Indonezia: Niverina ny Zavo-tsetroka

Manodidina ny 500 ny doro ala voarakitra ao amin'ny nosy Sumatra ny volana aogaositra lasa teo izay nampisy zavona matevina be hatrany Riau any Indonezia eny na ny faritra hafa any Malezia aza. Ny fandoroana ala noho ny fitrandrahana menaka avy amin'ny voly voanio, mpamokatra sy mpanangona hazo, ary ny fanaovana patin-taratasy. Sekoly maro no nihidy tao Riau nandritra ny zavon-tsetroka be tamin'ny herinandro lasa.

Ny loto avy amin'ny zavon-tsetroka dia tena olana be tokoa amin'iny faritra iny noho ny fandorona ny ala ao Indonezia. Ny farany volana Jiona, rakotry ny zavo-tsetroka i Singapore sy ny faritra maro ao Malezia.

Forest fire hotspots in Riau, Indonesia. Image from Eyes on the Forest.

Jery ankapoben'ny afo ao Riau, Indonezia. Voly palma voaniony faritra mavo. Sary avy amin'ny Eyes on the Forest [Maso mitodika ao an'ala].

Haze in Sumatra. Photo by @jgblogs

Zavo-tsetroka ao Sumatra. Saripikan'i @jgblogs

Ao amin'ny Twitter, Indoneziana no mieriteritra lalina amin'ny fiverenan'ilay zavo-tsetroka ao Sumatra.

Raha Indonezia Prez dtg, aza fady teneno Msian tompon'ny menaka voanio mba handrehatra afo bebe kokoa @zay hitany tsara zany zavo-tsetroka izany

SBY nanamarika ny Pezida Indoneziana Susilo Bambang Yudhoyono.

#haze #Sumatra 2 andro mirehitra ny tanety ao #Medan, namela arina mainty matevina be tao anatin'ny ora 8 tamin'ny môtôko

#health #environment #Indonesia

Ao Penang, Malezia, Nahatratra trano maro Ny zavo-tsetroka. Soa ihany, Fa efa lasa ilay zavo-tsetroka tamin'ny herinandro lasa teo.

Tsy navelan'i zavo-tsetroka nihazakazaka aho ):

Tsy nisy zava-tsetroka intsony ny farany. Yeay. Afaka mahita masoandro mihiratra. Alhamdulillah. Maraina suria

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.