Filipina :”Diaben'Olona An-tapitrisany” Manohitra ny Kolikoly

Hetsi-panoherana goavana, ny lehibe indrindra hatramin'ny nandraisan'ny Filoha Benigno ‘Noynoy’ Aquino III ny fitondrana telo taona izay, no nanozongozona an'i Filipina tamin'ny Androm-pirenena ho an'ireo Mahery Fo, olona an'hetsiny no naneho ny hatezerany noho ny kolikoly ataon'ny governemanta ary mitaky ny fanafoanana ny fanodikodinam-bolam-panjakàna.

Novinavinain'ny mpitandro filaminana fa manodidina ny 80.000 ka hatramin'ny 100.000 ireo nivory tao amin'ny Rizal Park any Manila, renivohitry ny firenena, ary an'arivony maro no nanao fihetseham-bahoaka tany amin'ny tanàna hafa.

Ireo tatitra natao momba ny Vola ho Fanampiana ny Fampandrosoana (PDAF) no nahatonga ny hatezeran'ny vahoaka, izay notsinjaraina amin'ireo mpanao lalàna ao amin'ny Kongresy sy ny Loholona ampiasaina aminà tetikasa notsongaina manokana.

Efa voatsikera hatry ny ela ho toeran'ny kolikolim-panjakàna ny PDAF. Fa vao mainka nihamafy ny kiakiakan'ny vahoaka rehefa nisy niteny fa miray tsikombakomba amin'ireo mpanao lalàna ilay mpandraharaha Janet Lim-Napoles ka maka am-paosy 10 lavitrisa P avy amin'ilay famatsiam-bola.

Aerial shot of Rizal Park rally. Photo courtesy of Architect Paulo Alcazaren.

Sarin'ny hetsi-panoherana tao Rizal Park avy eny an'habakabaka. Sary avy amin'i Paulo Alcazaren, Architecte. Avy amin'ny @muntingprinsipe

Antsoina hoe :“Diaben'ny olona an'arivony” ny fivorian'ireo olon-tsotra ao amin'ny Rizal Park tamin'ny Alatsinainy noho ny fiaraha-miasan'ireo haino aman-jery sosialy sy teo amin'ireo mpiserasera amin'ny Facebook sy ny Twitter.

Ny zavatra nosoratan'ilay mpamokatra mozika Ito Rapadas tao amin'ny Facebook no nitarika ny hevitra fanoheran'ny olona an-tapitrisany ny fanodinkodinam-bola io.

DIABEN'NY OLONA AN-TAPITRISANY no ilaintsika entina hiady amin'ireo mpanangon-ketra Filipiana – andro iray fitokonana amim-pahanginana ataon'ireo maro an'isa izay mangataka ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana rehetra (na inona na inona loko na antoko mety ho entiny) mba hampitsahatra ny fanaovana am-paosy ny valin-kasasarantsika andoavana hetra ho an'ny fisolokiana amin'ny alàlan'io fanodikodinam-bola io sy fanaovana asa ratsy hafa.

Mpiserasera maro amin'ny aterineto no nanaparitaka ity, isan'izany i Peachy Bretaña namany izay nilaza fa hisy fihetseham-bahoaka ny 26 Aogositra amin'ny andro Nasionaly ho an'ny Mahery Fo.

Nisy fihetseham-bahoaka ihany koa tany amin'ireo tanàna hafa ivelan'ny renivohitra, toa an'i Bacolod, Baguio, Cagayan de Oro, Cebu, Dagupan, Davao, Digos, Dumaguete, Iloilo, Naga, ary Puerto Princessa any Palawan.

"P1 trillion pork barrel of President Aquino, rechannel to social services"

vola 3 lavitrisa P nahodinkodin'ny Filoha Aquino, alefa any amin'ny sampan-draharaha sosialy”, sary avy amin'ny @LeanneJazul

Mba hanodinana ny hatezaram-bahoaka angamba, dia nampanantenain’i Aquino fa hofoanana ny PDAF ary hosoloina rafitra fitantanam-bola mangarahara, tamin'ny Zoma lasa teo. Vao mainka nitroatra ny vahoaka.

