Fanentanana Azia Atsimo Atsinanana Afaka Amin'ny Setro-Tsigara

Maro ireo fandraisana an-tanana any Azia Atsimo Atsinanana no manao izay tsy ifohan'ny tanora sigara. Ao anatin'ny vondrona mitarika izany fanentanana izany ny Firaisankina Fanaraha-maso ny Paraky ao Azia Atsimo Atsinanana (SEATCA) izay manana tanjona ‘hametraka sy hampivelatra politika mahomby hifehezana [ho fanaraha-maso] ny paraky ao amin'ny renim-paritra. Andeha hanaovantsika tamberina ny asa sasantsasany ataon'ny SEATCA ka soratany ao amin'ny tranonkalany.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, tokotokony ho 140 ny tanora sy ny mpianatra avy ao Thailandy nanatontosa fihetsiketseha-panoherana teo anoloan'ny Biraon'ny Philip Morris International tao Bangkok ary mitaky ny fanesorana ny fitoriana napetrak'io orinasa io ny governemanta Thailandey izay namoaka didy mitaky hanokanana  ny 85 isanjaton'ny fonontsigara ho amin'ny sary fampitandremana. Sariohatry ny olona 140 matin'ny sigara (paraky) isan'andro ao Thailandy ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana 140 ireo.

Maro ihany koa ny vondrona namoaka taratasy misokatra ho an'i Philip Morris momba ity lohahevitra ity:

You may need to ask yourself whether your effort to avoid compliance to Thai domestic law by filing the lawsuit against Ministry of Public Health, in order to increase sales volume of your products by attracting more children and youth to become your customers in the replacement of those who already died or in illness, is ethical practice.

Angamba mila manontany tena ianao raha mendrika ny ezaka ataonao hialana min'ny lalàna (Thailandey) anatiny amin'ny fitoriana ny Minisiteran'ny Fahasalamam-Bahoaka, mba hampitomboanao ny hadirin'ny vola matinao amin'ny alalan'ny fisintonana ny ankizy sy ny tanora ho mpanjifanao ho solon'ireo efa maty na marary.

Thai students warn against the dangers of smoking. Photo from Facebook of ASH Thailand

Mpianatra Thailandey manaitra amin'ny loza mitatao ateraky ny fifohana sigara. Sary avy amin'ny Facebook-n'ny ASH Thailand

Anti-Smoking Protest in Bangkok

Hetsika fanoherana ny fifohana sigara ao Bangkok
Sary avy amin'ny Facebook-n'ny ASH Thailand

Mandritra izany fotoana izany ao Vietnam, voatatitra tapa-bolana lasa izay fa efa eo am-pametrahana ny lalàna mitaky ny hametrahana fampitandremana loza ara-pahasalamana amin'ny fonon-tsigara ry zareo.

Graphic Health Warning in Vietnam. Photo by Vinacosh/Ms.Doan Thu Huyen

Fampitandremana loza ara-pahasalamana ao Vietnam. Sarin'i Vinacosh/Ms.Doan Thu Huyen

Mampisongadina an'Atoa Trinh Thang Binh ity lahatsarin-kira manaraka ity, Mpihira Vietnamiana namoron-kira manohitra ny fifohana sigara izy

Any Kambodza, niaraka ekipa amin'ireo manampahefana ao an-tanàna hanao fanentanana “hanaitra ny mpaninjara sigara ny maha-fandikan-dalàna ho fanaovana dokambarotra ny sigara sy fampiroboroboana izany amin'ny endrika afisy mipetraka eny amin'ny toera-pivarotana.” ny mpikambana ao amin'ny Vokovoko Mena Kambojiana.

…youth carried signboards bearing the message “tobacco advertising in any form violates the government’s Sub-Decree” and “Thank you for Not Advertising Cigarettes.” The youth volunteers walked with local authorities to grocery stores and restaurants checking if cigarette advertisements existed. When cigarette advertisements were found, the youths stood in front of the store or restaurant with the signboards raised up.

…tanora mitondra takelaka lehibe (sora-baventy) misy ny hafatra “ny fanaovana dokambarotra sigara amin'ny endriny rehetra dia manitsakitsaka ny didy hitsivolana navoakan'ny fanjakana” sy “Misaotra anao tsy manao dokambarotra sigara”. Miaraka mandeha amin'ny manampahefana ny tanora manolotena mitety mpivarotra sy fisakafoanana mijery raha misy dokambarotra sigara any. Rehefa mahita dokambarotra sigara ireo tanora dia mijoro eo anoloan'ilay fivarotana na fisakafoanana manangana ireo sora-baventy.

