Andro Alohan'ny “Fifidianana Mangina,” Mihetsiketsika Ireo Kandidà Rosiana

Yekaterinburg mayoral candidate Evgeny Roizman sings alongside Russian rock icon Andrei Makarevich, 6 September 2013, screen capture from YouTube.

Evgeny Roizman, kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao Yekaterinburg, mihira eo akaikin'ilay mpihira Rosiana andrarezin'ny rock Andrei Makarevich, tamin'ny 6 Septambra 2013, pikan-tsary tao amin'ny YouTube.

Hanomboka (rahampitso) 7 Septembra 2013 ny “Androm-pifidianana mangina” ao Rosia, 24 ora alohan'ny handehanan'ny firenena hifidy solombavambahoaka, ben'ny tanàna ary governora isam-paritra. Toy izao ny zava-nitranga, maro ireo kandidà no nanararaotra ny andro androany Zoma 6 Septambra mba handefa hafatra amin'ny fampielezan-kevitra farany. Nitodika ao Moskoa avokoa ny mason'ny ankamaroan'ireo sokajy be tabataba ao amin'ny RuNet, ka anisan'ny nikarakara fampisehoana tamin'izany i Alexey Navalny, izay natrehin'ny olona teo amin'ny 8-10 arivo arivo teo. Na dia izany aza, vitsy ireo manantena fa handresy amin'ny fifaninana fifidianana  ben'ny tanàna ao Moskoa i Navalny. Satria, nampiseho ny fitsapa-kevim-bahoaka (sondage) vao haingana [ru] fa tsy azo antenaina ho tafiditra akory amin'ny fifidianana fihodinana faharoa izy.

Etsy andaniny, amin'ny fifaninana hofidiana ben'ny tanàna ao Yekaterinburg, ny kandidàn'ny mpanohitra Evgeny Roizman no tena mahery (favori). Nanatontosa fampisehoana ihany koa izy androany niaraka tamin'ilay mpihira Rosiana andrarezin'ny rock Andrei Makarevich. Raha toa ka nisosa tsara tsy nahitàna olana ny fampisehoana notontosain'i Navalny (ankoatra ny toetr'andro ratsy), ny fampisehoana nokasain'i Roizman natao kosa mbola niharan'ny hetsika fandrahonana nataon'ny polisy ao an-toerana .

Nanoratra [ru] tao amin'ny Facebook i Aksana Panova, talen'ny fampielezan-kevitra sy mpanohana an'i Roizman fa nokasaina natao amin'ny Kianjan'ny Mpiasa [ru] ao an-tanàndehibe ny fampisehoana. Saingy raha nigadona tao amin'ilay toerana izy sy ny ekipany tamin'ny Zoma maraina, lampihazo noravaravàna sy nohodidininà traktera goavambe maromaro tsy misy olona no hitan'izy ireo tao. Nilaza i Panova fa ny governoran'ny Sverdlovsk, Evgeny Kuivashev, izay fahavalo politikan'i Roizman no nahavita izao. Eny, nahavitra naka sary ny iray tamin'ireo traktera izy [Panova], izay nisy sainam-pirenena kely Rosiana nihantona.

Nanoratra tao amin'ny Facebook androany maraina, nitatitra [ru] momba ny firotsahan'ny manampahefana ao an-toerana an-tsehatra nandrava ny lampihazon'i Roizman ihany koa ilay mpanao gazety monina ao Moskoa, Anton Chernin (saingy ny ben'ny tanàna ao an-toerana no nolazainy ho tafiditra amin'ity tranga ity, fa tsy ny governoram-paritra). Taminà fanehoan-kevitra [ru] tao amin'ny vavahadin-tserasera Nakanune.ru ao Oural, manampahefana roa samihafa avy ao amin'ny biraon'ny tanànan'i Yekaterinburg nanome fanazavana mifanipaka momba ny zava-nitranga tamin'ny maraina, ka niteraka fisalasalana fa na tsy nahazo alalana avy amin'ny governemanta ny fampisehoana nokasain'i Roizman hatao na ireo mpikarakara ny fampisehoana mihitsy ihany no nangorona ny fitaovany ka lasa nandeha.

Panova (ankavia), Makarevich (afovoany, ilay manao mena), ary ireo manam-pahefana OMON avy ao Yekaterinburg, 6 Septambra 2013.

Na inona na inona antony nahatonga ireo traktera sy tsy nisian'ny fampisehoana, nahazo fifanekena taminà tomponà toerana ry zareo ka afaka nanatontosa fampisehoana tao ihany. Notombanan’ [ru] ny ekipan'i Roizman ho maherin'ny arivo ny olona tonga nanotrona ny fampielezan-keviny sy nihaino an'i Makarevich, saingy (araka ny filazan'i Panova) nisy polisy teny amin'ny manodidina nanakana ireo olona saika hanatrika ny fampielezan-kevitra. Na dia teo aza izany fanakorontanana nataon'ny mpitandro ny filaminana izany, farafahakeliny polisy manampahefana telo no tsy naharitra fa naka sary niaraka tamin'ilay mpihira andrarezin'ny rock. Mazava ho azy, nalefan'i Panova tao amin'ny kaonty Facebook-ny ilay sary (jereo eto amin'ny ankavanana), sy nilaza fa falifaly.

Андрей приехал. Сцену разобрали. Кругом ОМОН и автзаки. Макаревич улыбается. Гитара с ним. Все будет хорошо.

Tonga i Andrei [Makarevich]. Ravarava ny lampihazo. Mihodidina anay ireo polisy manampahefana sy ny fiaranà polisy. [Saingy] mbola mitsiky foana i Makarevich. Nisy gitara teny aminy. Tsy misy ny olana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.