahoaka dia fahamendrehana faran'izay bitika, zavatra izay ampifanarahanay tsara amin'ireo lahy antitra manam-bola sy be kibo. Raha izaho ianao hazonina amin'ny tanan-droa izy io. Tsy ny fitsikilokilovana ny “ju-juing”-n'ireo Solombavam-bahoaka namanao no fomba hanaovana izany.

 Mbola ao amin'ny parlemanta i Chenge ary mpitondra tenin'ny Kaomisiona matanjaka misahana ny Tetibola izy amin'izao fotoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.