Kiobana Mpitsabo Efajato Ho Any Brezila

Nandefa taratasy misokatra ho an'ireo mpitsabo Kiobana maherin'ny efajato izay vao tonga vao haingana tany Brezila ary mandrafitra ny vondronà mpitsabo 4.000 voalohany andrasana ho tonga any amin'io firenena io alohan'ny volana Desambra amin'ity taona ity i David Oliveira de Souza, mpitsabo sady mpampianatra ao amin'ny toeram-pikarohana ao min'ny toeram-pitsaboana Sirio-Libanezy.

Maternal home in Cuba. (Foto: Randy Rodríguez Pagés)

Trano Fiterahana any Kiobà. (Sary: Randy Rodríguez Pagés)

Izao no votoatin'ilay taratasy navoakan'ny Floha, gazety mpiseho isan'andro avy any Sao Paulo :

Tongasoa ry mpitsabo Kiobana. Tena ilain'i Brezila ianareo. Ny tsy fahampian'ny mpitsabo any amin'ny faritra lavitra sy ny manodidina dia mahatonga ny olona ho anaty fahasahiranana. Aza miasa loha amin'ny amin'ny fianjonanjon'nireo namanay sasany. Ho lehibe ny fanonerana ataonay amin'ny alàlan'ny fandraisana mafana any amin'ireo vondrom-piarahamonina izay karakarainareo

Araka ny ambaran'i  Oliveira de Souza, any amin'ny fanjakana toa an'i  Sergipe, dia mora ny fivezivezena avy any amin'ny renivohitra mankany amin'ireo toerana hafa ao anatiny, saingy misy toerana maro mijanona ho tsy misy mpiasa, eny fa na dia ireo toerana manana fitaovam-pitsaboana sy tsara fepetra iainana aza.

Talohan'ny tsy fahampian'ny mpitsabo 14.500 tany Amerika Latina, dia nolanian'ny gvernemantan'i Dilma Rousseff ny fandaharan'asa “Mais Medicos” (Mpitsabo Misimisy Kokoa), izay handray mpitsabo avy any Espaina, Portiogaly, Kiobà ary ireo firenena hafa.

Vao haingana teo zao dia nisy tsikera iray momba ny fifanarahana amin'ny Kiobana  milaza fa ” hampiasaina mafy izy ireo”. Izao no namalian'i Oliveira de Souza izany tao anatin'ny taratasiny :

Lazaina fa hiasa toy ny andevo izy ireo. Miray tsikombakomba amin'izany ny Vondrona Panamerikana momba ny Fahasalamana izay efa manana traikefa efa zato taona, hatramin'ny nanaovany sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin'ny governemanta Breziliana. Manameloka izany ny tsikin'izy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina. Amin'ny anaran'ny tanànanay sy ny ankamaroan'ireo mpitsabonay, dia lazaiko fotsiny amim-pahatokiana ny hoe : Fihina Amim-pirahalahiana sy fisaorana mitafotafo ho anareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.