Indiana Mpiambina Sisintany Afaka Madiodio Tamin'ny Fitifirana Tovovavy Avy Ao Bangladesh

Tsy nomelohin'ny Fitsarana manokana ao amin'ny Fanjakana Bengaley -Tandrefana ao India ilay mpiambina sisintany Indiana tamin'ny fitifirana nahafaty ilay tovovavy 15 taona avy ao Bangladesh tao amin'ny sisintany manasaraka an'i India sy Bangladesh, ka niteraka fahatezerana faobe tao Bangladesh izany.

Noafahan'ny fitsarana madiodio ilay polisy mpitandro ny Filaminana misahana ny fiambenana sisintany, Amiya Ghosh tamin'ny fiampangana azy tamin'ny 6 Septambra 2013 ho namono olona. Voampanga ho nitifitra an'i Felani Khatun, avy ao Bangladesh tamin'ny 7 Janoary  2011 izy raha nikasa hiampita ny fefy tariby maranitra ao amin'ny sisintany Anantapur ao Phulbarhi Upazila Kurigram i Khatun handeha hiverina ao Bangladesh miaraka amin'ny rainy. Naratra mafy nitarika ny fahafatesany, tavela nihantona teo amin'ilay fefy tariby i Khatun, niantsoantso nandritra ny efatra ora alohan'ny nialàny aina. Tsy nisy ny olona namonjy azy.

Niparitaka nandritra ny fotoana nitrangàn'ny loza ireo sary misy ny vatany rotidrotiky ny fefy tariby. Vao maika mamparefo ny fifandraisana efa sarotra eo amin'i India sy i Bangadesh ny fanafahana an'i Ghosh madiodio tamin'ny 6 Septambra.

Students form a human chain in front of the Indian high commission at Gulshan in Dhaka, protesting against the verdict in the Felani killing case in India.  Image by Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (9/9/2013)

Mpianatra milahatra teo anoloan'ny Komisiona Ambony Indiana ao Gulshan ao Dhaka, manohitra ny didim-pitsarana tamin'ny raharaha famonoana an'i Felani. Sary avy amin'i Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (9/9/2013)

Niteraka fanehoa-kevitra maro feno fahatezerana tao Bangladesh ny didy navoakan'ny fitsarana, indrindra tao amin'ny media sosialy.

Tao amin'ny Facebook, nosokajian'i Asfaque Nipun ho be vazivazy ny fitsarana manokana:

So the verdict came; “No One Killed Felani!” What a joke!

Nilatsaka ny didim-pitsarana; “Tsy nisy olona namono an'i Felani”! Vazivazy tafahoatra

Farjana Jannat (@farjana_neela) nanoratra tao amin'ny Twitter fa midika ho fahafatesan'ny fitsarana izany didy izany:

Tsy nisy olona namono na nanantona ny nofo mangatsiakan'i #Felani – niseho tamin'izao fotsiny izany rehetra izany Mandria am-piadanana #Justice (Fitsarana) pic.twitter.com/OhBvjF84xK

Mpisera Twitter Subal Sarkar ( @burningNlearnin) nihevitra fa hampisy famonoana vaovao ataon'ireo mpitandro ny filaminana ao amin'ny sisintany izany didim-pitsarana izany:

RT@bewahid: Milaza hafatra amintsika ny didim-pitsarana momba ny famonoana an'i Felani fa mbola hitohy ity karazana famonoana feno herisetra ity.

Manana sisintany mirefy 3715 km miaraka amin'i India i Bangladesh. Isan-taona, maro ireo voan'ny balan'ny mpiambina sisintany Indiana, ny sasany voatifitra nefa mandeha eo akaikin'ny sisintany fotsiny. Araka ny tatitra avy amin'ny BBC [bengali], Bangladeshita 38 no maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tamin'ny taona 2012.

Nanazava ny antony mahatonga ireo olona matimaty foana tao amin'ny Facebook i Shantanu Banik :

Bangladesh is a small country next to the mighty India. Therefore, illegal immigration and border-crossing isn't uncommon. Everyday, ordinary people choose to take unthinkable risk in hopes of a better life on the other side of the fence.