Tany Philippines, olona 14000 no nandray anjara amin'ny fiezahana hanao [mitaben'ny] endrika fangon’ (logo) ny fandrarana fifohana sigara lehibe indrindra maneratany tao amin'ny bozaky ny Oniversite Bicol ao an-tananan'i Legazpi, Albay.

Human No-Smoking Logo in Albay, Philippines. Photo from @PhilippineStar

Olombelona manao fangon'ny fandrarana tsy hifoka sigara tao Albay, Philippines. Sary  @PhilippineStar

Afa-mihambo tamin'ny fahatontosan'ity hetsika ity i Jessa Acuna:

This is not only an attempt for a world record but a huge step to increase awareness among Filipinos and everybody around the world that smoking is the most preventable cause of diseases.

Gaining attention and nationwide coverage, officials are hoping to affect every Filipino. I am a proud Albayano myself and this is my own little way to support this campaign. Let this be not only just an event but a reminder.

Tsy hoe fikasana hanamontsana ny zava-bita tsara indrindra manerantany izy tiy fa dingana lehibe ho fanairana ny Filipinos sy ny rehetra manerana izao tontolo izao fa ny fifohana sigara no mora sorohina indrindra tsy hahazoana aretina.
Ny itodihana sy ny handrenesana ny tatitra eo anivon'ny firenena no antenainy manampahefana hahatratra ny Filipino tsirairay. Mirehareha ho Albayno aho ary izao ny fomba keliko hanohanana ity fanentanana ity. Aoka tsy ho hetsika fotsiny ihany izy ity fa ho fampahatsiarovana.

Noho ny fahatsapany ny fitomboan-dazan'ny e-sigara [e-cigarettes] ao amin'ny firenena dia namoaka tolo-kevitry ny lozan'ny fampiroboroboana ity karazam-bokatra ity ny Sampan-draharaha[m-panjakana] misahana ny Sakafo sy ny Fanafody ao amin'ny firenena:

Wittingly or unwittingly, the electronic cigarette promotes smoking among children and the youth. It makes them less fearful of hazards and risks of smoking. It is opposed to the Department of Health goal to stop cigarette smoking and tobacco use.

The public is advised NOT to smoke at all and NOT to use cigarettes, cigars, or e-cigarettes.

Na fanahy iniana na tsia dia mampiroborobo ny fifohana sigara eo amin'ny ankizy sy ny tanora ny sigara elektrônika . Mahatonga azy ireo ho sahisahy kokoa sy hisedra amin'izay mety ho loza ateraky ny fifohana sigara izy io. Mifanohitra amin'ny tanjon'ny Departemantan'ny Fahasalamana amin'ny fampitsaharana ny fifohana sigara sy ny [fihinanana] paraky izy io.

Toroa-kevitra TSY hifoka ny vahoaka sy TSY hampiasa sigara, sigarabe, na e-sigara.

Nampitandrina ny mety ho fiantraikany ratsy amin'ny fampiasana e-sigara ny Fikambanan'ny Mpitsabo ao Phillipine:

…the use of e-cigs is not an ‘alternative lifestyle’ as claimed by its proponents and promoters but is actually a new and an ‘alternative vice’ which should not be taught to the public in general and our children in particular.

Our young ones can easily be enticed and duped into smoking by these novelty devices. Despite the reported smoking of our President he can still be a crucial factor in our fight against the evils of smoking in this country.

Tsy ‘fomba fiainana hafa mahasolo’ araka ny hogahogain'ny mpanolotra sy ny mpampiroborobo azy ny fampiasana e-sigara fa ‘fitondratena ratsy’ vaovao izay tsy tokony ampianarina ny vahoaka amin'ny ankapobeny ary amin'ny zanatsika indindra indrindra.

Mora roboka sy voafitaka amin'ny fifohana ireo fitaovana vaovao ireny ny tanorantsika. Na dia fantatra aza ny fifohan'ny filohatsika sigara dia mety mbola manana andraikitra lehibe amin'ny tolona ataontsika iadiana amin'ny faharatsian'ny fifohana sigara eto amin'ny firenena ity izy/.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.