Nandritra ny andro fitokonana, dia nolazain'ny filoha Aquino sy ireo mpitondrateniny fa miaraka amin'ny vahoaka ny governemanta. Tsikaritra fa maro no tsy resy lahatra. Ireto misy hevitra hita ao amin'ny Twitter :

Mandritra izany fotoana izany, dia nolazain'i  Pixel Offensive fa raha miaraka amin'ny vahoaka miady amin'ny fanodinkodinam-bola marina ny filoha dia tokony hihetsika amin'ireto zavatra ireto :

1) Fanafoanana ny vola ahodinkodina rehetra, tsy misy an-kanavaka. Kulangot lang ito kumpara sa PORK nya. [Mbola kely io raha ampitahaina amin'ny vola ahodiny.]

2) Tsy tokony hanoratra bitsika manohitra ny hetsika ny olom-peheziny. Mampiseho ny fomba fiheveran'ireo manodidina ny Filoha izany.

Akaro ambonimbony kokoa ity adihevitra ity, vitantsika ve izany? Inona no zavatra andrasanareo omen'ny filoha haciendero ny vahoakany ?

Avoitry ny tsikera fa ny “vola ho an'ny filoha” dia vola mitontaly maherin'ny 1.3 trillion pesos izay ny filoha sy ny departemantany mpanatanteraka ihany no mihevitra ny fandaniana azy.

Abolish Pork Barrel Reality

Ny mahavariana dia na dia nolazain'ny fitondràn'i Aquino aza fa miaraka ry zareo sy ny mpanohitra dia misy sasany amin'ireo mpitondra teniny manohitra izany amin'ny alàlan'ny bitsika izay mitsikera ny hetsi-panoherana.

Nibitsika rohy mankany amin'ny lahatsoratra iray izay manoritra ny hatezerana momba ny fanodinkodinam-bola ho “tsara saingy tsy amin'ny tokony ho izy” ny mpitondratenin'ny filoha, Abigail Valte, ora vitsy mialohan'ny fitokonana fanoherana ny kolikoly.

Ambaran’ ilay lahatsoratra fa rehefa namparina ny fanodinkodinam-bola dia tsy voatery ho ratsy izany, ary nofaranany tamin'ny filazana ireo izay handeha hamonjy ny hetsi-panoherana ho toy ny “fiatsaram-belatsihin'ny hatezerana” :

Efa nosainintsika ve ny dingana manaraka, sa ho toa an'i Julian Tamad isika ka miandry olon-kafa hamaha ny olana ho antsika ? Làlana mankany amin'ny lafy ratsy ny hatezerana, ary izany no tsy maintsy hanajanonana ny fiatsaram-belatsihin'ny hatezerana sy tsy maintsy hamelantsika ireny zavatra ireny ary hamahantsika ny olona momba ny handanian'ny governemanta ny volantsika.

Nibitsika rohy tamin'io lahatsoratra io ihany koa ny mpitondratenin'ny filoha iray hafa, i Edwin Lacierda sady nanao tsindrom-paingotra, “Iza no milaza fa efa lasa ny fanaovana bilaogy !”

Nanontany ny Fiangonana Katolika izay mampirisika ny olona mba ho any amin'ilay fihetseham-bahoaka i Manuel Quezon III mpitan-tsoratra mpanampy ao amin'ny Serasera, fa nahoana no nangina izy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Gloria Arroyo.

Nolavin’ireo mpiasam-panjakàna voatonana anarana ny filazàna fa nibitsika nanohitra ny hetsika izy ireo. Fa amin'ny farany dia tsy hisy fifandraisana majika afaka hamono ny hatezeram-bahoaka amin'ny fandrobàna ataon'ny governemanta sy ny mpiara-dia aminy ny volam-bahoaka nefa Filipiana an'arivony no noana, tsy an'asa ary tena mahantra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.