It is [a] crime, but a petty crime. Not one that deserves the ‘Shoot on sight’ policy enforced by the Indian Border Security Force (BSF). […]

Firenena kely mifanolo-bodirindrina amin'i India matanjaka i Bangladesh. Noho izany, efa mahazatra ny fifindram-ponenana tsy ara-dalàna sy ny fiampitàna sisintany. Manao vy very ny ainy isan'andro ireo olo-tsotra satria manantena hahita fiainana tsaratsara kokoa ao amin'ny ilan'ny sisintany.
Heloka izany, saingy heloka tsotra. Tsy mendrika hampiharina amin'ny olona ity politikan'ny “Tifitra avy hatrany” ataon'ny Mpitandro ny Filaminana Indiana misahana ny Fiambenana ny sisintany (BSF) ity. […]

Students form a human chain in front of the Indian high commission protesting against the verdict in the Felani killing case in India.

Mpianatra manao fihetsiketsehana eo anoloan'ny Vaomiera ambony Indiana manohitra ny didim-pitsarana momba ny raharaha famonoana an'i Felani tao India. Sary avy amin'i Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (9/9/2013)

Tsena goavana ho an'ny vokatra sy ny media Indiana i Bangladesh. Mpiserasera marobe tezitra nanentana mba tsy hividy na handray ireo vokatra Indiana. Tao amin'ny Facebook, Bilaogera sady mpanoratra, Akter Ahmed nandefa hafatra ho an'ireo mponina ao Bangladesh:

এই রায়ের বিরুদ্ধে আপনার ক্ষুদ্ধ প্রতিক্রিয়া এবং অনুভূতিকে সম্মান জানিয়ে বলছি- সম্ভব হলে টিভিটা একটু বন্ধ করেন, ‘কৌন বনেগা ক্রোড়পতি'র অমিতাভ বচ্চনের দরাজ গলার সামনে আপনার কথাগুলো বেশ অস্পষ্ট এবং বেমানান লাগছে!

Manoloana ny fihetseham-ponareo feno fahatezerana sy alahelo, mangataka aminareo aho azafady, vonoy ny fahitalavitrareo. Manakona ny feonareo ny feo mafin'i Amitabh Bachchan's (mpilalao horonan-tsarimihetsika indiana sady mpanentana amin'ny teny indiana amin'ilay hoe “Iza no te-ho lasa milionera ?” ao amin'ny fahitalavitra.

Saingy mpisera Facebook iray Muquit Muhammad, tsy niombo-kevitra tamin'izany:

ফেলানী হত্যার রায়ের সাথে ভারতীয় টিভি অনুষ্ঠান পছন্দ করার সম্পর্ক কি? ঐদেশের টিভি অনুষ্ঠান পছন্দ করি বলে আমার দেশের মানুষকে তাদের মেরে ফেলা যেমন জাস্টিফাইড না, তেমনি এই কুবিচারের প্রতিবাদে ঐদেশের টিভি অনুষ্ঠান বর্জনও কোনো যৌক্তিক প্রতিবাদ না|

Inona no ifandraisan'ny raharaha Felani amin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra indiana? Ary satria koa tsy voamarina hamono antsika izany satria tiantsika ny fandaharany amin'ny fahitalavitra, tsy lojika ny tsy hijerena ny fandaharany amin'ny fahitalavitra noho ilay didim-pitsarana mahamenatra.

Nisy ny hetsika Facebook natsangana hikarakarana fihetsiketsehana sit-in eo anoloan'ny Vaomiera Ambony Indiana ao Bangladesh. Nangataka ny Vaomiera Ambony mba hiandry izay ho didim-pitsarana farany. Satria araka ny voalazan'ny mpitondra teny, “mety mbola handinika indray ny didim-pitsarana ny manampahefana mahefa”. Kanefa tsy navelan'ny fitsarana manokana hampiakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ambony ny fianakavian'ny maty [Felani].

Asfaque Nipun

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.